LESONA 7

06 - 12 AOGOSITRA

NANIRY IZAY NAHASOA AZY IREO JESOSY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Miaramila marin’i Kristy - Jak. 1:22.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.36

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôna 3:4--4:6; Lio. 19:38–42; Mat. 5:43–47; 1 Kôr. 13; Mar. 8:22–25; Fil. 2:3–5; Jak. 2:14–17.

 

Tsianjery: “‘Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety hianareo!’” - Mat. 23:37.

 

Ny sabata maraina, nandritra ny Sekoly Sabata sy ny fanompoam-pivavahana, dia nisy mpilalao kapa misy kodiarana (“skateboard”) hita matetika, nisosasosa teo anoloan’ny varavarana lehiben’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito iray.

Nahoana? Satria mivory ao anatin’ny ivon-toeram-panjakana ho an’ny tanora eo akaikin’ny kianja filalaovana kapa misy kodiarana mihitsy io fiangonana io. Ary raha nieritreritra ianao fa nanelingelina ireo mpilalao ireo, dia mieritrereta indray!

Tao anatin’ny ezaka ho fampitsaharana ny fiakaran’ny tahan’ny heloka bevava ataon’ny tanora tokoa mantsy no nananganan’ny fanjakana tao amin’io tanàna io ilay kianja filalaovana mba hanomezana toerana ho an’ny tanora hahafahany mirotsaka ao anatin’ny fanatanjahan-tena mahasalama. Nitady vondrom-piangonana hanatanteraka ny fanompoam-pivavahany ao amin’ilay ivon-toerana ho an’ny tanora ny fanjakana rehefa vita ilay ivon-toerana ho an’ny tanora sy ny kianja filalaovana. Tsapan’ireo mpitarika eo anivon’ny fiarahamonina fa hanana akony tsara ara-pitondran-tena eo amin’ny tanora izay mampiasa ilay kianja filalaovana ny fiangonana. Nanasa  fiangonana maro avy amin’ny antokom-pivavahana samihafa ireo mpitarika eo anivon’ny fiarahamonina mba handray anjara, saingy iray ihany no nanaiky, dia ny fiangonana izay nanatanteraka Sekoly Sabata sy fanompoam-pivavahana isaky ny Sabotsy maraina.

 Nientanentana aoka izany ireo mambran’ny Fiangonana Advantista fa hifindra ao amin’ilay ivon-toerana, satria anisan’ireo tarika tian’izy ireo hotratrarina ireo mpilalao kapa misy kodiarana ireo.

Tahaka izao no famaritan’io fiangonana io ny atao hoe “fiangonana”: mpiara-mivavaka tsy manompo ny tenany fotsiny ihany. Io fenitra io koa no tokony ho tanjon’ny fiangonantsika rehetra.

 

 Pejy ambony
 

ALAHADY

 

Fiambenana maraina: Vokatry ny Fanahy - Gal. 5:22,23.

    

I JONA TANY NINEVE (Jôna 3:4--4:6)

    

Vakio ny Jôna 3:4--4:6. Inona no olana goavana eo amin’ny fihetsika nananan’io mpaminany io?

    

Voalaza ao amin’ny Jôna 4 fa nipetraka teo atsinanan’ilay tanàna lehibe, Ninive, i Jôna. Nampitainy ny hafatra mahakasika ny loza mananontanona izay nankinin’Andriamanitra taminy. Nodinihiny ny diany, ny tsy fahazotoany nankao Ninive, ary ny ezaka nataony mba handosirana an’Andriamanitra. Tsaroan’i Jôna koa ny fomba namerenan’Andriamanitra azy teo amin’ny lala-marina indray mba hamita ny iraka nampanaovina azy. Tsaroany ny fanandramany nandritra ny telo andro tao anatin’ilay hazandrano sy ny dia lavitra nataony tao anatin’ny rano. Ary ho amin’inona? Mba hiverenan’Andriamanitra amin’ny heviny ka hanehoana ny fahasoavany amin’ireto olona tena ratsy ireto ve? Nibebaka ny vahoaka, saingy nahatsiaro tena ho nivadihana i Jôna. Nahatsiaro tena ho afa-baraka sy nohararaotina izy. Nanantena i Jôna fa hiseho amin’ny alalan’ny fandringanana io tanàna mpanompo sampy (Ninive) misy mponina 120 000 io ny fitiavan’Andriamanitra kokoa ny Isiraely koa ary rariny ny azy raha nankahala ny Ninivita izy.

