LESONA 8


MPIRAY TAFIKA AO AMIN’NY TAFIK’I KRISTY


Sabata hariva - 13 Febroary

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 5:6–8,11; Mar. 3:14; Mat. 8:23–27; Mar. 4:35–41; Mar. 9:33–37; Mat. 20:20–28.

 

TSIANJERY: Dia niresaka hoe izy: ‘Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?’” - Lio. 24:32.

 

Hatramin’ireo andro voalohan’ny asa fanompoany dia tsy niasa irery i Jesôsy. Nifidy olombelona mba handray anjara amin’ny fitorian-teny sy ny fampianarana ary ny fanompoana Izy. Mifantoka amin’ny fiainany, sy ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin’ny maty ireo filazantsara efatra. Asehon’izy ireo ihany koa anefa fa niara-niasa akaiky tamin’ireo mpianany Izy, ireo izay akaiky Azy indrindra.

Koa raha nitranga nanodidina an’i Jesôsy ny fifanandrinana lehibe, dia azontsika atao ihany koa ny mahita izany manodidina an’ireo mpianany. Hatramin’ilay fiafarana mangidy, rehefa niteny i Jesôsy nanao hoe: “Vita” dia hitan’i Satana fa tsy ho vitany mihitsy ny hahatafintohina na ny handavo an’i Jesôsy. Saingy mora fandrihana kokoa ireo mpanara-dia an’i Kristy. Nanome tombontsoa ho an’i Satana mba hanararaotra ireo mpianatra ny kileman-toetran’izy ireo.

                Fireharehana, fisalasalana, di-doha, fizahozahoana, fitiavan-tena - nanokatra lalana ho an’i Satana ireo fahalemena ireo. Ny antsasaky ny olan’izy ireo dia ny tsy fihainoan’izy ireo izay nolazain’i Jesôsy fa hitranga, noho ny hevitr’izy ireo manokana.

Nanana lesona mafy maro hianarana izy ireo. Isika koa tahaka izany!

 

 

Alahady -14 Febroary

NY FIANTSOANA AN'I PETERA (Lio. 5:6–8)

 

                Mahagaga ihany raha nampiasa olombelona i Jesôsy mba hanampy Azy eo amin’ny asa fanompoana rehefa eritreretina ny maha-goavana ny olana eo amin’ny ady lehibe ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy. Tena marina tokoa izany rehefa mandinika ny fahadisoan’ireo izay nofidiny isika. Mazava loatra koa anefa fa, na izany na tsy izany, tsy hisy tonga lafatra velively ny olona izay hofidiny raha mandinika ny toetry ny olombelona lavo isika.

Namakivaky ny sisin-dranomasina avaratry ny Ranomasin’i Galilia i Jesôsy. Narahin’ny vahoaka maro Izy raha nahatazana sambokely mpanjono roa. Teo am-panasana ny haratony ny tompon’ireo sambo ireo, taorian’ny alina tsy nahitam-pahombiazana. Efa hain’ireo mpanarato ireo ny momba an’i Jesôsy tamin’io fotoana io. Efa nampianatra tao amin’ny sinagogany Izy, ary talanjona noho ny teniny ny olona rehetra (Lio. 4:31,32). Namoaka demonia avy tamin’ny lehilahy anankiray tao amin’ny sinagogany mihitsy koa aza i Jesôsy (Lio. 4:33–36). Hitany tao amin’ny tranon’i Petera i Jesôsy, nanasitrana ny rafozam-bavin’i Petera (Lio. 4:38,39). Ary nanasitrana marary maro hafa koa Izy tamin’iny alina iny (Lio. 4:40,41).

Tsy mahagaga raha nisy vahoaka maro nanaraka an’i Jesôsy nanamorona ny sisin-dranomasina. Niditra tao amin’ny sambon’i Petera i Jesôsy ka nangataka an’i Petera mba hanosika kely ny sambo hihataka amin’ny sisin-drano, mba hahafahan’ny rehetra mahita Azy. Rehefa izay dia niresaka tamin’ny vahoaka i Jesôsy (Lio. 5:3). Rehefa vitany ny teniny, dia nasainy nandroso amin’ny rano lalindalina kokoa i Petera ka hanipy ao anaty rano ny haratony vao avy nosasana. Azo antoka tokoa fa nieritreritra i Petera fa tsy hahomby izany. Nanao araka izay nasain’i Jesôsy hataony ihany anefa i Petera, ho fanajany an’i Jesôsy. 

