LESONA 7

5 - 11 NOVAMBRA

FAMAIZANA, FAMALIANA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba 8:1–22; Jôba 11:1–20; Isa. 40:12–14; Gen. 6:5–8; 2 Pet. 3:5–7.

 

Tsianjery: Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha?” - Jôba 11:7.

 

Azo antoka fa mbola manahirana ny olombelona ny olana mahakasika ny fahorian’ny olombelona. Mahita olona “tsara” izay miaritra zava-tsarotra goavana isika, kanefa mizotra soa aman-tsara tsy voasazy eto amin’ity fiainana ity ny olon-dratsy. Taona vitsivitsy lasa izay dia nisy boky iray nivoaka, nitondra ny lohateny hoe: Why Do Bad Things Happen to Good People? (Nahoana no mitranga amin’ny olona tsara ny zava-dratsy?) Niezaka nitady valiny mahafa-po amin’izany olana izany io boky io, saingy tsy tontosany izany. Mpanoratra sy mpandalina maro nandritra ny arivo taona maro no nanoratra momba ny tolona nataony mba hahatakarana ny fijalian’ny olombelona. Toa tsy nahita ny valiny marina izy ireo.

Mazava loatra fa ny fijalian’ny olombelona no lohahevitry ny bokin’i Jôba. Ary tohizantsika ao anatin’izany ny fandalinantsika ny fanontaniana hoe: nahoana no mijaly eto amin’ity tontolo ity na dia ny olona “tsara” tahaka an’i Jôba aza? Ny fahasamihafana lehibe eo amin’ny bokin’i Jôba sy ireo boky hafa izay miresaka momba ny fahoriana anefa dia ny hoe: tsy miankina amin’ny fomba fijerin’ny olombelona ny fahoriana ny bokin’i Jôba (na dia mahita betsaka an’izany ao amin’io boky io aza isika). Koa ny fomba fijerin’Andriamanitra ny olana no hitantsika ao, satria Baiboly no resahina.

Amin’ity herinandro ity isika dia hamaky lahateny maro hafa avy amin’ireo lehilahy tonga teo amin’i Jôba tao anatin’ny fahoriany. Inona no azontsika hianarana avy amin’izany, indrindra indrindra avy tamin’ny hadisoany raha niezaka niatrika ny olana mahakasika ny fahoriana izy ireo?


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Fiampangana hafa (Jôba 8:1–22)

 

Efa ratsy ny fahazoana fananarana lavareny avy tamin’i Elifaza, saingy avy teo dia mbola nahazo fananarana lavareny avy tamin’i Bildada indray i Jôba. Nilaza zavatra mitovy amin’izay nolazain’i Elifaza ihany izy. Mampalahelo anefa fa mbola nasiaka kokoa tamin’i Jôba noho i Elifaza aza i Bildada. Alaivo sary an-tsary izany hoe mankany amin’ny olona iray izay namoy ny zanany, dia milaza amin’io olona io hoe: “Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.” - Jôba 8:4.

Maneso tokoa ny tenin’i Bildada satria mametraka mazava tsara ny toko voalohany amin’ny Jôba (Jôba 1:5) fa nanatitra fanatitra ho an-janany ho amin’io antony io mihitsy i Jôba, raha sanatria ka nanota izy ireo. Koa mahita fahasamihafana goavana isika eto, eo amin’ny fahatakarana ny fahasoavana (araka izay hita eo amin’ny fihetsik’i Jôba) sy ny teny fampidirana nataon’i Bildada, izay maneho fihetsika masiaka eo amin’ny fanarahana am-bokony ny lalàna. Ratsy kokoa noho izany aza anefa satria niteny tamin’io fomba io i Bildada ho fiezahany hiaro ny toetran’Andriamanitra.

 

Vakio ny Jôba 8:1–22. Inona no tsangan-kevitra navoitran’i Bildada, ary hatraiza ny fahamarinana lazainy eto? Izany hoe, raha hadinonao ny tontolon-kevitra mivantana fa mijery fotsiny ireo fihetseham-po aseho ianao, dia inona no hadisoana, raha misy izany, izay mety hitanao ao anatin’ireo teniny ireo?