 

Vakio ny Lio. 19:38–42. Inona no mitranga eto? Ary manao ahoana ny fihetsik’i Jesôsy manoloana ny tanànan’i Jerosalema?

 

     Valonjato taona taorian’i Jôna, dia nitaingina ampondra teo an-tampon’ny tendrombohitra iray ahatazanana an’i Jerosalema i Jesôsy. Re ny hiram-piderana ho an’ilay “Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.” Re koa ny akoakom-panantenana, manao hoe: “‘Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin'ny avo indrindra!’”- Lio. 19:38. Teo anivon’io fidiram-pandresena io, raha nanakaiky ny tanàna i Jesôsy, dia nijanona Izy ka nitomany, nilaza hoe: “‘Raha mba nahafantatra mantsy hianao na dia amin'itỳ andro itỳ aza izay momba ny fiadanana!’” - Lio. 19:42.

     Mariho ny fahasamihafana goavana. Nankatò tsy fidiny ny baikon’Andriamanitra i Jôna. Tsy niraharaha izay mahasoa ny mponin’i Ninive izy. I Jesôsy kosa nanakaiky an’i Jerosalema niaraka amin’ny enta-mavesatra iray tao am-pony: ny mba handraisan’ny mponina ao aminy ny famonjena izay atolony, ary amin’ny sarany tena ambony dia ambony tokoa.

     Tanàna roa: i Ninive sy i Jerosalema. Mpitondra hafatra roa: i Jôna sy i Jesôsy. Hita miharihary ny fahasamihafana. I Jesôsy no ohatra tonga lafatry ny fihetsika tsy misy fitiavan-tena sy feno fiheverana maniry izay mahasoa ny olona. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, enga anie isika haneho io fihetsika nasehon’i Jesôsy manoloana ny very io.

    

Ahoana no mety hidiran’ny fitiavan-tena eo amin’ny fihetsiky ny olona iray, izay mahatonga azy tsy hiraika amin’ny famonjena ny hafa?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Fiambenana maraina: Lalana azo antoka - Jer. 7:23.

    

ILAY FOTO-KEVITRA “NA DIA IZANY AZA” (2 Kôr. 12:14,15)

 

     Nanatona an’i Jesôsy ny boka iray ka niangavy Azy mba hanasitrana azy. Nilaza ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Jesôsy fa tokony hampanalavirina ny vahoaka io lehilahy io. Na dia izany aza, nikasika Azy ary nanasitrana azy i Jesôsy, ilay Iray izay madio, (Mat. 8:1–4). Nandà tsy hahafantatra an’i Jesôsy intelo i Petera nandritra ny fitsarana Azy (Jao. 18). Na dia izany aza, taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty, dia nikatsaka ny fon’i Petera i Jesôsy ka nampiasa azy teo amin’ny asa fanompoana (Jao. 21). Tsy nankasitraka ny fahefan’i Paoly sy ny hery miasa mangina avy aminy ny fiangonan’Andriamanitra ny tany Kôrinto. Na dia izany aza, nanompo azy ireo i Paoly, (2 Kôr. 12:14,15).

     Zava-dehibe io foto-kevitra “na dia izany aza” io ho fanehoana ny toetr’ilay Iray izay maniry ny mahasoa azy ireo.

An-tapitrisany sy an-tapitrisany ny fanahy efa ho very, voafatotry ny gadran’ny tsy fahalalana sy ny fahotana, no tsy mbola nandre akory ny amin’ny fitiavan’i Kristy azy na oviana na oviana. Raha nafampisoloana ny toerantsika sy ny azy, inona no tiantsika hataony ho antsika? Izany rehetra izany, araka izay azontsika atao, dia adidintsika lehibe indrindra ny manao izany ho azy ireo. Ny fitsipi-piainan’i Kristy, izay tsy maintsy hijoroan’ny tsirairay amintsika na hahalavo antsika amin’ny Fitsarana, dia ny hoe : ‘Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.’” — IFM, t. 689.

