LESONA 7

7 - 13 MAY

ANDRIAMANITRY NY JIOSY SY NY JENTILISA

LESONA 7
SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Filentehan’ny masoandro: 5.26

 

Tsianjery: «Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tànanao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, ho fanazavana ny jentilisa» - Isa. 42:6.

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 14:1–21; Mat. 14:22–33; Eks. 3:14; Isa. 29:13; Mat. 15:1–20; Mat. 15:21–28.

 

Fiambenana maraina: Vonjena amin’ny alalan’ny filazantsara - 1 Kôr. 15:1,2.

 

Miteny mazava tsara i Jesôsy ao amin’ny Mat. 15:24 hoe: “‘Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'Isiraely.’” Tsy isalasalana fa ny asan’i Kristy, nandritra ireo fotoana nahatongavany ho nofo, dia saika nivantana tamin’ny firenen’ny Isiraely.

Araka ny asehon’ny Baiboly iray manontolo anefa, tsy ny Isiraely ihany no vahoaka tokana teo ambany fiahian’Andriamanitra. Ny antony nifidianan’Andriamanitra ny Isiraely dia ny mba hahafahany mitahy ny olona rehetra eto ambonin’ny tany amin’ny alalan’izy ireo. “Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy: ‘Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tànanao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, ho fanazavana ny jentilisa, hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana.’” - Isa. 42:5–7.

Tamin’ny alalan’ny Isiraely, na amin’ny alalan’i Mesia izay hipoitra avy amin’ny Isiraely, raha ny marina kokoa, no hanatraran’Andriamanitra ny firenena rehetra. Amin’ity herinandro ity isika dia hianatra misimisy kokoa ny amin’ny fanatraran’ny Tompo ny olona rehetra mila famonjena.

Pejy ambony

ALAHADY: MAMAHANA NY NOANA (Mat. 14:1–21)


Fiambenana maraina
: Zava-dehibe ny fifikirana - Mat. 10:22


Ny iray amin’ireo asa nataon’i Jesôsy fantatry ny besinimaro indrindra dia ny namahanany ireo olona dimy arivo lahy, “afa-tsy ny zaza amim-behivavy” - Mat. 14:21. Tahaka izay voasoratra rehetra ao amin’ny TV anefa, io tantara io ihany koa dia tsy mitranga ho azy amin’izao fotsiny, fa misy tontolon-kevitra manampy antsika hahatakatra lalindalina kokoa ny hevitry ny zavatra nataon’i Jesôsy.

Vakio ny Mat. 14:1–21. Inona no nitranga taloha kelin’io famahanana olona mahagaga io, ary inona no anjara asan’io trangan-javatra io teo amin’ny zavatra taorian’izany?

Mipetraha eo amin’ny toeran’ny mpianatra tamin’izany fotoana izany ianao. I Jaona mpanao batisa, izay hita miharihary fa lehilahin’Andriamanitra, dia vao avy notapahin-doha. Fantatr’izy ireo izany satria izy ireo no nilaza izany tamin’i Jesôsy. Na dia tsy milaza na inona na inona momba izany aza ireo andininy ireo, dia azo antoka fa nanakivy ireo mpianatra fatratra izany. Tsy isalasalana fa nisedra ny finoan’izy ireo izany. Taorian’ny zavatra nataon’i Jesôsy nanaraka an’io anefa, dia tsy maintsy ho nihanatanjaka ny finoan’izy ireo, indrindra taorian’ny fahadisoam-panantenana tahaka izany.

