LESONA 6

30 JOLAY - 05 AOGOSITRA

NIFANGARO TAMIN'NY OLONA JESOSY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Mitombo amin’ny fahamasinana - 1 Tes. 4:1-3.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.34

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 1:22,23; Jao. 1:14; Lio. 15:3–24; Mat. 9:10–13; Sal. 51:17; 1 Jao. 2:16; Fil. 2:13–15.

 

Tsianjery: “ARY ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy. Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehitỳ mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.” - Lio. 15:1,2.

 

Nisy diakona iray tao amin’ny fiangonana teo an-toerana namily ny fiarakodia izay nitondra andian-tanora iray tao amin’ny fiangonana, hankany amin’ny trano tranainy iray mba hanatanteraka fanompoam-pivavahana isam-bolana. Tamin’ny herinandro voalohany, raha nitarika ny fotoana ny tanora, dia nisy lahiantitra iray teo ambony seza misy kodiarana nandray ny tanan’ilay diakona ary nihazona izany nandritra ny fanompoam-pivavahana iray manontolo. Nitranga foana izany isam-bolana. Indray mandeha, rehefa tonga tao ilay tariky ny tanora, dia tsy teo ilay lehilahy amin’ny seza misy kodiarana. Nilaza ireo mpiasa fa ampoizina tsy ho velona hatramin’ny alina izy. Nankany amin’ny efitranon’ilay lahiantitra ilay diakona, ary hitany fa natory tsy nahatsiaro tena ity rangahy. Nandray ny tanan’ilay lahiantitra ilay diakona, ka nivavaka mba hanomezan’ny Tompo azy ny fiainana mandrakizay. Nofihinin’ity lehilahy efa eo am-bavahoana mafy ny tanan’ilay diakona, ka fantatr’ilay diakona fa nohenoina ny vavaka nasandrany. Nirotsaka ny ranomasony, dia nivoaka ny efitrano izy ka nidona tamin’ny vehivavy iray izay nilaza hoe: “Izaho no zanany. Niandry anao foana izy. Hoy ny raiko hoe: ‘Indray mandeha isam-bolana dia tonga atỳ i Jesôsy ary mihazona ny tanako. Tsy te-hodimandry aho raha tsy efa nahazo tombontsoa hihazona indray mandeha koa ny tanan’i Jesôsy.’” — Narafitra avy tamin’ny The Least of These, horonan-tsary novokarin’i Fashioned Pictures (2004). Nampiasaina rehefa avy nahazoan-dalana.

     Ny kristianisma dia ny ho lasa “Jesôsy” ho an’ny olona. Ny lesona marobe hanaraka eto dia miantso ny fifantohantsika eo amin’ny fomba fiasan’i Jesôsy teo amin’ny asa fanompoany sy eo amin’ny fomba hahafahan’ny fiangonany miaina ny asa fanompoany.


 Pejy ambony 

 

ALAHADY


Fiambenana maraina: Ho avy ny Tompo! - 1 Tes. 4:13-18.


NY FOMBA FIASAN’I KRISTY IRERY IHANY (Mat. 1:22,23)

 

      Nanoratra mahakasika izay nataon’i Jesôsy mba hanatrarana ny any ivelany sy hitarihana ny olona ho eo amin’ny famonjena i Ellen G. White, ao anatin’ny andalan-teny fampiasa matetika. (Vakio koa ny Mat. 9:35,36.)

     “Ny fomba fiasan’i Kristy irery ihany no hahazoana fahombiazana eo amin’ny fanatrarana ny olona. Nifangaro tamin’ny vahoaka toy ny olona maniry ny hitondra izay mahasoa ho azy ireo ny Mpamonjy. Naneho fangorahana azy ireo Izy, nanompo ho amin’ny izay nilainy, ary nahazo ny fitokisany. Avy eo Izy vao nandrisika azy ireo hoe ‘Manaraha Ahy.’” — MH, t. 143.   

     Andao halalinintsika kely io.

  1. Nifangaro tamin’ny vahoaka toy ny olona maniry ny hitondra izay mahasoa ho azy ireo i Jesôsy. (Nanokatra tambazotra maro Izy.)
  2. Naneho fangorahana ny vahoaka i Jesôsy. (Namorona fifandraisana Izy.)
  3. Nanompo ho amin’izay nilain’izy ireo i Jesôsy. (Namorona fifandraisana koa io.)
  4. Rehefa nampifandraisiny ny dingana voalohany sy faharoa ary fahatelo, dia nahazo ny fitokian’ny olona Izy.
  5. Avy eo Izy vao nandrisika azy ireo hoe: “Manaraha Ahy.”  (ho tonga mpianatra).