Io “lalàna volamena” io dia fototra iray manan-danja eo amin’ny asa fanompoana izay mihevitra voalohany indrindra ny mahasoa ireo izay tompointsika, fa tsy izay hahazoantsika tombontsoa.

 

Vakio ny Mat. 5:43–47; Lio. 6:27,35; 23:34. Inona no teboka manan-danja asehon’i Jesôsy antsika eto mahakasika ny fihetsitsika manoloana ny vondron’olona sasany?

 

     Miantso antsika i Jesôsy mba haneho fitiavana sy hamoram-panahy amin’ny olona, “na dia” mankahala antsika na mitsangana ho fahavalontsika aza izy ireo. Mariho koa fa ampifandraisin’i Jesôsy amin’ny toetran’Andriamanitra mihitsy ireo asa sy fihetsika ireo. “‘Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy. Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.’” - Lio. 6:35,36.

 

Ahoana no fahazoantsika ny hoe: “mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy” Andriamanitra? (Ahoana no amalian’izany ny fanontaniana tahaka ny hoe: “Nahoana no mahita fahombiazana ny ratsy fanahy matetika?”) Ahoana no anampian’ny Rôm. 2:4 antsika hahatakatra io fanontaniana io koa?


 Pejy ambony

TALATA

 

Fiambenana maraina: Fitsaharana ao aminy - Mat. 11:29.

 

Ny fitiavana dia tsy ho levona (1 Kôr. 13)

 

     Araka izay voalazan’i Jesôsy, dia ny mitia an’Andriamanitra sy ny mitia ny namana no didy roa lehibe indrindra (Lio. 10:27,28). Nasehony antsika koa hoe iza no namantsika (Lio. 10:29–37). Tsy isalasalana koa fa ny fiainan’i Jesôsy, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra madio, ary Izy rahateo moa dia fitiavana (1 Jao. 4:16). Koa tsy maintsy maneho fitiavana isika raha te haneho ny toetran’Andriamanitra sy ny maha-Izy Azy marina.

     Saintsaino amin’ny zorony hafa izany. Ny ohatra ratsy asehon’ny olona izay milaza ny tenany ho Kristianina no iray amin’ireo “fialan-tsiny” lehibe indrindra nampiasain’ny olona ho fandavana an’i Jesôsy sy ny Kristianisma.

 

Inona ireo ohatra hafa hitanao teo amin’ny tantara, na ankehitriny koa aza, ny amin’ny nanaovan’ny “Kristianina,” na fara faharatsiny ireo izay milaza ny tenany ho “Kristianina,” asa mahatsiravina, tamin’ny anaran’i Jesôsy mihitsy aza indraindray? Tsy mampitandrina mihitsy aza ve ny bokin’i Daniela (vakio ny Dan. 7:24,25 na ny Rôm. 2:24) fa hisy olona tahaka izany ao am-piangonana?

 

     Tsy mahagaga raha nisy olona maro nandritra ny tantara nifandimby, ary na dia ankehitriny koa aza, no nankahala ny Kristianisma iray manontolo. Koa mafy noho ny tamin’ny lasa rehetra ny didy ho fanehoana an’i Kristy amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fiainantsika manokana. Ary tsy misy afaka manatanteraka izany amin’ny fomba mahery vaika kokoa noho ny fanehoana eo amin’ny fiaintsika manokana ny karazam-pitiavana nasehon’i Jesôsy tamin’ny hafa.

 

Vakio ny 1 Kôr. 13. Ahoana no famaritan’i Paoly ny fitiavana? Inona no lazainy fa ataon’ny fitiavana? Inona no lazainy fa tsy ataon’ny fitiavana? Raha fintinina, ahoana no tokony anehoana ny fitiavana eo amin’ny fiainantsika, amin’ny maha-Kristianina antsika? Ary amin’ny fomba ahoana no mampifanentana ny fitiavana amin’ny tokony ho toetsika mba ho mpijoro ho vavolombelona amin’ny fiarahamonina misy antsika isika? Manan-danja kokoa noho izany, inona no fanovana ilainao tanterahina mba hanehoana io karazana fitiavana io?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Fiambenana maraina: Teny fahasoavana - Lio. 4:22.