Misy heviny lalindalina kokoa anefa io tantara io. Marina fa natao hampitombo ny finoan’ny mpianatra izy io, fa ny famahanan’i Jesôsy ny vahoaka jiosy anefa dia natao ihany koa mba hampahatsiahy ny tsirairay ny amin’ny mana izay nomen’Andriamanitra ny Isiraelita fony izy ireo nirenireny tany an’efitra. “Niely tao anatin’ny Jodaisma ny lovan-tsofina fa ho tonga mandritra ny Paska ny Mesia, ka hanomboka hilatsaka miaraka amin’izany fiaviany izany indray ny mana. (...) Koa rehefa namahana ireo dimy arivo lahy i Jesôsy taloha kelin’ny Paska, dia tsy tokony ho nahagaga raha nanomboka nisaintsaina ny vahoaka raha toa ka Izy no Mesia, raha toa ka hanao fahagagana lehibe kokoa Izy – dia ny hamahana ny rehetra amin’ny fotoana rehetra amin’ny alalan’ny famerenana indray ny mana” — ALBA, tt. 139, 140.

Izay mihitsy no karazana Mesia tian’ny vahoaka: Mesia izay hanome fahafaham-po ny filàna ara-nofon’izy ireo. Tamin’io fotoana io dia vonona hametraka an’i Jesôsy ho mpanjaka ny vahoaka. Tsy tonga mba hanjaka anefa i Jesôsy, ka handiso fanantenana azy ireo tokoa izany fandavany izany. Nanana ny zavatra nandrandrainy izy ireo, ka rehefa tsy tanteraka izany, dia maro no niala tamin’i Jesôsy. Tsy takatr’izy ireo tokoa mantsy fa tonga Izy mba hanao zavatra lehibe lavitra noho ny zavatra voafetra sy eto an-tany ihany izay antenain’izy ireo.

Amin’ny fomba ahoana no mety haha-voafetra loatra ny fiandrandranao izay zavatra antenainao avy amin’Andriamanitra?

Pejy ambony 

ALATSINAINY: ANDRIAMANITRY NY VOARY REHETRA (Mat. 14:22–33)


Fiambenana maraina
: Ny loharanon’ny fanamasinana – Jao. 17:19.

 

Taorian’ilay famahanana mahagaga, dia nibaiko ny mpianatra hiondrana ao an-tsambokeliny i Jesôsy (Mat. 14:22). Tiany hanalavitra ny savorovoro sy ny faneriteren’ny vahoaka izy ireo. Ny mpampianatra tsara dia hiaro ny mpianany amin’ny zavatra tsy mbola hainy atrehina. Izao no nosoratan’i Ellen G. White: “Niantso ny mpianany Jesosy, ka nibaiko azy hiditra ao an-tsambo ary hiverina avy hatrany any Kapernaomy, fa Izy kosa no mampirava ny vahoaka. (...) Notoheriny ny fandaminana; nefa tamim-pahefana tsy mbola fahita no nibaikoan’i Jesosy azy hiampita. Fantatr’izy ireo fa tsy hisy vokany ny fanoherana ny teniny, ka nandeha ho any an-dranomasina tamim-pahanginana izy.” - IFM, t. 396.

Vakio ny Mat. 14:23–33. Inona no asehon’ireo andininy ireo mahakasika ny hoe: iza moa i Jesôsy ary ahoana ny toetry ny famonjena?

Nisy fotoana nanaitra rehefa nifanontany ireo mpianatra feno tahotra hoe iza io mandeha ambonin’ny rano, mizotra mivantana hankeny amin’izy ireo io. Hoy i Jesôsy tamin’izy ireo: “‘Izaho ihany, aza matahotra’” - and. 27. Ny teny hoe: “‘Izaho ihany’” dia fomba iray hafa andikana ny teny grika hoe «ego eimi», izay midika hoe: “Izaho Izay Izy.” Io no anaran’Andriamanitra (Jereo koa ny Eks. 3:14.)

Matetika ny Soratra Masina no maneho ny Tompo mifehy ny voary rehetra. Ny Sal. 104, ohatra, dia maneho mazava fa tsy hoe Mpamorona fotsiny ihany Andriamanitra, fa Mpihazona ny aina ihany koa. Amin’ny alalan’ny heriny no mbola hahaveloman’izao tontolo izao sy mbola hiasan’ireo lalàn’ny natiora. Eto dia tsy misy mihitsy zavatra manondro ny andriamanitry ny “déisme”, izay mamorona izay tontolo izao ary avy eo mamela azy ho irery. Na Jiosy na Jentilisa, ny hery mihazon’ilay Andriamanitra izay nampitony ny ranomasina ihany no fototry ny fisiantsika rehetra tsy an-kiato (Jereo ihany koa ny Heb. 1:3.)