 

                Vakio ny Lio. 5:6–8. Inona no ambaran’ny fihetseham-po sy ny fihetsik’i Petera amintsika momba ny tenany? Ary ahoana no anampian’izany fihetsiny izany antsika hahatakatra ny antony nifidianan’i Jesôsy azy, na dia nanana kilema aza izy?

               

                Mahatalanjona ny fihetseham-po sy ny fihetsik’i Petera. Mampahatsiahy antsika an’i Jakôba fony izy nitolona tamin’ny anjely i Petera amin’io lafiny io. Samy niaiky ireo lehilahy roa ireo fa momba azy Andriamanitra. Samy nanana fahatsiarovan-tena ho tsy mendrika nitambesatra taminy ihany koa izy ireo (Gen. 32:24–30). Misy zavatra hita miharihary iray eto: niaiky ny maha-mpanota azy i Petera satria fantany fa teo ny Tompo. Mifanohitra amin’izay tsapan’ny sasany tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana ny fiaiken’i Petera miharihary ny maha-mpanota azy. Ireo mpitarika ara-pivavahana ireo indray aza no nanondro an’i Jesôsy ho toy ny mpanota (Vakio ny Jao. 9:24). Tsy nety niaiky ny maha-mpanota azy anefa izy ireo.

 

                Milaza ny Lio. 5:11 fa “nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy” ireo mpanarato ireo. Midika izany fa rehefa feno loatra ka efa saika nitriatra ny haratony, dia mbola nahafoy ny zava-drehetra ihany ireo lehilahy ireo mba hanaraka an’i Jesôsy. Inona no hafatra ho antsika eto.

 

 

 

Alatsinainy - 15 Febroary

“Ao Aminy” (Mar. 3:14)

 

                Rehefa niantso ireo mpianatra voalohany teo amoron’i Galilia i Jesôsy, dia efa nanatri-maso ny heriny manoloana ny ratsy izy ireo. Efa hitany i Jesôsy nihaika ny demonia (Lio. 4:34–36), nanasitrana ny marary (Lio. 4:38–41), nifehy ny natiora (Lio. 5:4–6), nampiharihary ny fahotana ary avy teo nankahery an’i Petera tamin’ny filazana fa tsy misy tokony hatahorana (Lio. 5:10).

                Fotoana vitsy tatỳ aoriana, rehefa avy nivavaka nandritra ny alina iray manontolo i Jesôsy (Lio. 6:12), dia nihaona tamin’ireo mpanara-dia Azy. Avy tamin’io vondrona lehibe io no nifidianan’i Jesôsy roa ambin’ny folo lahy, izay nantsoiny hoe: apôstôly (Lio. 6:13). Ny teny grika hoe: apostolos dia midika hoe: “maniraka”. Talohan’ny nanirahan’i Jesôsy azy ireo anefa dia nanokana fotoana hiarahana aminy Izy, hanomezana toromarika ho azy ireo (Lio. 9:1–5), toromarika mitovy amin’izay nomeny ny tarika lehibe kokoa misy fitopolo lahy, fotoana fohy tatỳ aoriana (Lio. 10:1–16).

 

                Vakio ny Mar. 3:14. Inona no tian’i Jesôsy hataon’ireo apôstôliny alohan’ny hanirahany azy ireo handeha samirery? Inona no hafatra manan-danja ho antsika rehetra eto?

 

                Hatraiza ny fahadodonan’ny Kristianina ankehitriny hihazakazaka sy hiasa ho an’i Jesôsy mihoatra noho ny fahadodonany hanokana fotoana hiarahana Aminy? Tsotra ny zava-misy: matetika isika no mihazakazaka miaraka amin’ny lisitry ny zavatra hatao narafitsika manokana rehefa mivoaka mba hanao ny asa fitoriana ny filazantsara. Andalovantsika fotsiny ilay Mpamonjin’izao tontolo izao ka miezaka manolo Azy amin’ny tenantsika ihany. Mora tokoa ny manana “fanambonian-tena ho Mesia”, izay midika hoe: eritreretintsika ho isika no mamonjy izao tontolo izao. Hadinontsika anefa fa i Jesôsy irery ihany no Mpamonjy.

