LESONA 7

NY FAMPIANARAN’I JESOSY SY NY ADY IFANAOVAN’NY TSARA SY NY RATSY

SABATA

Hodinihina mandritra ny herinandro:
Mat. 11:29; Rôm. 4:1–6; Mat. 13:3–8, 18–23; Mat. 7:21–27; Jak. 2:17; Mat. 7:1–5.

Tsianjery: “
Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” - Mat. 11:28.

Rehefa mandinika ny lohahevitra momba ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy isika, dia mitady hieritreritra zavatra midadasika sy miezinezina be. Sary lehibe tokoa no asehon’izany. Noho io antony io no azo ilazana azy ho tantara mahafaoka lafin-javatra mihoatra ny anankiray. Tsy tantara miseho eo amina toerana iray fotsiny araka izany no voaresaka fa misy zavatra hafa koa voafaoka ao. Ohatra: ilay fandehanan’i Paul Revere an-tsoavaly dia tantara tsy miresaka afa-tsy toerana iray monja, kanefa sary mivelatra sy miezinezina kokoa no asehon’ny Revôlisiôna amerikanina.
Ny sary maneho ny lohahevitry ny fifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy dia mety hivelatra sy hahafaoka zavatra maro tokoa. Izany anefa dia mizotra isan’andro, eto amin’ity tany ity, eo amin’ny fiainantsika, eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny fakam-panahy ary amin’ny hafa. Misy fiantraikany lehibe na kely eo amin’ny fiainan’ny olona andavanandro ireo toe-javatra lehibe kokoa ara-pôlitika sy ara-toe-karena. Toy izany koa, ny fiainantsika tsirairay avy dia voakasik’ireo trangan-javatra lehibe avy amin’ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy. 
Amin’ity herinandro ity isika dia handinika ny sasany amin’ireo fampianarana tsotra sady azo ampiharina tsara nataon’i Jesôsy mikasika ireo olana mpiseho eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Hanampy antsika ity lesona ity eo amin’ny fiezahantsika hamantatra sy hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eo anivon’ny ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy izay miseho manodidina antsika.

ALAHADY

KARAZANA FITSAHARANA MARO (Mat. 11:29)

Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo” (Mat. 11:29). Amin’ny fomba ahoana no hananan’ny fanahintsika fitsaharana raha mitondra ny “zioga”-ny isika?
Mampiseho fiheverana manokana io antso io eo anatrehan’ilay lafiny mivelatra kokoa momba ny asan’i Jesôsy hanafahana ny olona amin’ny fahavalo. Raha ny marina dia nalaina avy tao amin’ny Jeremia ireo teniny ireo. Nampanantena fitsaharana ho an’ny fanahin’ny olona i Jeremia raha miverina amin’ny fivavahan’ny razany izy ireo ka hiala amin’ny fanompoan-tsampin’ireo firenena manodidina (Jer. 6:16). 

Marobe ireo foto-kevitra isehoan’ny fitsaharana ao amin’ny Baiboly. Miantomboka amin’Andriamanitra mihitsy aloha izany. Nitsahatra Izy taorian’ny asa famoronana nataony (Gen. 2:2). Izany fitsaharany izany no nahatonga ny Sabata fitsaharana izay nankalazaina isan-kerinandro. Ny fitsaharana koa dia nankalazaina, voalohany aloha: tao anatin’ny taona, nandritra ireo andro firavoravoana fanao isan-taona (ohatra: Lev. 16:31), faharoa, isaky ny fito taona tao anatin’ilay “fampitsaharana ny fambolena ny tany” (Eks. 23:11), ary fahatelo, isaky ny dimampolo taona, amin’ny Jobily, rehefa navotsotra ny andevo ary navela ny trosa (Lev. 25:10).