Ny hiakan’i Petera nanao hoe: “‘Tompo ô, vonjeo aho!’” (Mat. 14:30) no tokony ho fitalahoana ataontsika, satria raha tsy i Jesôsy Tompo no mamonjy antsika, dia ho iza indray? Ny tsy fananan’i Petera hery teo amin’io toe-javatra io dia maneho ny tsy fananantsika hery ihany koa manoloana ny zavatra atorak’ity tontolo lavo ity any amintsika.

 

Eritrereto hoe hatraiza ny tsy fanananao hery – eo ambany vahohon’ny hery lehibe lavitra noho ianao sy tsy azonao fehezina. Ahoana no tokony hanampian’io zava-misy io anao hanatanjaka ny fiankinanao amin’i Jesôsy?

Pejy ambony

 

TALATA: NY FON’NY MPIHATSARAVELATSIHY (Mat. 15:1–20)


Fiambenana maraina
: Voaisy tombokase ny anarany - Apôk. 7:3; 14:1.


“Ary hoy ny Tompo: ‘Satria manatona Ahy amin'ny vavany itỳ firenena itỳ ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany’”
- Isa. 29:13. Na dia niteny tamin’ny Isiraely fahiny aza ny Tompo teto, dia inona no hafatra ho an’ny fiangonana ankehitriny? Inona ireo olana roa fototra izay ampitandreman’ny Tompo azy ireo? Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy manao zavatra tahaka izany koa isika?

Taonjato maro taorian’ny nanoratan’i Isaià ireo teny ireo, dia naverin’i Jesôsy izany raha nifanandrina tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana Izy.

Vakio ny Mat. 15:1–20. Inona no olana manokana eto, ary ahoana no niatrehan’i Jesôsy izany?

Tamin’ny fotoana iray taorian’ny niverenan’i Jesôsy avy tany Kapernaomy, dia niady hevitra tamin’ireo mpampianatra jiosy Izy momba ny mampahaloto ny olona iray. Nampian’ireo mpampianatra izao karazana fitsipika rehetra izao momba ny fahalotoan’ny vatana ny lalàna. Ohatra, tsy maintsy manasa ny tananao amin’ny fomba iray izay efa voafaritra tsara ianao. Tsy niraharaha ireo fitsipika ireo anefa ny mpianatr’i Jesôsy. Koa rehefa nanao fanamarihana momba izany ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo avy any Jerosalema, dia novalian’i Jesôsy araka izay nataony izy ireo.

Raha fintinina dia nomelohin’i Jesôsy mafy izay mahavoafandrika mora foana ny olona iray: ny fihatsarambelatsihy. Iza, tamin’ny fotoana iray,  no tsy mbola meloka noho ity: manameloka olona iray noho ny fihetsika iray (na tamin’ny fitenenana mivantana azy io na tao am-pontsika) na dia efa nanao na eo am-panaovana ny fihetsika tahaka izany, na ny ratsy kokoa noho izany, aza isika? Isika rehetra, raha tsy mitandrina, dia manana fironana hijery ny fahadisoan’ny hafa kanefa manajamba ny masontsika manoloana ny antsika manokana. Koa tonga ho azy amintsika rehetra ny fihatsarambelatsihy.

Samy mankahala ny fihatsarambelatsihy eo amin’ny hafa avokoa isika rehetra. Tena mora mandrakariva ihany koa ny mahita ny fihatsarambelatsihy eo amin’ny hafa. Ahoana no ahazoantsika antoka fa ny fahakingantsika hijery ny fihatsarambelatsihy eo amin’ny hafa dia tsy fisehoan’izany eo amintsika?