 

Ilay fikasihana faharoa (Mar. 8:22-25)

 

Vakio ny Mar. 8:22–25. Inona no lesona ara-panahy azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nitranga fa tsy nahasitrana tanteraka ilay lehilahy jamba ny fikasihana voalohany nataon’i Jesôsy ho fanasitrana azy?

    

     Rehefa avy “nororany” ny mason’ilay lehilahy, dia nokasihin’i Jesôsy izy ka nanontaniany hoe: “‘Mahita zavatra va hianao?’” - Mar. 8:23. Nahoana i Jesôsy no “nandrora” teo amin’ny masony? Misy asasoratra fahiny mitantara ohatra mahakasika ny fampiasan’ny mpitsabo ny rora. Io fahagagana io dia tena mitovy amin’ny fanasitranana ilay lehilahy moana sy marenina tany Dekapôlisy, vao tsy ela talohan’izao (Vakio ny Mar. 7:31–37.) Tsy tahaka ireo fahagagam-panasitranana rehetra nataon’i Jesôsy izay voarakitra anefa ny fanasitranana ilay lehilahy jamba, fa notanterahina indroa miantoana.

 

Vakio indray ny Mar. 8:23,24. Ahoana no fahazoanao ny valintenin’ilay lehilahy tamin’ny fanontaniana hoe: “‘Mahita zavatra va hianao?’”

     “‘Mahita ny olona aho; fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.’” - Mar. 8:24. Izany hoe noho ny fahafahan’ny olona mihetsika irery ihany no nahaizany nanavaka azy ireo tamin’ny hazo. Eo amin’ny heviny ara-panahy, inona no mety ho hevitr’io trangan-javatra io eo amin’ny fiainantsika manokana? Mety tsy ho tafaverina amin’ny laoniny tanteraka isika aorian’ny anomezan’i Jesôsy fahitana ara-panahy antsika. Mety ho tahaka ny “hazo” na tahaka ny zavatra no fahitantsika ny olona. Mety hidika izany fa mbola tsy mahita azy ireny tahaka ny olona tena misy sy manana zavatra ilaina tena misy isika. Izy ireo dia zavatra sy isa izay tiantsika hikambana amin’ny fiangonana, angamba mba hahatonga ny isan’ny batisa vitantsika ho betsaka kokoa, na mba hahatsaratsara endrika antsika. Manoloana ny fihetsika izay mitady ny tombontsoan’ny tena manokana tahaka izany, dia olona maro no tsy hijanona ao anatin’ny fiangonana tahaka izany.

 

Vakio indray ny Mar. 8:25. Eto amin’ity tranga ity, nahoana no nanasitrana io lehilahy io tao anatin’ny dingana roa i Jesôsy?

 

     Asehon’ny tontolon-kevitr’io tantara io fa mialoha indrindra io fahagagam-panasitranana io, dia niatrika karazam-pahajambana hafa i Jesôsy: tsy takatry ny mpianany ny hevitry ny fanambaràn’i Jesôsy manao hoe: “‘Mitandrema hianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda.’” - Mar. 8:15. Nihevitra izy ireo fa noho ny tsy nananany mofo ampy ho an’ny dia an-tsambo hataon’izy ireo izany. Nantsoin’i Jesôsy hoe jamba izy ireo: “‘Mana-maso, fa tsy mahita va hianareo?’” - Mar. 8:18.

     Tsy ny olona ivelan’ny fiangonana ihany no mila ny fikasiham-panasitranan’i Jesôsy. Misy fahajambana ao anatin’ny fiangonana. Maro ny mambran’ny fiangonana no mahita ny olona ho tahaka ny antontan’isa sy zavatra, ka tsy hiraharaha na hahatsikaritra akory izy ireo fa misy zaza vao ao amin’i Kristy maro no mivoaka ny varavaran’ny fiangonana any ivelany. Mila ny fikasihan’i Jesôsy fanindroany ny mambran’ny fiangonana mba hahitany mazava tsara kokoa ny zava-drehetra sy hitiavany ny hafa tahaka izay nataon’i Jesôsy.