    

Iza no afaka hahita hadisoana ao anatin’ireo zavatra maro nolazain’i Bildada ireo? “Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etý ambonin'ny tany” - Jôba 8:9. Mahery vaika, marina, ary tena ara-Baiboly izany (Jak. 4:14). Koa inona àry izany no diso tamin’ny fampitandremany? Na izany na tsy izany, tsy hisy olona hiady hevitra fa tena mitoky amin-javatra tsy matanjaka noho ny “tranon-kala” tokoa (Jôba 8:14) ny olona iray tsy manana an’Andriamanitra, fa mametraka ny fanantenany amin-javatra eto an-tany sy mandalo. Tsy hahita foto-kevitra ara-Baiboly matanjaka noho izany ianao.

Ny olana goavana indrindra angamba dia ny fanehoan’i Bildada lafiny iray fotsiny amin’ny toetran’Andriamanitra. Misy olona iray, ohatra, mifantoka fotsiny amin’ny lalàna sy ny fahamarinana ary ny fankatoavana, raha mifantoka amin’ny fahasoavana sy ny famelan-keloka ary ny fisoloana fotsiny kosa ny olona iray hafa. Mazàna no mitarika ho amin’ny sary diso momba an’Andriamanitra sy ny fahamarinana ny fanizingizinana ny lafiny iray amin’ireo. Mahita olana mitovy amin’izany isika eto.

 

Amin’ny maha-olombelona antsika dia tokony hokatsahintsika mandrakariva ny fifandanjana sahaza eo amin’ny lalàna sy ny fahasoavana, manoloana ny zavatra inoantsika sy eo amin’ny fihetsitsika manoloana ny hafa. Andeha anefa hatao hoe nanao hadisoana teo amin’ny lafiny iray na teo amin’ny lafiny iray hafa isika (na eo amin’ny lalàna io na eo amin’ny fahasoavana) teo amin’ny fihetsitsika manoloana ny fahadisoan’ny olona iray (ary amin’ny maha-olombelona antsika dia tena manao izany isika). Raha izay, dia lafiny inona no tsaratsara hizingizinina kokoa manoloana ny fahadisoan’ny hafa? Nahoana?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao (Jôba 11:1–20)

 

Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha? Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.” - Jôba 11:7–9; vakio koa ny Isa. 40:12–14. Inona no fahamarinana hita ao anatin’ireo andininy ireo? Ary nahoana no zava-dehibe mandrakariva ho antsika ny mahatsiaro izany?

 

Ireo teny eto ireo dia fanehoana mahafinaritra ny zava-misy fa mbola misy zavatra tena maro tsy fantatsika mahakasika an’Andriamanitra. Maneho ihany koa izy ireo fa mbola hamela antsika tsy hahafantatra afa-tsy bitika ihany ny ezaka rehetra ataontsika mba hamantarana Azy amin’ny herin’ny tenantsika. Iray amin’ireo filôzôfa malaza indrindra tamin’ny taonjato faharoapolo Itompokolahy Richard Rorty. Mahaliana tokoa fa niady hevitra izy fa tsy hahatakatra ny fiainana sy ny fahamarinana na oviana na oviana isika, ka tokony hafointsika ny ezaka ataontsika ho fanakarana izany. Nanoso-kevitra i Rorty fa tsy tokony hiezaka ny hahatakatra ny fiainana sy ny fahamarinana isika, fa tokony hiezaka fotsiny ny “hiaina” miaraka amin’ireo zava-miafiny. Mahatalanjona tokoa izany! Mifarana amin’io fibaboham-pandresena io ny fandalinana nataon’ny Tandrefana nandritra ny eninjato sy roa arivo taona. Koa raha tsy mahavita mampahafantatra antsika ny endriky ny tontolo izay iainantsika ny fikarohana nataontsika, dia iza, “amin’ny alalan’ny fikarohana”, no hahatakatra an’Andriamanitra Mpahary - ilay iray izay namorona izao fiainana izao? Ary lehibe lavitra noho ny fiainana sy ny zavatra rehetra noforoniny Andriamanitra. Amin’ny kapobeny dia tena nanohana fotsiny izay vao avy novakintsika tao amin’ny Baiboly i Rorty.