Pejy ambony 

ALAROBIA: SOMBITSOMBINY AVY AMIN’NY LATABATRA (Mat. 15:21–28)


Fiambenana maraina
: Ny famantarana ny fanamasinana - Eks. 31:13


Rehefa avy namahana sy nanasitrana ary nitory teny tamin’ny vahoakany i Jesôsy, dia nandray fanapahan-kevitra nampitolagaga. Nialany ny faritry ny Jiosy ka niditra tany amin’ny faritanin’ny hafa firenena Izy, dia ny Jentilisa izany.

Vakio ny Mat. 15:21–28. Ahoana no tokony ho fahazoantsika io tantara io?

Amin’ny lafiny maro dia tsy mora ny mamaky io tantara io, satria tsy afaka “mandre” ny feo sy “mahita” ny endrika eny amin’ny tavan’ny olona ao amin’ny tantara isika. Tamin’ny voalohany dia toa tsy niraharaha ity vehivavy ity i Jesôsy. Saingy rehefa niresaka taminy Izy nony avy eo dia toa henjana sy nivantambantana ny teniny: “‘Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.’” - and. 26.

Ahoana raha manandrana io fomba firesaka sy fanatonana olona io ianao? Misy olona manontany anao raha azonao anomezana azy ny ovy nendasina haninao, dia hoy ianao mamaly: “Tsy mety raha atsipy ho an’ny amboakely ny ovy nendasiko.” Tsy dia fomba mety hahazoana namana izany, sa ahoana?

Misy zavatra vitsivitsy tsara hodinihina anefa ireto.

Voalohany, marina fa noraisin’ny Jiosy ho toy ny alika ny Jentilisa tamin’izany fotoana izany. Mitarika ny fisainantsika ho amin’ireo alika ratsy tarehy mirenireny eny an’arabe izany. I Jesôsy anefa eto dia mampiasa ilay fomba fiteny grika maneho fitiavana kokoa, dia ny “amboakely” (na “alikakely”), izay mampahatsiahy ireo alika ompiana ao an-trano sy fahanana amin’ny sakafo avy eo an-databatra.

Faharoa, ity vehivavy kananita ity dia miantso an’i Jesôsy hoe: “Zanak’i Davida.” Maneho izany fa fantany ny maha-Jiosy an’i Jesôsy. Tahaka ny mpampianatra tsara, dia niresaka taminy i Jesôsy ary angamba nitsapa azy. Izao no nosoratan’i Craig Keener: “Angamba nanampy azy hahatakatra ny tena iraka nampanaovina Azy sy ny maha-Izy Azy i Jesôsy, ndrao Izy horaisiny tahaka ny iray amin’ireo mpanao majika mpirenireny maro izay antsoin’ny Jentilisa mba handroaka demonia. Azo antoka tokoa anefa fa nataon’i Jesôsy izay hahafantarany ny lanjan’ny drafi-pamonjen’Andriamanitra. Hanampy azy hiaiky fa tena mila an’Andriamanitra io fahafantarana io (...) Azo ampitovina amin’ny fitakian’i Elisa ny hisitrihan’i Namàna ao Jôrdana izy io, na dia teo aza ny fitiavan’i Namana kokoa ireo renirano Arameanina Abana sy Farpara.(...) Nitarika ho amin’ny fahafantaran’i Namana ny Andriamanitry ny Isiraely sy ny tanin’ny Isiraely izany (2 Mpanj. 5:17–18).” — GMSRC, t. 417.           

Farany, ampoizina fa ity vehivavy ity dia vehivavy grika ambony, anisan’ireo sarangan’olona izay “matetika no naka ny mofon’ireo Jiosy mahantra nipetraka tany amin’ny faritr’i Tiro. (...) Ankehitriny kosa (...) dia atsimbadik’i Jesôsy ny fomba fisainany mikasika izay tompon’ny fahefana eo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa, satria ny “mofo” izay atolotr’i Jesôsy dia an’ny Isiraely aloha (...); noho izany ity “Grika” ity dia tsy maintsy mitalaho ny fanampian’ny Jiosy mpandehandeha iray.” — GMSRC, t. 417.