Fomba fiasa mahafaoka ny lafim-piainana rehetra ao amin’ny filazantsara no hitantsika eto. Hitarika antsika ho amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fomba feno kokoa io fomba fiasa io. Tsy nosarahin’i Jesôsy tamin’ny asa manan-danja ho fanasana ny olona hanaraka Azy (dingana 5) ny zavatra ilaina amin’ny maha-fiarahamonina (dingana 1-4). Ary tsy tokony hampisaraka izany koa isika. Ny fiaraha-miasan’ireo dingana rehetra ireo no hanome “fahombiazana marina.” Hamelabelatra ny dingana voalohany amin’ny fomba fiasan’i Jesôsy ity lesona ity. Ny lesona 7-11 kosa dia hamelabelatra ireo dingana hafa.

 

Inona no ambaran’ireto andininy manaraka ireto mahakasika ny fifangaroan’Andriamanitra Zanaka amintsika? Mat. 1:22, 23; Jao. 1:14.

 

     Samy rotika sy simban’ny fahotana mafy avokoa isika rehetra. Saingy voavahan’ny asan’i Jesôsy teto an-tany avokoa ny zavatra rehetra izay niharatsy teo amin’izao tontolo izao. Tonga tahaka ny Olombelona i Jesôsy mba hanompo ny hafa. Ampifandraisina amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa fanompoany isika. Koa nifampitohy indray ilay fatorana tapaka teo amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Nifangaro ary naniry izay mahasoa ny olona iray manontolo sy ny taranak’olombelona rehetra Izy. Niasa ho an’ireo izay noheverina ho “ratsy indrindra” amin’ny rehetra mihitsy aza Izy, fony teto an-tany.

 

Saintsaino lalina ity fahamarinana mahafinaritra ity: Naka ny nofon’ny olombelona teo Aminy (vakio ny Jao. 1:3) i Jesôsy, ilay Iray izay namorona ny zavaboary rehetra. Ary tao anatin’izany nofo izany no nifangaroany sy niasany tamin’ny vahoaka lavo. Inona no tokony ho fiantraikan’io fahamarinana mahafinaritra io eo amin’ny fomba ifangaroantsika sy iasantsika ho an’ny hafa?


 Pejy ambony 

 

ALATSINAINY


Fiambenana maraina: Mivonona ho amin’ny fiaviany! - 1 Tes. 5:1-8.


VERY ARY HITA indray (Lio. 15:3–7)

 

     Milaza fanoharana telo i Jesôsy ao amin’ny Lio. 15. Ireo fanoharana ireo dia natao hanampiana ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna hahatsapa fa manana tombambidy ny olona tsirairay. Ireo Fariseo ireo dia niampanga an’i Jesôsy ho Olona iray izay “‘mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy’” (Lio. 15:2).

 

Vakio ny Lio. 15:3–7; Lio. 15:8–10; ary ny Lio. 15:11-24 ary mariho ny ivon’ny valintenin’i Jesôsy manoloana ireo fiampangan’ny Fariseo.

    

     Manomboka amin-javatra very ary mifarana amin’ny fankalazana ny fanoharana tsirairay. Fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy ny fahalianany lalina amin’ny famonjena antsika ny tantara tsirairay.

     Nisy mpitandrina iray nanara-maso ny fianakaviana iray taorian’ny fandaharana tao amin’ny onjam-peo Feon’ny Faminaniana. Hitany fa liana tamin’ny fandalinana ny Baiboly ilay fianakaviana iray manontolo, afa-tsy mpianakavy iray ihany. Nandray an’i Kristy avokoa ny ray sy renim-pianakaviana ary ny zanaka faravavy. Dodona ny handray ireo fitsidihana ara-drafitra ataon’ny mpitandrina any an-tranony izy ireo. Nikomy tamin’ny Kristianisma kosa anefa ilay zanaka lahimatoa. Tsy te-hifampiraharaha amin’izany mihitsy izy.