Avy amin’ny lahateny nataon’i Zofara anefa ireo teny ireo, na dia lalina tokoa aza. Izy no fahatelo amin’ireo naman’i Jôba, ary nampiasainy ireo teny ireo ho ampahany amin’ny tsangan-kevitra diso ho famelezana an’i Jôba.

 

Vakio ny Jôba 11:1–20. Inona no zavatra marina amin’izay lazain’i Zofara? Inona kosa anefa no diso amin’ny tsangan-keviny iray manontolo?

 

Tena sarotra ny mahatakatra hoe ahoana no ahafahan’ny olona manatona ny lehilahy iray mijaly tahaka izay nanjò an’i Jôba ka hilaza aminy hoe: “Sahaza ho anao izao zavatra mahazo anao izao. Tsia, raha ny marina, kely kokoa noho izay sahaza anao no azonao.” Ny tena mampalahelo kokoa aza dia ny fanaovan’i Zofara izany, tahaka izay nataon’i Elifaza sy i Bildada ihany, ho fiezahana hiaro ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny toetrany.

 

Tsy mitarika ho azy ho amin’ny fitarafantsika ny fahamarinana momba ny toetran’Andriamanitra ny fahafantarana fotsiny izany. Inona no mbola ilaintsika mba ahafahantsika mitaratra ny toetran’Andriamanitra?



 Pejy ambony

TALATA

 

Ny famalian’Andriamanitra noho ny fahadisoana (Gen. 6:5–8)

 

Tsy isalasalana fa nanana fahalalana momba an’Andriamanitra ireo naman’i Jôba anankitelo. Ary tao anatin’ny fahamatorana sy fahitsiana no niezahan’izy ireo ihany koa hiaro Azy. Mety ho diso ny eritreriny sy ny fihetseham-pony nanoloana ny zavatra nitranga tamin’i Jôba, saingy naneho fahamarinana manan-danja ihany koa ireo lehilahy ireo.

Ny ivon’ny tsangan-kevitr’izy ireo dia ny hoe: Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahamarinana ary ny fahotana dia mitarika ho amin’ny famaizana ho famalian’Andriamanitra ny ratsy ary mitondra fitahiana manokana ho an’ny hatsaram-panahy. Tsy fantatsika ny fotoana marina nahaveloman’ireo lehilahy ireo, saingy ekentsika fa nanoratra ny bokin’i Jôba i Mosesy fony izy tany Midiana. Koa heverintsika fa velona talohan’ny Eksôdôsy ireo lehilahy ireo, ary ampoizina ihany koa fa velona taorian’ny Safodrano izy ireo.

 

Vakio ny Gen. 6:5–8. Na dia tsy fantatsika aza ny zavatra fantatr’ireo lehilahy ireo (Elifaza, Bildada, ary Zofara) mahakasika ny Safodrano, dia inona no mety ho fiantraikan’ny tantaran’izany Safodrano izany teo amin’izay ninoany fa marina mahakasika an’Andriamanitra?

 

Hita miharihary fa ohatra iray maneho ny famalian’Andriamanitra ny fahotana ny tantaran’ny Safodrano. Mitondra famaizana mivantana amin’ireo izay mendrika izany amin’ny fomba manokana Andriamanitra, ao anatin’io tantara io. Kanefa, na dia eto aza dia aseho mandrakariva ny foto-kevitra momba ny fahasoavana, araka izay hita ao amin’ny Gen. 6:8. Nanoratra ihany koa i Ellen G. White fa “nitory tamin’ny olona ny fipaika [fipaikan’ny tantanana] tsirairay teo amin’ilay sambofiara.” — The Spirit of Prophecy, b. 1, t. 70. Na izany aza, amin’ny lafiny sasany, mahita ohatra iray ny amin’izay notorin’ireo lehilahy ireo tamin’i Jôba isika ao anatin’io tantara io.