Nitondra fifaliana ny fitsaharana rehefa niaraka tamin’ny vahoakany Andriamanitra (Eks. 33:14), izay tsy nisiana fahavalo na toe-javatra ratsy nitranga (1 Mpanj. 5:4; Deo. 25:19). Nahitana fifaliana ny fitsaharana tany amin’ny tany izay nomen’Andriamanitra ho an’ny vahoakany (Jos. 1:13), indrindra indrindra rehefa niverina avy babo tany Babilônina izy ireo (Jer. 30:10). Nozaraina tamin’ny vahiny ihany koa ny fitsaharana tamin’ny fandraisana tsara azy ireo (Gen. 18:4), ary koa teo amin’ny fiainam-pianakaviana milamina (Rota 1:9; Ohab. 29:17).

Tsy misy fitsaharana anefa ho an’ireo vahoakan’Andriamanitra babo any amin’ny firenen-kafa (Eks. 5:4,5; Fit. 1:3). Mandositra ny ratsy fanahy ny fitsaharana, ka tahaka ny ranomasina misamboaravoara sy maloto izy ireo, tsy mety tafatoetra (Isa. 57:20). Ny hany fitsaharana azon’ny olona toy izany andrandraina dia ny fahafatesana (Jôba :11, 13,16–18). Ahitana fampitandremana mahery vaika momba ny fitsaharana ihany koa ao amin’ny Apôk. 14:11 ho an’ireo izay tsy eo amin’ny toerana tokony hisy azy ao anatin’ilay fifanandrinan-dehibe amin’ny andro farany.

Ny fitsaharana atolotr’i Jesôsy dia fanomezana safononoka tokoa. Tafiditra ao ny fanomezan’ny Sabata. Manolotra antsika fotoana hiarahana amin’ny Mpahary izany. Ny fanoloran’i Kristy fitsaharana dia isian’ny firaisam-po momba ny toeram-pahaverezana misy antsika ka mamerina antsika amin’ny laoniny indray amin’ny lafiny rehetra. Koa rehefa manao fahadisoana isika dia mbola afaka matoky fa manana toeram-pitsaharana eo anilan’ny Mpamonjy ihany.

Inona avy ireo fomba, ankoatra ny Sabata, hahazoantsika mianatra ny mifaly amin’ny fitsaharana izay atolotr’Andriamanitra antsika? Fomba ahoana no hahitantsika fitsaharana ho an’ny fanahintsika ao amin’i Jesôsy? Vakio koa ny Rôm. 4:1-6.

ALATSINAINY

MAMAFY SY MIJINJA (Mat. 13:3-8)

Mazava ny lohahevitra momba ny fifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ao amin’ny fanoharan’i Jesôsy momba ny mpamafy. Ireo karazana valinteny efatra manoloana ny hafatry ny filazantsara dia mampiseho fa hay mbola misy hafa ankoatra ny olona “tsara” sy “ratsy” eto amin’izao tontolo izao. Saro-takarina ny fiainana ka ilaintsika ny mitandrina tsara eo amin’ny fomba fitondrantsika an’ireo izay toa tsy miraika amin’ny filazantsara araka ny hiheverantsika azy.

Vakio ny Mat. 13:3-8 sy ny Mat. 13:18-23. Amin’ny fomba ahoana no hahatakarantsika mazava tsara ny maha-zava-misy marina ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ao amin’io tantara io?

Zavatra tena misy ny tolona famaboana fanahy. Mampiasa ny fomba rehetra i Satana tsy hahazoan’ny olona famonjena. Ohatra, mikasika ny voa voafafy teny amoron-dalana dia izao no nosoratan’i Ellen G. White: “Ao amin’ny fivoriana itoriana ny Filazantsara dia manatrika eo i Satana sy ny anjeliny. Rehefa miezaka ny anjelin’ny lanitra handatsaka ny tenin’Andriamanitra ao am-po, dia efa vonona ny fahavalo hahatonga ny teny ho tsy hisy vokany. Hafanam-po tsy misy itovizany afa-tsy amin’ny hafetseny no entiny iezahana hisakana izay asa kasain’ny Fanahin’Andriamanitra hatao. Raha mitarika ny fanahy amin’ny fitiavany i Kristy, i Satana kosa miezaka hanodina ny sain’ireo voatohina hitady ny Mpamonjy.” – HF, t. 32.