Isaky ny tonga mamangy azy ireo ny mpitandrina ny hariva, dia niala ny efitrano ilay tovolahy ka tsy nandray anjara tamin’ireo fianarana lesona. Taorian’ny fandalinana ny Baiboly nafana sy nahomby nandritra ny enina herinandro, dia nanomboka nihaika azy telo mianaka, izay niara-nianatra taminy, ilay mpitandrina tanora mba hisaintsaina ny momba ny batisa. Samy nanana ny antony manokana tokony hiandrasana volana vitsivitsy ny tsirairay mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra.

Tamin’ny fomba tsy nampoizina no nidiran’ilay tovolahy ny efitrano fisakafoana izay nanaovana ny fianarana, sy nanambaràny fa maniry ny hatao batisa izy vantany vao hitan’ny mpitandrina fa vonona ho amin’izany. Nipetraka tao amin’ny efitranony ilay tovolahy, nanaraka ny fampianarana rehetra tamin’ny alalan’ny Baiboly iray izay novidiny tany amin’ny fivarotam-boky nahazatra azy, taorian’ny lesona voalohany. Ary nitombo tao anatiny ny finoana fa mila manao fanehoana ampahibemaso ny finoany izy.

Natao batisa ilay tovolahy roa herinandro tatỳ aoriana, ary natao batisa koa ny sisa tamin’ny fianakaviana iray volana taorian’izay. Raha dinihintsika izay vao avy novakintsika tao amin’ireo fanoharana ireo, dia azontsika alaina sary an-tsaina fa nisy fifaliana tany an-danitra noho ireo fanapahan-kevitra ireo.

     Teo amin’ny toerana izay nahafahany nihaona tamin’ny olona no nipetrahan’i Jesôsy: tahaka ilay vehivavy samaritanina teo am-pantsakana, ny kapiteny rômanina iray, vehivavy “mpanota” iray izay nanosotra menaka manitra teo amin’ny tongotr’i Jesôsy, menaka manitra izay mitovy vidy amin’ny karama herintaona, ary olona hafa maro izay jeren’ny fiarahamonina ho toy ny tsy mendrika sy tsy masina ka tsy azo ekena.

 

Efa tsy nety nijoro ho vavolombelona tamin’ny olona iray izay toa tsy dia mendrika loatra ho ao amin’ny fiangonanao ve ianao? Inona no ilainao sy ilain’ny fiangonanao mba hananana fahasoavana ampy hanekena ireo “mpanota” ireo?


 Pejy ambony

 

TALATA

 

Fiambenana maraina: Hiara-belona aminy - 1 Tes. 5:9-11.

 

MIARA-KOMANA AMIN’NY MPANOTA (Mat. 9:10–13)

 

Vakio ny Mat. 9:10–13. Inona no hafatra manan-danja tokony hianarantsika avy amin’ny valintenin’i Jesôsy tamin’ireo mpitsikera Azy? Vakio ny Hôs. 6:6.

 

     Mitsotsotra eo amin’ny latabatra fisakafoana i Jesôsy, izay ifandraisany sy iarahany homana amin’ny “mpanota.”

 

Inona no karazan’olona izay tsarain’ny kolontsainao ho “mpanota”?

 

     Niato tsy fidiny i Jesôsy noho ireo Fariseo izay nihevitra fa tsy sahaza Azy ny mifangaro sy miara-komana amin’ny “mpanota”. Nihaika ny Fariseo i Jesôsy mba hianatra ny hevitry ny famindram-po raha ampitahaina amin’ny fanatitra. “Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: ‘Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà’ [Hôs. 6:6]; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.” - Mat. 9:13. Mampalahelo manao ahoana re izany raha ny mpitarika ara-pivavahana no tsy maintsy lazain’i Jesôsy hianatra ny iray amin’ireo fahamarinana manan-danja indrindra amin’ny finoan’izy ireo.

     Mbola mahita ny olana izay nitranga tamin’ny andron’ny TT indray isika eto. Izy io dia olana mahakasika ireo fanompoana sy fombafomba ara-pivavahana izay lasa nanan-danja kokoa ao an-tsain’ny olona noho ny fanontaniana mahakasika ny fomba tokony handraisany ny hafa. Mahaliana tokoa fa nilaza teny avy tao amin’ny TT (Hôs. 6:6) i Jesôsy eto mba hanehoana ny heviny.

     “An’arivony no manao ny hadisoana izay nataon’ny Fariseo nanameloka an’i Kristy tao amin’ny fanasan’i Matio. Betsaka no mandà ny fahamarinana nidina avy tamin’ny Rain’ny fahazavana, satria tsy foiny ny hevitra ankamamiany ary tsy hariany ny hevitra nataony sampy. Matoky ny ‘izaho’ izy, ka miankina amin’ny fahendren’ny tenany ary tsy mahatsapa ny fahantrany ara-panahy. (...)