                Feno tantaran’ireo izay nitory ny anaran’i Jesôsy ny ankamaroan’ny tantaran’ny Kristianina. Tsy nandany fotoana niaraka Taminy anefa ireo olona ireo, tsy nahafantatra Azy, tsy voaovany. Ny zavatra tsy irin’ny tontolontsika na ny fiangonana indrindra dia ny olona izay mihazakazaka etsy sy eroa amin’ny anaran’i Kristy saingy tsy “ao Aminy.” Ny iray amin’ireo tetik’adin’i Satana lehibe indrindra dia ny fahaizany manararaotra an’ireo izay manonona ny anaran’i Kristy kanefa mampiasa vilana ihany koa io anarana io. Koa tian’i Jesôsy ny hiarahan’ireo lehilahy ireo Aminy alohan’ny hanirahany azy, mba hahafahany mianatra avy Aminy.

                Midika inona amintsika ankehitriny izany hoe tsy miaraka amin’i Jesôsy izany? Inona ireo fomba mahomby azo ampiasaina avy hatrany mba hahafahantsika ankehitriny manana io fotoana hiarahana Aminy io?

 

 

Talata - 16 Febroary

NY FAHEFAN’I JESOSY MANOLOANA NY NATIORA (Mat. 8:23–27)

 

                Vakio ny Mat. 8:23–27; Mar. 4:35–41; ary Lio. 8:22–25. Ahoana no anehoana ny ady lehibe ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy ao amin’ireo andininy ireo?

               

                Tsy takatsika amin’ny fahafenoany hoe hatraiza no ifehezan’i Satana ny tontolo natoraly. Maneho amintsika anefa ny Baiboly fa tena eo tokoa ny fifehezany. Hitantsika ao amin’ny tantaran’i Jôba izany (Vakio ny Jôba 1:18,19). Milaza amintsika ihany koa i Ellen G. White fa “miezaka mihitsy i Satana ankehitriny mba hampisy zavatra mahatsiravina mitranga eo amin’ny ranomasina sy ny tany mba hanasiana tombo-kase eo amin’ny hoavy mandrakizain’ny olona maro araka izay azony atao.” - HP, t. 348. Ohatra iray hafa amin’ny herin’i Satana eo amin’io lafiny io izany. Ao anatin’ireo zava-dratsy maro izay mitranga sy ireo loza eo amin’ny natiora no ahitantsika ny maha-misy marina tokoa eto an-tany ny ady lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy. 

Ao amin’io tantara io, taorian’ny tontolo andro lavabe nampianarana, dia nanoso-kevitra i Jesôsy ny handehanany sy ny mpianany eo amin’ny moron-drano eny am-pita, izay nisy olona vitsivitsy kokoa.  Nisy tafio-drivotra masiaka namely azy ireo tampoka teny antenantenan’ny diany. Nianjerazera tao anatin’ilay sambokely ny alondrano (Mar. 4:37). Reraka mafy i Jesôsy ka nidaboka natory teo amin’ny sisiny aoriany, toa tsy mahatsiaro na inona inona raha ny fahitana Azy. Seriny loatra tamin’ny fanoherana ny tafiotra ny mpianatra ka fotoana vitsivitsy no lasa vao tsikariny fa natory i Jesôsy.

                Tsy niteny na inona na inona i Jesôsy rehefa niantsoantso Azy voalohany ny mpianatra. Tsy nanao toriteny mba handevilevena azy ireo Izy na hanoroana hevitra ny amin’izay zavatra tsara hataon’ny mpianatra manoloana io toe-javatra io. Nitsangana fotsiny i Jesôsy, naninjitra ny tanany, ary niteny tamin’ny rivotra sy ny alondrano mba hitsahatra sy  hangina, tahaka ny hoe zaza maditra fotsiny ihany ny rivotra sy ny alondrano.