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

Fiambenana maraina: Tanteraka ao aminy - Kôl. 2:10.

 

Ilay fiangonana mifantoka amin’ny hafa (Fil. 2:3–5)

 

“Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa.” - Fil. 2:3–5. Amin’ny fomba ahoana no tokony hifehezan’ireo foto-kevitra aseho eto ireo ny fiainantsika? Ary inona no tokony ho fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisantsika, tsy amin’ny mambran’ny fiangonana irery ihany, fa amin’ny fiarahamonina misy antsika koa?

 

     Tsy nihevitra ny Tenany manokana i Jesôsy fony Izy teto an-tany. Faniriana izay mahasoa ny hafa sy fanompoana azy ireo no tanjony. Voafaoka tao anatin’ny ampahany betsaka tamin’ny asa fanompoany ny fiahiana ireo olona izay nampiato ny asany mba hangataka ny fanampiany. Ohatra, nangataka Azy mba hankany an-tranony haingana i Jairo, mba hanasitrana ny zanany vavy eo ambavahoan’ny fahafatesana. Teny an-dalana hankany dia najanon’ny vehivavy iray izay nitsi-dra nandritra ny 12 taona koa i Jesôsy (Vakio ny Mar. 5:21–43.)

     Fo sy tanan’i Kristy eto an-tany ny fiangonany. Tian’i Jesôsy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny olona. Ary hanao tahaka izany koa ny fiangonana iray izay tena fiangonany marina.

     Manana drafitr’asa sy tanjona ny fiangonana, ary tsara izany. Matetika ny fitiavana ny olona tsy misy fepetra no manampy antsika hanaisotra ireo drafitr’asa izay mahatonga antsika hanadino ny haneho ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny hafa. Ambony dia ambony ao amin’ny lisitry ny zavatra hatao ho an’ny fiangonana maro ny batisa. Mahafinaritra ny batisa. Manatanteraka ny Mat. 28:19 ny batisa. Inona anefa no tena antony manosika ny fiangonanao hanao batisa? Fitadiavana ny tombontsoan’ny tena manokana ve? Moa ve ho fanaovana izay hahatsaratsara endrika ny fiangonana ka hiderana ny mpitandrina ao aminy? Sa satria tena tian’ny fiangonana higoka ny fiainana be dia be hita amin’ny fanekena an’i Kristy ny olona eo amin’ny fiarahamonina misy anareo (Jao. 10:10)?

     Nisy fiangonana iray nitantana toerana fizaràna lasopy sy hani-masaka hafa tena nilaina tokoa teo amin’ny faritra iray mahantra sy simba tao amin’ny tanàna. Re fa nilaza toy izao ny mpitandrina: “Tsy maintsy hakatontsika io toerana io satria tsy misy batisa mivoaka avy amin’izany mihitsy.” Nisy mpiara-mivavaka indray vao avy nanorina tranom-piangonana iray vaovao. Tena nirehareha noho ny amin’izany mihitsy izy ireo. Nanoso-kevitra ny mpitandrina ny mba hanasana ny mpiaramonina hiditra ao am-piangonana mandritra ny fotoana tahaka ny Kilasin’ny Baiboly amin’ny Fialan-tsasatra na mandritra ny fizaham-pahasalamana, mba hanazarana ny olona amin’ny rivo-piainan’ny fiangonana. Niahiahy anefa ny fiangonana andrao haloto na ho rovitra ny karipetrany vaovao. Niahiahy koa izy ireo andrao hisy hanoratsoratra eny amin’ny rindrin’ny efitrano fandroana vaovao. Ampitahao amin’ilay fiangonana nivory teo akaikin’ny kianja filalaovana kapa misy kodiarana, notantaraina tamin’ny lesona Sabata hariva teo, ireo fiangonana roa ireo.

 

Avereno vakina ireo andininy natokana hovakina androany. Ahoana no tena anehoan’izany tsara ny fihetsikao manoloana ny hafa? Ahoana no ahafahantsika mianatra ny manandrana ny fahafatesana amin’ny “izaho,” izay ilaina tokoa mba hanehoana eo amin’ny fiainantsika ny fitiavan’i Kristy sy ny fiheverany ny hafa?