Ny fifadiana na ny fivavahana izay entanin’ny toe-tsaina manamarin-tena dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra.” – IFM, t. 288.

 

     Mora tokoa ny mitsara ny fihetsiky ny hafa amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra tiantsika sy tsy tiantsika manokana ho toy ny filamatra. Ilaintsika ny mianatra ny mampanalavitra ny “izaho” sy ny mamela ny Fanahy Masina hanao ny famindram-po ho faharesen-dahatra.

 

     Inona no ambaran’ny Sal. 51:17 amintsika rehetra? Tokony hanampy antsika hahatakatra mazava kokoa ny hevitr’io andininy io ny fahafantarana ny maha-mpanota antsika koa. Amin’ny fomba ahoana?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Fiambenana maraina: Mifalia, mivavaha, misaora - 1 Tes. 5:14-18.

 

MIFANGARO AMIN’NY OLONA AMIM-PAHENDRENA (Gen. 13:5–13)

 

     Nisy mpitory teny iray nangataka tamin’ny tarika iray mba hilaza ny isan’ny “namana tsy Advantista” ananan’izy ireo. Nitsangana ny lehilahy iray tany aoriana ka nirehareha: “Amim-pireharehana no ilazako fa tsy manana aho!” Mety ho tsara ny tanjon’io lehilahy io, saingy nilaza zavatra betsaka ny teniny mahakasika ny hoe karazam-pahazavana manao ahoana izy ho an’izao tontolo izao.

     Araka ny efa hitantsika, milaza ny Mat. 5:13 fa isika no fanasin’ny tany. Mety ho very anefa ny tsiron’io fanasina io. Nisy mpivarotra iray tany Sidôna nitahiry sira be dia be tao amin’ny efitrano fasiany entana, teo amin’ny tany tsy nisy na inona na inona. Satria nifampikasoka mivantana tamin’ny tany ilay sira, dia very ny tsirony. Nariana io sira io ary nampiasaina mba handrakofana ny lalana. Tahaka izany koa, mila mitandrina isika rehefa mifangaro amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Avelantsika handroba amintsika ny tsirontsika miavaka ve izao tontolo izao? Mitovy amin’ny an’izao tontolo izao ve ny soatoavintsika?

 

Inona no azontsika ianarana avy amin’ireto tantara ireto mahakasika ny fomba tsy hifangaroana amin’izao tontolo izao? Gen. 13:5–13; Gen. 19:12–26; Nom. 25:1–3; vakio koa ny 1 Jao. 2:16.

 

     Ireo ohatra ao amin’ny Baiboly ireo dia maneho fa mila mitandrina isika eo amin’ny fomba ifangaroantsika amin’ny olona izay miaina araka ny soatoavin’izao tontolo izao, araka izay voatanisa ao amin’ny 1 Jao. 2:16. Mamitaka ny tenantsika isika raha mihevitra fa tsy ilaintsika ny mitandrina. Tsy azontsika atao ny mihevitra fa tsy mampidi-doza ny miroboka ao anatin’ny foto-kevitra lavo ananan’izao tontolo izao. Etsy ankilan’izay, hahasoa ny hafa amin’ny inona isika raha toa ka miafina aminy mba hisorohana ny ho voataonan’ny fombany ho amin’ny ratsy.

Mariho ity torohevitra hendry sy voalanjalanja ity: “Tokony handà ny hifangaro amin’ny olona tsy niova fo ka hiezaka ny tsy hanana fifandraisana amin’izy ireo mihitsy ve ny Kristianina matotra? Tsia, tsy maintsy miaraka amin’izy ireo ny Kristianina, eo amin’izao tontolo izao, fa tsy naman’izao tontolo izao; tsy miombona amin’ny fombany, tsy voataonany, tsy manokatra ny fo amin’ny fomba amam-panaony. Tokony ho amin’ny tanjona fitarihana ny hafa ho eo amin’i Kristy ny fifandraisana aminy.” —  SlM, b. 3, t. 231.

 

Firy ny namana tsy Advantista anananao? Inona no toetry ny fifandraisanareo? Iza no tena mitarika an’iza kokoa? Ianao ve no mitarika azy ireo kokoa, sa izy ireo no mitarika anao kokoa?