Andininy tsy mora takarina ireo, saingy mila matoky an’i Jesôsy isika. Tamin’ny alalan’ny fifampiresahany tamin’io vehivavy io dia nomen’i Jesôsy voninahitra izy – tahaka izay nataony tamin’ilay vehivavy teo am-pantsakana. Nandao an’i Jesôsy ilay vehivavy kananita niaraka tamin’ny teny fikasana fa ho sitrana ny zanany vavy sy ny finoany miredareda ny Zanak’i Davida.

Pejy ambony 

ALAKAMISY: ANDRIAMANITRY NY JENTILISA (Mat. 15:29–39)


Fiambenana maraina
: Marina sady afaka - 1 Kôr. 1:30.

 

Vakio ny Mat. 15:29–39 ary ampitahao amin’ny Mat. 14:13–21. Inona no fitoviana sy fahasamihafana eo amin’ireo tantara roa ireo?

Olona maro no tsy mahafantatra fa namahana vahoaka indroa miatoana i Jesôsy ao amin’ireo Filazantsara: ny voalohany dia ho an’ny Jiosy, ary ny faharoa ho an’ny Jentilisa. Ao amin’ireo ohatra roa ireo, dia “onena” ny vahoaka i Jesôsy.

Mahafinaritra izany! Alaivo sary an-tsaina izany hoe Jentilisa an’arivony maro, mivoaka mba hampianarin’ity Raby tanora ity, sy hotiaviny ary hofahanany. Ankehitriny, raha manao jery todika isika ka mahatakatra fa manerana izao tontolo izao ny filazantsara (na izany na tsy izany ny ankamaroan’ny olona mamaky ny Baiboly amin’izao fotoana izao dia tsy Jiosy), dia mora amintsika foana ny manadino hoe tsy nampino sy tsy nampoizina nanao ahoana ny zavatra tahaka izany ho an’ny vahoaka, ho an’ny Jiosy sy ho an’ny Jentilisa ihany koa. Tsy isalasalana fa nanala ny rehetra teo amin’ny toerana mampahazo aina azy i Jesôsy.

Kanefa io mandrakariva no drafitr’Andriamanitra, hitaona ny olona rehetra eto an-tany hanatona Azy. Manohana io fahamarinana io ny andininy iray manaitra ao amin’ny Baiboly hebreo:  “‘Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va hianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? Hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, ary ny Syriana avy tany Kira?’” – Amô. 9:7.

Inona no ambaran’Andriamanitra eto? Moa ve tsy hoe liana amin’ny olona rehetra Izy fa tsy amin’ny raharahan’ny Isiraely fotsiny ihany? Liana ny amin’ny Filistinina ve Izy? Eny, eny tokoa. Ny famakiana amim-pahamalinana ny TT dia maneho io fahamarinana io hatrany hatrany. Tena very sy hadino ary nanjavozavo anefa izany tao anatin’ireo taonjato maro nifandimby ka maro tamin’ireo mpino voalohany tamin’ny fotoana niorenan’ny fiangonan’ny TV no tsy maintsy nianatra io fahamarinana ara-Baiboly fototra io.

Vakio ny Rôm. 4:1–12. Amin’ny fomba ahoana no hilazana sy hampianarana ny filazantsara sy ny maha-manerana izao tontolo izao ny filazantsara ao amin’ireo andininy ireo?

Pejy ambony
 

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY


Fiambenana maraina
: Ao amin’i Kristy sy ao amin’ny Fanahy - 1 Kôr. 6:11.