Mety hanontany ny olona iray manao hoe: Fa angaha tsy afaka nitandrina bebe kokoa ilay mpamboly ka tsy namela ny voa ho latsadatsaka teny amoron-dalana? Nahoana izy no tsy mba mailo kokoa ka nanala ny vatovato teo? Fa nahoana no tsy nongotany ny ahi-dratsy?

Voafetra mandrakariva ny ezaka ataon’ny olombelona rehefa mamafy ny voan’ny filazantsara. Mila mamafy hatraiza hatraiza isika. Tsy isika no mitsara izay tany tsara na ratsy. Ny ahi-dratsy dia mampiseho fa tsy vitantsika ny misakana ny ratsy tsy hitrebina eo amin’izay toerana tsy ampoizina indrindra hipoirany. Ilay Tompon’ny vokatra izay miasa tsy hitan’ny masontsika no miantoka ny famonjena izay rehetra azo vonjena. Ny asantsika no ataontsika ary mila mianatra ny matoky Azy isika eo amin’ny fanatanterahany ny asany.

Amin’ny lafiny inona avy no ahitantsika ny maha-zava-misy marina io fanoharana? Nahoana ny olona sasany izay vao avy natao batisa no misintaka indray? Na nahoana ny sasany no tsy mampiseho fahalianana tsotra izao amin’Andriamanitra? Ary nahoana koa ny hafa no tonga matanja-pinoana?

TALATA

MANANORINA TRANO EO AMBONY VATOLAMPY (Mat. 7:21-27)

Ny toerana misy antsika eo amin’ny ady ifanandrinan’ny ratsy sy ny tsara miseho manodidina antsika dia tena zava-dehibe tokoa. Mahakasika ny lafim-piainantsika tsirairay avy mihitsy io olana io. Takatsika tsara fa tena mahakasika ny isam-batan’olona tokoa izany ao amin’ny fanoharana momba ilay lehilahy nanangana ny tranony teo ambony vatolampy.

Vakio ny Mat. 7:21-27. Inona no tena mampatahotra ao amin’io fanoharana io?

Inona no tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra an’io tantara io ianao? Aiza ilay vatolampy ary aiza ilay fasika? Misy olona sasany mihevitra fa eny amoron-dranomasina ihany no misy fasika. Azo antoka anefa fa tsy trano eny amoron-dranomasina velively no resahin’io tantara io. Ny toerana azo inoana kokoa fa nisian’izany dia eny amin’ireny vohitra somary misolampy ireny, izay niorenan’ny ankamaroan’ny tanàna, teny ankilan’ny lohasaha iray.

Trano anankiroa no tantarain’i Jesôsy. Ny anankiray miorina fotsiny eo amin’ny velarana misy azy ary ny iray kosa milatsaka lalindalina eo ambony fototra vatolampy (Lio. 6:48). Tsy misy amantarana ny fahasamihafan’ireo trano ireo rehefa miorina izy afa-tsy ny firotsahan’ny orana eny amin’ny vohitra. Hisy riaka be hidina eny amin’ny lohasaha mantsy avy eo. Tsy misy ny olana ho an’ny anankiray amin’ireo mpanorina trano, satria miorina eo ambony vatolampy ny tranony. Saingy ho an’ilay anankiray kosa, dia olana izany. Koa satria tsy naorina tambonin’ny fanorenana mafy tsara ilay trano voalohany, dia hipaoka azy mora foana ny riaka.

Nanao io fanoharana io i Jesôsy satria fantany tsara fa mazàna isika no mamita-tena. Misy tolona mampatahotra izay mizotra hatrany hatrany. Raha tsy misy manampy isika dia tsy ho tafavoaka velona. Efa nandresy ny ratsy i Jesôsy. Izany no antony hiantsoana Azy ho Vatolampy.