Nitolagaga tamin-tahotra fotsiny ny mpianatra raha nahita izany. “Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: ‘Iza moa Itỳ, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy!’” - Mar. 4:41.

                Maro ny lesona hita eto, saingy azontsika takarina avy amin’io tantara io ny velaran’ny fahefan’i Jesôsy. Koa ilainsika ny matoky Azy, na inona na inona no mitranga.

 

                Azontsika atao ny mahafantatra fa tena misy tokoa ny fahefan’Andriamanitra, na dia manoloana ny natiora aza. Eo amin’ny sitrapontsika no toerana tokana tsy hampiharany io fahefany io. Inona no tokony ambaran’izany amintsika momba ny ilantsika ny hitandremana ny fanomezana manan-danjan’ny safidy malalaka? Ary inona no tokony ambaran’izany amintsika momba ny ilantsika ny hitandrina mafy kokoa ny amin’ny fomba hampiasantsika io fanomezana io?

 

 

Alarobia - 17 Febroary

Iza no lehibe indrindra? (Mar. 9:33–37)

 

                Vakio ny Mar. 9:33–37. Inona no lesona ampianarin’i Jesôsy ny mpianatra eto? Ary inona koa no hafatra ho an’izay milaza fa manara-dia an’i Jesôsy eto? Vakio koa ny Mat. 18:3–5.

               

                Momba ny fomba fijerin’izy ireo ny hoavy ny ady hevitra teo anivon’ny mpianatra. Nihevitra izy ireo fa hanafaka an’ny Isiraely amin’ny Rômanina i Jesôsy, hampody ny fanjakan’i Davida, ary hanapaka amin’ny maha-mpanjaka vaovaon’izany fanjakana izany. Nihevitra izy ireo fa higoaka ny voninahitra rehetra izay niainan’ny fireneny raha teo ambany fanapahan’i Sôlômôna mpanjaka. Rehefa hitranga izany, dia naminavina izy ireo fa hanana anjara asa manan-danja hiandraiketana ao amin’ilay fanjakana vaovao vao nampodiana. Kanefa mbola tsy ampy ho azy ireo ihany na dia izany aza. Tiany hofantarina izay ho “lehibe indrindra” amin’izy ireo ao amin’io fanjakana io. Tsy toa milaza ve izany rehetra izany fa i Losifera no nanosika azy ireo? (Vakio ny Isa. 14:14.)

               

                Vakio ny Mat. 20:20–28. Ahoana no namalian’i Jesôsy io fangatahana io. Inona no zavatra manan-danja indrindra ho Azy?

 

                Ny toerana sy ny fotoana nitrangan’ilay tantara angamba no zavatra nandiso fanantenana indrindra momba io trangan-javatra mampalahelo io. Teny an-dalana hankany Jerosalema ny mpianatra, i Jerosalema izay toerana efa hanomboana an’i Jesôsy eo amin’ny hazofijaliana tsy ho ela intsony. Vao avy nazavain’i Jesôsy tamin’izy ireo fa hisy hamadika Izy, hohelohina ho faty, hihomehezana, hokapohina, ary hohomboana amin'ny hazofijaliana, nefa hatsangana indray amin’ny andro fahatelo (Mat. 20:18,19). Nipoitra indray anefa ny resaka momba ny amin’izay lehibe indrindra vantany vao nahavita niteny izany rehetra izany Izy. Tsy henon’ireo mpianatra akory izay nolazain’i Jesôsy. Hita miharihary mazava tsara fa tsy nihaino akory izy ireo. Liana fatratra tamin’ny faniriany laza tao anatin’ny fahateren-tsainy ny mpianatra hany ka tsy voarainy ny resaka tena manan-danja. Nifantoka tamin’ny fanjakana eto an-tany izay tsy ho tonga na oviana na oviana ny sainy. Koa tsy voarain’izy ireo izay noresahin’i Jesôsy taminy momba ny fanjakana mandrakizay izay hatolony azy ireo amin’ny alalan’ny fahafatesany, izay hitranga tsy ho ela intsony.

 

                Mora tokoa ny mieritreritra fa tena tery saina tokoa ireo mpianatra. Jereo anefa ny tenanao ary manontania tena hoe: “Inona no fahateren-tsaina izay ilaiko esorina amin’ny fanahiko?”