Filentehan’ny masoandro: 5.24


Nisy Kristianina iray niresaka momba ny fisian’Andriamanitra tamin’ny mpianatra tao amin’ny oniversite tsy kristianina. Rehefa avy nampiasa ireo tsangan-kevitra mahazatra rehetra izy, dia nampiasa paik’ady hafa. Hoy izy: “Fantatrareo moa, raha teo ho eo amin’ny taonan’ny ankamaroanareo aho dia tsy nino an’Andriamanitra. Matetika rehefa misy zavatra mandresy lahatra ahy fa angamba misy ihany Andriamanitra, dia esoriko hiala amin’ny eritreritra foana izany hevitra izany. Fa nahoana? Satria nisy zavatra niteny tamiko fa raha tena misy tokoa Andriamanitra, dia hanana olana goavana aho noho ny fomba fiainako.” Niova haingana teo ny rivo-piainana tao amin’ilay efitra. Am-polony maro ny eritreritra nifamahofaho tao an-tsain’ny maro. Toy ny hoe niakatra izany ny maripana tao amin’ny efitrano noho ireto endrika maro hita ho tsy nahazo aina tampoka teo. Tena nahadona hozatra iray mihitsy ilay Kristianina. Ireto mpianatra ireto, izay tsy Kristianina, dia ampoizina noho izany fa tsy miraharaha ny amin’ny Didy Folo, saingy mbola nahatsapa ihany fa misy tsy mety eo amin’ny fiainany sy ny fitondran-tenany, ary raha misy Andriamanitra dia hanan-javatra maro tsy maintsy hampamoahana azy izy ireo. Amin’ny maha-kristianina antsika anefa, vahoaka tokony ho tena zatra amin’ireo fitsipi-pitondran-tena apetrak’Andriamanitra, dia tsy tokony hahatsiaro ho tsy mahazo aina isika rehefa miatrika ny fisian’Andriamanitra, noho ny teny fikasan’ny filazantsara izany. Na Jiosy na Jentilisa, rehefa miatrika ny maha-mpanota antsika isika, dia afaka mialoka amin’ny fahamarinan’i Kristy izay atolotra antsika amin’ny alalan’ny finoana “fa tsy ny asan'ny lalàna” (Rôm. 3:28). Rehefa tena mahatsapa ny fahotantsika isika, dia afaka mitaky ny teny fikasana fa “tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy” - Rôm. 8:1. Na Jiosy na Jentilisa – tsy mampaninona izany. “Antsoina ny rehetra hanatona Azy ka ho velona; tsy misy fanavakavahana noho ny taona, na ny ambaratongam-boninahitra, na ny fiaviana ara-pirenena.” — IFM, t. 403.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Vakio ny Mat. 16:1–12. Araka ny hevitrao, inona no tian’i Jesôsy hambara rehefa nilaza Izy hoe: “‘Mitandrema hianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo’” - and. 6. Tamin’ny voalohany dia nihevitra ny mpianatra fa masirasira ara-bakiteny no tian’i Jesôsy hambara. Mandritra ny Paska dia nitandrina tsara ny Jiosy mba hanala ny masirasira; koa nihevitra izy ireo fa namepetra azy i Jesôsy mba tsy hividy mofo misy masirasira. Zavatra tena lalina kokoa anefa no tao an-tsain’i Jesôsy. Inona izany?
  • Ny fitiavan’i Kristy ny olona rehetra no hafatra tokony hiely voalohany indrindra avy amin’ny Kristianisma. Mpanota samy mitolona amin’ny fahotana ihany mantsy isika rehetra. Tsy misy manana fanantenana ankoatran’i Kristy na ny iray amintsika aza. Mampalahelo anefa fa ny hafatra ampitaintsika indraindray dia mety ho hafatra mifono fitsarana, avonavona ary fanambonian-tena. Eo ambany fitarihan’i Jesôsy, ahoana no hahafahantsika, amin’ny maha-fiangonana antsika, haneho misimisy kokoa ny fiantrantsika sy fitiavantsika ny olona rehetra?

Pejy ambony