Azo atao ny mandresy amin’io ady ataon’ny tena manokana amin’ny ratsy io. Tsy tanteraka anefa izany raha tsy manorina mafy tsara ny fiainantsika eo amboniny isika (eo ambonin’Ilay Vatolampy). Amin’ny fankatoavantsika Azy ihany no hahazoantsika miorina eo Aminy. “Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy” - Mat. 7:24. Tsotra izany. Tena zava-dehibe ny finoana. Na izany aza anefa dia voalazan’ny Baiboly fa ny finoana tsy arahina asa dia “maty” (vakio ny Jak. 2:17,20,26). Ao amin’io fanoharana io dia hitantsika fa maty tokoa ilay izy.

Vakio ny Mat. 7:22,23. Na ny fandroahana ny demonia tamin’ny anaran’i Jesôsy na ny faminaniana tamin’ny anarany, dia samy mampiseho avokoa fa nanana “finoana” ihany ireo olona ireo. Inona anefa no nihafaran’izy ireo? Anontanio ny tenanao, karazana fanorenana inona no misy ny tranonao? Ahoana no ahafantaranao ny valiny?

ALAROBIA

AZA MITSARA (Mat. 7:1-5)

Tao anatin’ireo andro vao niantombohan’ny asany no nanaovan’i Jesôsy ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Nisy fampianarana tsy nampoizina nandritra izany. Ho fanombohany azy dia nilaza tamin’ny vahoaka an-kapobeny Izy fa sarobidy izy ireo sady sambatra eo imason’Andriamanitra (Mat. 5:3-12). Nilaza ihany koa izy fa izy ireo no fanasin’ny tany (Mat. 5:13) ary fahazavana (Mat. 5:14-16). Ny sira sy ny hazavana dia samy zava-tsarobidy amin’ny olona. Niresaka ny amin’ny maha-zava-dehibe ny lalàn’Andriamanitra ihany koa i Jesôsy (Mat. 5:17-19). Nampitandrina azy ireo anefa Izy tsy hisarika ny sain’ny hafa hijery ny fitondrantena tsara asehony (Mat. 5:20). Ankoatra izany dia nasongadin’i Jesôsy fa ny fiainam-pahamasinan’ny olona iray dia voafaritra amin’ny zavatra miainga ao an’eritreriny, fa tsy amin’ny asa asehony ihany (Mat. 5:21-28). Nampitandrina koa anefa Izy etsy andanin’izany fa mila mailo amin’ny zavatra ataony izy ireo (Mat. 5:29,30). Raha vakina manontolo ny toriteny dia hita fa voakasika avokoa ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny fifandraisany (vakio ny Mat. 5---Mat. 7:27).

Vakio ny Mat. 7:1-5. Amin’ny fomba ahoana no nanehoana ny maha-zava-misy marina ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ao amin’ireo andininy ireo?

“‘Aza mitsara mba tsy hotsaraina’. Aza mihevitra ny tenanao ho tsara noho ny olon-kafa, ka mametraka ny tenanao ho mpitsara. Satria tsy fantatrao ny toe-tsaina nanosika azy, dia tsy afaka hitsara ny hafa ianao. Ny faninitsinianao azy dia famoahanao didim-pitsarana ho an’ny tenanao ihany; asehonao amin’izay mantsy fa mpiara-miasa amin’i Satana ilay mpiampanga ny rahalahy ianao. Hoy ny Tompo: ‘Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia: izahao toetra ny tenanareo’. Io no anjara asantsika.” – IFM, t. 328-329.
Rehefa nampitandrina ny mpihaino Azy tsy hitsara i Jesôsy, dia zava-dehibe roa no tiany hasongadina. Voalohany, ny antony hitsarantsika ny hafa dia satria ilay zavatra tena tsikeraintsika mihitsy no ataontsika (Mat. 7:1,2). Tsy mandinika ny tenantsika intsony isika ka matoky fa ilay olona tsikeraintsika no jeren’ny rehetra manodidina fa tsy isika.
Ny zavatra faharoa tian’i Jesôsy hazavaina indray dia izao: matetika ny olana hitantsika eo amin’ny rahalahy na anabavintsika dia ampahany kely monja amin’ny olana lehibe mahazo antsika, olana izay mety tsy fantatsika akory ny momba azy. Mora amintsika ny mahita ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny hafa kanefa tsy hitantsika akory ny andry lehibe eo amin’ny masontsika.