 

Ahoana no fahitana an’io hevitra momba ny fitsarana ho famaliana io ao amin’ny Gen. 13:13; 18:20–32; 19:24,25?

 

Na nahafantatra na tsy nahafantatra zavatra betsaka mahakasika ireo trangan-javatra ireo i Elifaza sy i Bildada ary i Zofara, dia maneho ny fisian’ny fitsaran’Andriamanitra mivantana ny faharatsiana ireo trangan-javatra ireo. Tsy navelan’Andriamanitra amin’ny fahotany fotsiny amin’izao ny mpanota, ary tsy navelany hanimba azy ireo ihany koa ny fahotana. Tahaka ny tamin’ny Safodrano, Andriamanitra no tompon’andraikitra mivantana tamin’ny famaizana azy ireo. Niasa ho mpitsara sy ho mpandringana ny faharatsian-toetra sy ny faharatsiana Izy teto.

 

Irintsika fatratra (ary tokony ataontsika tokoa izany) ny hifantoka amin’ny toetran’Andriamanitra izay maneho fitiavana, fahasoavana, ary famelan-keloka. Nahoana anefa no tsy maintsy tsaroantsika ihany koa ny fisian’ny fahamarinana? Eritrereto ireo faharatsiana rehetra izay mbola miseho tsy mahazo famaizana. Inona no tokony ambaran’izany amintsika mahakasika ny ilàna ny famalian’Andriamanitra, na oviana na oviana ary na manao ahoana na manao ahoana no fitrangan’izany?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Raha hanao zavatra vaovao Jehovah (Nom. 16:28–30)

 

Misy ohatra maro maneho ny famaizan’Andriamanitra mivantana ny faharatsiana ao amin’ny Baiboly. Misy fitahiana maro noho ny fahatokiana ihany koa ao. Nosoratana elabe taorian’ny nahafatesan’ireo mpandray anjara rehetra ao amin’ny bokin’i Jôba ireo rehetra ireo.

 

Inona no teny fikasana lehibe izay omena noho ny fankatoavana, araka izay hita ao amin’ny Deo. 6:24,25?

 

Ny TT dia feno teny fikasana miampy teny fikasana momba ireo fitahiana sy valisoa izay homen’Andriamanitra mivantana ny olony raha toa ka mankatò Azy izy ireo. Koa mahita ohatra isika eto ny amin’izay nolazain’ireo lehilahy ireo tamin’i Jôba mahakasika ny fitahian’Andriamanitra ny fahatokian’ireo izay miezaka mankatò Azy sy ny didiny, sy miezaka miaina fiainana mahitsy sy araka an’Andriamanitra.

Mazava loatra fa ny TT ihany koa dia feno fampitandremana miampy fampitandremana momba ny famaizan’Andriamanitra mivantana ireo izay tsy mankatò. Nanao fanekena tamin’ny Isiraely teo Sinay Andriamanitra, ao amin’ny TT. Ao amin’ny ankamaroan’ny TT, indrindra taorian’io fanekena io, dia nampitandrina ny Isiraelita ny amin’izay hitranga Andriamanitra, raha toa ka tsy mankatò Azy izy ireo. “Fa raha tsy mihaino ny tenin'i Jehovah kosa hianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan'i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.” - 1 Sam. 12:15.

 

Vakio ny Nom. 16:1–33. Inona no ampianarin’io trangan-javatra io mahakasika ny fisian’ny famaizana ho famalian’Andriamanitra?

Naringana ireo mpikomy ary nahatsiravina tokoa ny famaizana azy ireo. Koa tsy mitombina ny finoana ny hevitra fa “mitondra ny famaizana ho an’ny tenany ihany ny fahotana.” Niatrika ny famaliana mivantana avy tamin’Andriamanitra noho ny fahotany sy ny fikomiany ireo olona ireo. Mahita fanehoana mahatalanjona ny herin’Andriamanitra isika eto amin’ity tranga ity. Toa niova hatramin’ireo lalàn’ny natiora mihitsy. “Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.” – Nom. 16:30.