 Pejy ambony
 

ZOMA

 

Fiambenana maraina: Ny Tena tsara ho fantatra - 1 Kôr. 2:2.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.38

 

Fianarana Fanampiny: Vakio ny EGW, “Our Example,” tt. 17–28, ao amin’ny MH; “‘Diso zavatra iray loha ianao,’” tt. 553–558, ao amin’ny IFM; “A Social Life,” tt. 186–188, 190–192, 194–196, ao amin’ny MLF.

 

“Mba hanatrarana ny karazan’olona rehetra, dia tsy maintsy mihaona amin’izy ireo eny amin’izay misy azy isika, satria mahalana izy ireny no hanatona antsika amin’ny nahim-pony. Tsy avy eny amin’ny polipitra irery ihany no hikasihan’ny fahamarinan’Andriamanitra ny fon’ny lehilahy sy ny vehivavy. Namoha ny fahalianan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fifangaroana taminy i Kristy, tahaka ny olona iray izay naniry ny mahasoa azy ireo. Nitady azy ireo tany amin’ny asa fanaony andavanandro Izy ka naneho fahalianana tsy misy fihatsarambelatsihy tamin’ny raharahany andavanandro.” — MFL, t. 186. Marina tokoa fa olona maro amin’izao vaninandro izao no mahalana manatona antsika amin’ny nahim-pony, noho ny antony maro samy hafa. Tahaka ny nidinan’i Jesôsy sy nanatonany antsika teo amin’izay nisy antsika, dia mila manatona ny hafa tahaka izany koa isika. Tsy tokony ho sarotra loatra izany amin’ny lafiny iray. Misy olona tena maro eny rehetra eny izay mila zavatra tena maro. Ity tontolo ity dia toerana maratra sy potika, misy olona maratra sy potika, maniry fatratra ny hahita olona hihaino azy, hiresahany, olona izay mihevitra azy. Ary mazava loatra fa tokony ho afaka hanolotra ny ampahany amin’io fanampiana ilainy io isika, amin’ny maha-fiangonana antsika. Mila mitandrina isika mba tsy ho meloka ny amin’izay efa nampitandreman’i Jakôba: manana finoana, saingy tsy manana asa hanehoana izany. Mahaliana koa ny toe-javatra manodidina io fampitandremana io. Nilaza i Jakôba fa tsy mahakasika ny sakafo na ny fitafiana na ny fihetsiky ny tena manokana izany, fa mahakasika ny fanampiana ireo sahirana (Vakio ny Jak. 2:14–17). Afaka milaza ny tsirairay fa manana finoana izy. Ny fomba firotsahantsika amin’ny fanampiana ny “mpifanolo-bodirindrina” amintsika no tena fandrefesana marina io finoana io.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

  • Vakio ny Jak. 2:14–17. Ahoana no ahafahanao manampy ny fiangonanao mba hahazoana antoka fa tsy meloka ny amin’izay ampitandreman’i Jakôba izany?

 

  • Eritrereto ireo olona sasany ao amin’ny Baiboly izay naneho fanompoana tsy misy fitiavan-tena sy feno fiheverana ny hafa. Ohatra: “Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany.” – Asa. 9:36. Inona no ataon’ny fiangonanao mba hanampiana ny hafa ao “Jopa” môderina?

 

  • Mora ny manao zavatra tsara rehefa deraina sy ankalazaina ianao ka aseho ho toy ny ohatry ny “asa tsara.” Ahoana anefa ny amin’ny fanaovana zavatra ho an’ny hafa izay tsy misy mahafantatra, tsy misy mandre, ary tsy misy miraharaha akory aza (ankoatra ireo olona nampiana angamba)?

 

Nisy olona nanontany ny Kristianina iray hoe: “Inona no tanjonao eo amin’ny fiainanao?” Hoy izy namaly: “Ny hanome nefa tsy hangataka zavatra ho tambin’izany.” Ahoana no amintinan’io valinteny io tsara ny tokony ho fihetsitsika amin’ny maha-Kristianina antsika?


 Pejy ambony