Inona no maha-samy hafa ny hoe: mitsara ny olona iray sy ny mitsara ny fahamarinana na ny fahadisoan’ny asany? Nahoana no tena ilaina tokoa ny manavaka ireo?

ALAKAMISY

“INDRO, IZAHO MOMBA ANAREO MANDRAKARIVA” (Mat. 28:28)

Faranan’i Matio amin’ireo teny anisan’ny mampahery indrindra nolazain’i Jesôsy ny Filazantsarany: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao” - Mat. 28:20. Tokony hidika inona ho antsika izany eo amin’ny fiainantsika, ny tolona atrehintsika sy ny tsy fahombiazantsika ary ny fahadisoam-panantenantsika, eny fa na dia rehefa mahatsiaro ho adinon’Andriamanitra aza isika?

Mahaliana ihany koa ny mahita fa ho fanombohan’i Matio ny Filazantsarany dia nilaza izy fa momba antsika Andriamanitra. Voalohany aloha dia ny firazanan’i Jesôsy miainga any amin’ny mpanjaka Davida no tanisain’i Matio. Avy eo izy dia miresaka ny amin’ny anjely iray izay namangy an’i Maria ary avy eo an’i Josefa. Taorian’izay dia nazavainy ny hanaovana ny anaran’ilay zaza hateraka hoe: “Imanoela”, na amintsika Andriamanitra (Mat. 1:23).

Imbetsaka no isehoan’ny teny fikasan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Indro, Izaho momba anareo”. Nanome toky Izy fa homba an’i Isàka (Gen. 26:24, an’i Jakôba (Gen. 28:15), an’i Jeremia (Jer. 1:8,19) ary an’ireo zanak’Isiraely (Isa. 41:10; Isa. 43:5). Mazàna izany teny fikasana izany no nomena nandritra ny vanim-potoan’ny tsy fisiana sy ny fahoriana, izay nanjary nahatonga ny fahatsapana ny tenin’Andriamanitra ho manan-danja indrindra.

Saika ireo teny ireo mihitsy no nampiasain’ny andininy iray hafa manao hoe: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory” - Heb. 13:5. Andininy vitsivitsy atỳ aorian’io no mbola manampy hoe: “Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” - Heb. 13:8. Io teny fikasana io koa dia miverimberina imbetsaka. Hita ireo teny ireo rehefa nampita ny fitarihana tamin’i Josoa i Mosesy (Deo. 31:6,8). Mbola naverin’Andriamanitra tamin’i Josoa ihany ireo teny ireo taorian’ny nahafatesan’i Mosesy: “Tsy handao anao na hahafoy anao Aho” - Jos. 1:5. Rehefa nampita ny fanjakana tamin’i Sôlômôna i Davida, dia nolazainy azy koa fa tsy handao azy na hahafoy azy Andriamanitra (1 Tant. 28:20).

I Jesôsy, ilay tsy miova na oviana na oviana dia momba antsika mandrakariva ary efa nanome teny fikasana azo antoka ho an’ireo mpitarika ny finoantsika tany am-boalohany. Nandalo fahoriana sy fizahan-toetra izy ireo ary efa teo am-piatrehana ny fihaikana lehibe indrindra tamin’ny fiainany. Natoky anefa izy fa nanatrika teo mandrakariva Andriamanitra.