Eto, ny matoanteny hoe “hanao” dia avy amin’ny fototeny mitovy amin’izay ampiasaina ilazana ny hoe “nahary” ao amin’ny Gen. 1:1. Tian’i Jehôvah ho fantatry ny tsirairay fa Izy mihitsy no nitondra faingana sy mivantana io famaizana io teo amin’ireo mpikomy ireo.



 Pejy ambony

ALAKAMISY

Ny fahafatesana faharoa (2 Pet. 3:5–7)

 

Azo antoka fa ny fanehoana lehibe indrindra sy mahery vaika indrindra ny fitsarana ho famalian’Andriamanitra dia amin’ny andro farany, rehefa haringana ny ratsy fanahy rehetra. “Fahafatesana faharoa” (Apôk. 20:14) no iantsoan’ny Baiboly izany. Tsy tokony afangaro amin’ny fahafatesana mpahazo ny olona rehetra nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ny andro farany anefa izy io. Io fahafatesana mpahazo ny olona rehetra io no ilay fahafatesana izay hamonjen’ilay Adama faharoa, dia i Jesôsy Kristy, ireo olo-marina, amin’ny andro farany (1 Kôr. 15:26). Mifanohitra amin’izay kosa, ny fahafatesana faharoa, tahaka ireo famaizana sasany hita nandritra ny andron’ny TT, dia famaizan’Andriamanitra mivantana ny mpanota izay tsy nibebaka sy tsy nandray ny famonjena ao amin’i Jesôsy.

 

Vakio ny 2 Pet. 3:5–7. Inona no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra amintsika mahakasika ny fiafaran’ireo very?

 

Hivava ny tany; holoarana avy ao hivoaka ireo fiadiana nafenina tany. Hisy lelafo mandevona hivoaka avy amin’ny lavaka mangotanatana rehetra. Na dia ny vatolampy aza hirehitra. ‘Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy’, ary ‘ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.’ Tahaka ny fonjam-by voaempo ny vohon’ny tany - farihy afo midadasika, misamboaravoara. Izao no andro ‘fitsarana sy fandringanana ny olona ratsy fanahy’. ‘Fa Jehovah manana andro famaliana dia taona famaliana hiadiana ho an’ i Ziona.’” — HM, t. 700.

Mety hitondra ny famaizana ho an’ny tenany ihany ny fahotana, saingy azo antoka fa misy fotoana izay tena amaizan’Andriamanitra mivantana ny fahotana sy ny mpanota, araka izay voalazan’ireo naman’i Jôba mihitsy. Marina fa nipoitra avy amin’ny fahotana ny fahoriana rehetra eto amin’izao tontolo izao. Tsy marina kosa anefa ny filazana fa famaizan’Andriamanitra noho ny fahotana ny fahoriana rehetra mitranga. Tsy izany velively no tranga nisy tamin’i Jôba, na koa amin’ny ankamaroan’ny tranga hafa. Ny marina dia tafiditra ao anatin’ny fifanandrinana lehibe isika rehetra, ary manana fahavalo iray izay mivezivezy mba hanimba antsika isika. Ny vaovao mahafaly anefa, eo anivon’izany rehetra izany, dia fantatsika fa eo anilantsika Andriamanitra. Na inona na inona no anton’ireo olana sy fahoriana atrehintsika, ary na inona na inona no ho vokatr’izany amin’izao ankehitriny izao, dia afaka matoky ny fitiavan’Andriamanitra isika. Lehibe dia lehibe io fitiavana io ka nitondra ny hazo fijaliana ho antsika i Jesôsy. Io fihetsiny io ihany no mampanantena fa hamarana ny fahoriana rehetra.

 

Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa famaizana mivantana avy amin’Andriamanitra ny fahorian’ny olona iray? Raha tsy azontsika antoka izany, dia ahoana no fomba tsara indrindra iatrehantsika ilay olona azom-pahoriana? Na iatrehantsika ny fahoriantsika manokana koa aza?


 Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: Zava-dehibe ny miezaka ny mipetraka eo amin’ny toeran’ireo mpandray anjara (i Jôba sy ireo namany) ao amin’ity tantara ity, araka ny voalaza tany aloha tany tamin’ity telovolana ity. Mety hanampy antsika hahatakatra ny antony nanosika sy ny fihetsik’izy ireo ny fanaovana izany. Tsy tsapan’izy ireo ary tsy hitany tahaka izay ahatsapantsika sy ahitantsika azy mantsy ny ady izay nitranga tao ambadiky ny sehatra, dia tany an-danitra izany. Raha mipetraka eo amin’ny toeran’izy ireo isika, dia tsy tokony ho sarotra loatra ho antsika ny mahita ny hadisoana nataon’i Elifaza sy i Bildada ary i Zofara nanoloana ny fahorian’i Jôba. Nanao fitsaratsarana izay tena tsy sahaza azy mihitsy izy ireo.


“Tena mandeha ho azy amin’ny olombelona ny fiheverana fa vokatry ny heloka bevava lehibe sy ny fahotana mahatsiravina ireo loza aman’antambo maro. Matetika anefa ny olona no manao fahadisoana eo amin’ny fanombanana ny toe-javatra tahaka izany. Tsy velona amin’ny fotoam-pitsarana famalian’Andriamanitra isika. Mifangaro ny tsara sy ny ratsy, ary misy trangan-javatra mahatsiravina milatsaka amin’ny rehetra. Matetika ny olona no mankany amin’ny faritra ivelan’ny fiarovan’Andriamanitra, ka mampiasa ny heriny amin’izy ireo i Satana, ary mety tsy hiditra an-tsehatra Andriamanitra. Nijaly mafy i Jôba, ka niezaka ireo namany mba hampiaiky azy fa vokatry ny fahotany ny fahoriany, ary niezaka ihany koa izy ireo ny hanao izay hahatsiarovany tena ho meloka. Nitsara an’i Jôba ho mpanota matevin-koditra ireo namany; saingy niteny mafy azy ireo ny Tompo noho ny fitsarany ilay mpanompony mahatoky.” – SDABC, b. 3, t. 1140.


Mila mitandrina isika eo amin’ny fomba fandraisantsika ny hevitra iray manontolo mahakasika ny fahoriana. Marina fa toa mora ny mahatakatra ny anton’izany amin’ny toe-javatra sasany. Ohatra: mifoka sigara ny olona iray ka voan’ny homamiadan’ny avokavoka. Mbola ho moramora kokoa noho izany ve? Ahoana kosa anefa ny amin’ireo izay mifoka sigara mandritra ny androm-piainany, nefa tsy voan’ny homamiadana mihitsy? Manafay ny iray fa tsy ilay iray hafa ve Andriamanitra? Raha fintinina, tahaka an’i Elifaza, sy i Bildada, ary i Zofara, tsy mahafantatra mandrakariva ny antony iavian’ny fahoriana tahaka izay ataony ihany koa isika. Amin’ny lafiny iray, tsy dia mampaninona loatra na fantatsika izany na tsia. Izay hataontsika ho setrin’ny fahoriana hitantsika no zava-dehibe. Teo no tena nahadiso ireo lehilahy telo ireo.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

1. Inona no ampianarin’ny famaizana ho famalian’Andriamanitra amintsika mahakasika ny tokony hatokiantsika ny fahamarinan’Andriamanitra fara tampony, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra ankehitriny?

2. Tsy takatr’ireo naman’i Jôba mihitsy ny zavatra rehetra nitranga tamin’i Jôba nandritra ny fahoriany. Amin’ny lafiny iray, tsy izany koa va no zava-misy amintsika rehetra? Tsy takatsika amin’ny fahafenoany ny anton’ny fahorian’ny olombelona. Koa ahoana àry no tokony hanampian’io fahatsapana io antsika hangoraka kokoa ireo izay azom-pahoriana? Araka ny voalaza etsy ambony, tena zava-dehibe manao ahoana koa moa na dia fantatsika aza ireo tena anton’ny fahorian’ny olona iray?

 Pejy ambony