 

 Pejy ambony
 

ALAKAMISY

 

Fiambenana maraina: Aza mamono ny Fanahy! - 1 Tes. 5:19-22.

 

EO ANIVON’NY TARANAKA MELOKA (Fil. 2:13–15)

 

     Tsy isalasalana fa mila izay nomena antsika tao amin’i Kristy izao tontolo izao. Tsy ny zavatra ao anatintsika anefa no mahatonga ny zavatra ananantsika ho tena manan-danja. Avy amin’izay noraisintsika avy tamin’i Kristy tokoa mantsy ny baiko hanatratra ny hafa. Nanolotra zavatra tena betsaka antsika i Kristy, ka miantso antsika Izy mba hanatratra ireo izay tsy manana izany. “‘Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.’” - Mat. 10:8.

 

Vakio ny Fil. 2:13–15. Inona no ambara amintsika eto? Ahoana no ifanarahan’izany amin’ny adidintsika mba hanatratra ny hafa kanefa tsy isika indray no hitotongana?

 

Ilaintsika ny mitandrina mahakasika ny fiezahantsika hiaro fatratra ny tenantsika amin’izao tontolo izao, ka manjary tsy mifangaro amin’ireo fanahy ao anatiny ao mihitsy isika. Tena mora tokoa ny mijanona ao anatin’ny “akorantsika” na ao anatin’ny “lakavintsika” ara-panahy sy ny ho lasa “mpitoka-monina” ara-panahy. Mety hivadika ho fivavahana mifototra amin’ny tena manokana ny fihetsika tahaka izany. Impiry moa ny fiangonana eo an-toerana, ohatra, no mandany hery misimisy kokoa amin’ny fifandirana mahakasika ny fomba fivavahana na mahakasika foto-pinoana noho izay laniny amin’ny fanatrarana ilay tontolo eo am-bavahoan’ny fahafatesana?

     Ao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe: Empowering the Poor (t. 21–30), dia manoritra karazam-piangonana telo i Robert Linthicum. (1) ny fiangonana ao amin’ny tanàna (fiarahamonina), izay saika tsy manana fifandraisana amin’ny fiarahamonina mihitsy. Ny hanompo ny zavatra ilain’ny mambra ao aminy no tena ifantohan’io fiangonana io. (2) ny fiangonana ho an’ny tanàna (fiarahamonina). Fantatr’io fiangonana io fa tsy maintsy miditra an-tsehatra eo amin’ny fanompoana ny fiarahamonina izy. Vinavinainy izay ilain’ny fiarahamonina fa tsy manontany ny hevitry ny fiarahamonina tompoiny izy. Dia manolotra fandaharana ho an’ny fiaraha-monina izy. Mety tsy mifandraika amin’izay tena ilain’ny fiarahamonina anefa ny asa fanompoany. (3) Ny fiangonana miaraka amin’ny tanàna (fiarahamonina). Io fiangonana io dia manadihady ny toetoetry ny tanàna mba hahafantarana ireo izay tompoiny. Mifangaro amin’ny mpitarika sy ny mponina ao amin’ilay fiarahamonina ireo mambra, ka manontany izay tena ilain’izy ireo marina. Ampoizina fa hisy akony sy ho voaray tsara kokoa ny asa fanompoan’io fiangonana io ho an’ny fiarahamonina, satria efa nandray anjara tamin’ny fanampiana ny fiangonana hahatakatra ny zavatra ilainy ny fiarahamonina, ka matoky ny asa ataon’ny fiangonana. Io fiangonana io dia miray amin’ny fiarahamonina eo amin’ny tolona ataony raha mifidy ny karazam-piarahamonina tiany hananana izy ireo ary miara-miombon’antoka amin’ny fiarahamonina eo amin’ny fanatrarana io tanjona io. Ny fiangonana tahaka izany dia mirotsaka ao amin’ny fandaminan’ny fiarahamonina ary mety hanampy ny fiarahamonina mba hampisy ny sampan’asa tsy ampy, raha toa ka ilaina izany. Miaraka mandrafitra fiaraha-miombon’antoka ny fiangonana sy ny fiaraha-monina mba hanomezana izay tena ilaina.


 Pejy ambony
 

ZOMA

 

Fiambenana maraina: Izy no hanamasina anareo - 1 Tes. 5:23,24.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.36

 

FIANARANA FANAMPINY: Vakio ny Ellen G. White, “Our Example,” t. 17–28, ao amin’ny MH; “Levy Matio,” t. 279–289, ao amin’ny IFM.