Zava-dehibe indrindra ireo teny fikasana ireo ho an’ny fiangonan’i Kristy amin’ny andro farany. Ny teny fikasan’i Kristy mikasika ny fombàny antsika hatramin’ny farany dia miara-dalana amin’ny baikony hanaovantsika ho mpianatra ny hafa amin’ny fanaovana batisa sy ny fampianarana azy. Ny tanjontsika àry araka izany dia ny mamonjy ny olona, miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra, tsy hiandany amin’ilay antoko efa resy eo amin’ilay ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy.

ZOMA

Fianarana fanampiny:
Nanoratra momba ny “anankiray amin’ireo tantara mampalahelo indrindra eto amin’izao tontolo izao” i Leon Wieseltier mpanoratra. Ny fiainan’ny lehilahy anglisy iray antsoina hoe “S.B.”, izay jamba hatrany am-bohoka no notantarainy. Ny vaovao mahafaly aloha na izany aza dia ny nahazoan’i S.B. tombontsoa namindràna tapotsi-maso ka nahiratan’ny masony teo amin’ny faha-52 taonany. Sambany teo amin’ny fiainany i S.B. no afaka nahita! Azo antoka fa tena diboka hafaliana tanteraka izy raha nahita ny tontolo manodidina azy izay tsy mbola hitany hatrizay hatrizay teo amin’ny fiainany. Na izany aza dia naka teny avy tao amin’ilay boky vao nahitany voalohany ny tantara i Wieseltier. Voalazany fa i S.B. dia “nahita izao tontolo izao ho manjombona ka nampalahelo azy ny loko miendakendaka sy ny tsy fetezana samihafa.... Nitombo ihany ny tsy fahalavorariana hitany teo amin’ny zavatra sasantsasany, nodinihiny tsara ireo indro kely sy tasitasy teny amin’ny entana voaloko sy teny amin’ny fanaka hazo. Tia loko marevaka izy saingy tonga nalahelo rehefa nihena ny hazavana. Nihalalina hatrany ny faharerahan-tsainy. Tsikelikely teny dia tsy nahoany intsony ny fomba fiaina mitaky fahavitrihana ka nony afaka telo taona dia maty izy”- .”—www.newrepublic.com/article/113312. Edrey! Na dia saro-takarina aza izany amin’ny lafiny iray, dia tsy izay kosa amin’ny lafiny iray hafa. Toerana efa simba tokoa ny tontolo misy antsika. Efa teo amin’ny enina arivo taona teo ho eo izay no nisian’ny ady nifanaovan’ny tsara sy ny ratsy teto. Fahapotehana maro eto amin’ny tontolontsika no tsy maintsy havelan’izany ady naharitra enina arivo taona izany. Efa niezaka mafy ihany isika hanatsaratsara kokoa azy ity saingy toa tsy hizotra any amin’izay hiheverantsika azy izany. Hiharatsy hatrany mantsy izy io. Izany no antony ilàntsika ny teny fikasan’ny famonjena. Avy amin’ny fandresen’i Kristy amin’ilay ady ifanandrinany amin’i Satana ihany no hahatanterahan’izany amintsika. Efa azo teo amin’ny hazo fijaliana izany fandresena izany ary atolotra maimaimpoana ho antsika rehetra.

FANOTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA

1. Inona no lesona azonao raisina ho an’ny tenanao avy amin’io tantaran’i S.B. ao amin’ny fianarana Zoma io?
2. Araka ny hitantsika tao amin’ny fianarana Talata, dia mpino an’i Jesôsy tokoa ireo nilaza hoe: “Tompoko, Tompoko, tsy efa” nanao an’izao sy izao tamin’ny anaranao va izahay (Mat. 7:22,23. Mariho ihany koa mandritra izany ny zavatra tena misongadina tao amin’ny fanontaniany. Iza no nifantohan’izy ireo? Inona no nifantohan’izy ireo? Ahoana no anehoan’ny valinteny eto ny antony maha-voafitaka tanteraka azy ireo?     
3. Raha misy namanao na fianakavianao manao zavatra izay hita miharihary fa tsy mety, ahoana no hiatrehanao izany olana izany amin’ny fomba izay tsy hisehoanao ho mpitsaratsara?