 

 

Alakamisy - 18 Febroary

Manazava ny Soratra Masina i Jesosy (Lio. 24:19–35)

 

                Andro fahatelo taorian’ny nahafatesan’i Jesôsy tamin’izay. Mbola ngolin’ny hatairana mafy ireo mpanara-dia Azy. Nihevitra izy ireo fa hanorotoro ny Rômanina Izy, kanefa toa ny Rômanina indray no nanorotoro Azy.

                Maro ireo mpianatra no nihaona tamin’ny apôstôly taorian’ny nanomboana an’i Jesôsy teo amin’ny hazofijaliana. Nitsidika ny fasana ny vehivavy sasany avy tamin’izy ireo, ny Alahady maraina vao mangiran-dratsy. Manome ny anaran’ny telo amin’izy ireo i Lioka, saingy nisy vehivavy hafa izay nomba an’i Jesôsy avy tany Galilia koa nanaraka ireo vehivavy telo ireo (Lio. 23:55; Lio. 24:1,10). Niverina avy tany amin’ilay fasana foana izy ireo mba hilaza amin'ny “iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra” momba ireo lehilahy roa nitafy fitafiana nanelatrelatra izay hitan’izy ireo tany (Lio. 24:9).

                Mitantara i Lioka fa, tamin’io Alahady folak’andro io, ny roa tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesôsy dia niverina tany an-tranony, lalana teo ho eo amin’ny adiny roa hatramin’ny adiny telo avy any Jerosalema (Lio. 24:13). Ampoizina fa seriny tamin’ny ady hevitra nifanaovany izy ireo, ady hevitra mahakasika ny zavatra nitranga nandritra ny faran’ny herinandro, hany ka tsy tsikariny ilay Vahiny nandeha teo akaikiny. Angamba tsy ho nahatsikaritra Azy mihitsy izy ireo raha toa ka tsy niditra tao amin’ny ady hevitr’izy ireo Izy, tamin’ny fanontaniana azy ny antony nampanjombona ny tavany (Lio. 24:17).

                Tena nampirehadrehatra an’ilay mpianatra iray antsoina hoe: Kleôpasy io fanontaniana io. Nanontany tena izy hoe ahoana no tsy nahafantaran’ity Vahiny ity ny zava-drehetra izay nitranga. “Zavatra manao ahoana moa izany?” hoy ilay Vahiny nanontany (Lio. 24:19).

 

                Vakio ny Lio. 24:19–35. Inona no nolazain’ireo olona ireo izay naneho ny tsy fahampian’ny fahafantarany? Ahoana no nanazavan’i Jesôsy ny fahamarinana taminy?

 

                Mariho fa nifantoka tamin’ny Soratra Masina ny fanazavan’i Jesôsy iray manontolo. Nampiasa ny Soratra Masina i Jesôsy tamin’ny ady nifanaovany tamin’i Satana tany an’efitra. Tahaka izany ihany koa, nampiasa ny Soratra Masina Izy mba hanosehana ny haizina izay nitoeran’ireto lehilahy roa ireto. Rehefa avy nazavain’i Jesôsy taminy ny teny rehetra izay manambara Azy sy ny iraka nataony, dia nomeny fanandramana mahery vaika vitsivitsy izy ireo mba hanohanana ireo fampianarana ireo. Voalohany, niseho taminy Izy. Nomeny porofo izy ireo fa natsangana tamin’ny maty Izy. Faharoa, “tonga tsy hitany” Izy (Lio. 24:31). Nomen’i Jesôsy fampianarana Baiboly tena mazava tokoa mahakasika ny herin’ny fahafatesany ho famelan-keloka sy ho fanadiovana izy ireo. Nanana antony tsara ary tena maro hampiorenana ny finoana ireo mpanara-dia an’i Kristy roa ireo, avy amin’ireo fanandramana mahery vaika vao avy noraisiny.

 

                Hitantsika indray eto, tahaka ny manerana ny Filazantsara ihany, fa mametraka ny Soratra Masina eo amin’ny toerana manan-danja indrindra i Jesôsy. Ahoana àry no ahafahantsika miaro ny tenantsika amin’ny karazan’eritreritra rehetra izay mety hahatonga antsika hametra-panontaniana momba ny fahefan’ny Baiboly?