 

     Ho an’izao tontolo izao ny iraka ampanaovina ny fiangonana, fa tsy ho azy irery ihany. Nalamina ho amin’ny fanompoana ny hafa izany.

Misy famantarana iray eo amin’ny fiafaran’ny lalan-tsaran’ny fiangonan’ny antokom-pivavahana hafa iray. Aloha kelin’ny idiran’ilay lalan-tsara eo amin’ny lalana mankao amin’ny tanàna eo ampitan’ilay fiangonana no misy ilay famantarana. Tahaka izao no fivakin’ilay izy: “Fidiran’ny Mpanompo.” Manazava ny zavatra rehetra ilay famantarana, sa tsy izany?

“Tsy afaka ny hanakaiky ny very ny olona iray raha tsy mandany fotoana miaraka aminy.” Nifangaro tsara tamin’ny olona i Jesôsy, ary mampianatra i Ellen G. White fa tsy maintsy ho tahaka izany koa ny fiangonan’Andriamanitra amin’izao vanim-potoana izao. Fanasina ny mambra ka tsy maintsy miely sy mifangaro amin’ny fiarahamonina.

     “Tsy misy antso eto mba hatory any an’efitra ka hitory ny filazantsara amin’ny bitro dia. Fanasana miezinezina nomen’ny mpaminanin’ny Tompo io mba hifangaro, tahaka izay nataon’i Jesôsy, amin’ny olon-dratsy, mahantra, ary very. Sakaizan’ny mpanota i Jesôsy. Nanatrika ny lanonam-piravoravoan’izy ireo Izy – nihaona tamin’izy ireo teny amin’izay nisy azy. Tsy nanao marimaritra iraisana tamin’ny finoany na oviana na oviana i Jesôsy, saingy tiany ny nankeo amin’izay nisy mpanota. Ireo olona nahazo aina indrindra nanodidina an’i Jesôsy dia ny mpanota, raha ireo izay mihevi-tena ho masina kosa no tsy nahazo aina indrindra. Tsy niraika tamin’izany anefa i Jesôsy, satria nazava ny laharam-pahamehana ho Azy. Tonga mba hamonjy ny mpanota Izy. Izany no iraka notanterahiny, ary tokony ho iraka tanterahintsika, na dia hahatezitra ireo olo-masina sasany aza isika. (...)

     “Nanidy ny tenany tao amin’ny fialofana azo antoka sy tao amin’ny fari-toerana manokana nandritra ny fotoana ela loatra ny Advantista, tahaka ny hoe tsy nisy dikany izao tontolo izao. Nifarana io fotoana io. Tsy azontsika atao ary tsy ho sahintsika intsony ny hiaina ao anatin’ny fihemorana amin’ny alalan’ny fiainana lavitry ny hafa. Fotoana izao, ho an’ny isam-batan’olona sy ho an’ny fiangonana, ny mba hidirana ao amin’ny fiarahamonina.” — HGAC, t. 50.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

  • Mifanakaloza hevitra mahakasika ny hevitra etsy ambony izay milaza fa ao anatin’ny “fihemorana” isika raha manidy ny tenantsika amin’ny olona hafa. Araka ny hevitrao, mafy loatra ve izany teny izany, sa mitombina ilay hevitra? Inona ny andininy ao amin’ny Baiboly izay azonao ampiasaina mba hanohanana ny valinteninao?

 

  • Mila mifangaro amin’ny olona isika mba ahafahantsika miasa. Nahoana anefa no tsy azontsika hadinoina ny lanjan’ny fanohanana avy amin’ny mpianakavin’ny finoana, sy ny andraikitsika aminy, eo amin’ny fahombiazan’ny ezaka ataontsika?  Ahoana no ahazoantsika mifanampy, amin’ny maha vatana iray antsika ao amin’ny fiangonana, mba tsy ho tafaroboka ao amin’izao tontolo izao raha eo am-piasana ho azy isika?

 

Mifanakaloza hevitra mahakasika ny filazana fa betsaka kokoa ny hery lanin’ny fiangonana ifandirana momba ny olana ao anatiny noho ny hery laniny eo amin’ny fanatrarana ny any ivelany. Ahoana no ahafahantsika misoroka io fandrika mahatsiravina io?


 Pejy ambony