 

 

Zoma - 19 Febroary

FIANARANA FANAMPINY: Raha teto an-tany amin’ny maha-olombelona Azy i Jesôsy dia namoaka demonia (Lio. 6:18) sy nanome fanantenana ho an’ireo tsy manam-panantenana (Lio. 6:20–23). Nasehony tamin’ny olona ny fomba iainana ny fitiavan’Andriamanitra tsy mila tambiny (“agape”) (Lio. 6:27–49) ary nositraniny ny mpanompon’ny kapiteny anankiray (Lio. 7:2–10). Nanangana tamin’ny maty ny zanakalahin’ny mpitondratena iray ihany koa Izy (Lio. 7:12–16) ary nampitony ny tafio-drivotra (Lio. 8:22–25). Nanafaka tamin’ny fangejan’ny demonia ny lehilahy anankiray azon’ny demonia tany amin'ny tanin'ny Gerasena Izy (Lio. 8:26–39) ary nanasitrana vehivavy iray nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona (Lio. 8:43–48). Nanangana tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jairo Izy (Lio. 8:41,42,49–56) ary nanangana tamin’ny maty mihitsy koa an’i Lazarosy, izay efa nodimandry nandritra ny efatra andro (Jao. 11:39–44). Nanao izany rehetra izany Izy, kanefa mbola nanahirana ny olona ihany ny hino Azy. “Na dia ireo mpianatr’i Kristy aza dia votsa tamin’ny fianarana sy ny fahatakarana. Tia an’i Kristy izy ireo ary nanaja fatratra ny toetrany. Kanefa mbola nihamalemy ihany matetika ny finoany ny maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesôsy. Ny faniriany hanaiky ny fomban-drazany sy ny tsy fahatakarany mitohy ny fampianaran’i Kristy dia naneho fa tena sarotra ho azy ireo tokoa ny hanafaka ny tenany amin’ireo hevi-diso.” - Ellen G. White, MR, b. 18, t. 116.

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny finoana, kanefa fanomezana izay azon’ny olona ekena na lavina. Araka ny efa nampitandremana antsika, ny anton’izany dia satria tena misy tokoa i Satana. Tena misy tokoa ny ady ifanandrinan’ny tsara sy ny ratsy. Koa miasa mafy ny fahavalo mba hahatonga antsika hisalasala sy tsy hino. Amin’ny alalan’ny finoana izay nataon’i Kristy ho antsika no ahitana ny famonjena. Fantatr’i Satana izany ka hanao izay rehetra azony hatao izy mba hamiliana antsika hiala amin’izany finoana izany. Soa ihany, ary tsy maintsy tsarointsika mandrakariva izany, fa mahery lavitra noho ny devoly i Jesôsy. Koa tsy afaka handresy antsika i Satana raha toa ka mifikitra amin’i Jesôsy isika.

 

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

 

1.Inona no valinteny homenao ny olona iray izay manontany hoe: “Raha manana fahefana tena lehibe amin’ny natiora i Jesôsy,  nahoana no mijaly fatratra ny olona maro, eny fa na dia ny kristianina aza?” Ahoana no idiran’ny fifanandrinan’ny herin’ny tsara sy ny ratsy ao anatin’ny valinteninao?

 

2. Inona ireo antony inoantsika an’i Jesôsy sy izay ambaran’ny Baiboly mahakasika Azy? Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahatsiaro ireo antony ireo? Izao koa: mety manana antony tsara sady maro isika, kanefa nahoana no manana olana amin’ny finoana ny olona maro dia maro? Inona ireo zavatra izay mahatonga antsika hisalasala? Ary inona no fomba tsara indrindra hiatrehina azy ireny?

 

3. Araka izay hitantsika tamin’ity herinandro ity, nifidy olona manana fahalemena mba hiara-miasa Aminy i Jesôsy. Inona no fanantenana omen’izany anao momba ny fomba hahafahan’i Jesôsy mampiasa anao, na dia eo aza ny fahalemenao manokana?