LESONA 8

14 - 20 MAY

I PETERA SY ILAY VATO

LESONA 8 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Filentehan’ny masoandro: 5.23


Tsianjery
: “Ary hoy Jesosy taminy: Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” - Mat. 16:15.


Hodinihina mandritra ny herinandro
: Gal. 4:4,5; Heb. 7:26; Mat. 16:13-20; Efes. 2:20; Mat. 16:21-27; Mat. 17:1-9.


Fiambenana maraina
: Voavonjin’ny fahamarinana - Jao. 17:17.

«Hatramin’izany no vao natoron’i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo” – Mat. 16:21.

Mazava ny ambaran’ny TV: tsy maintsy ho faty i Jesôsy. Raha nanatrika ny aloky ny hazo fijaliana Izy dia nivavaka hoe: “Ankehitriny mangohoroho ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’itỳ ora itỳ? Nefa izao no nihaviako ho amin’itỳ ora itỳ.” – Jao. 12:27. Izany no drafitr’Andriamanitra, efa tao an-tsainy, eny “hatry ny fahagola” aza (Tit. 1:2, vakio ihany koa ny 2 Tim. 1:9).

Izany no antony tsy nilazan’i Jesôsy fa hiaritra fijaliana maro Izy ary hovonoina sy hatsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo, na tiany na tsy tiany ny hanao izany. Tsy maintsy niatrika ireo toe-javatra ireo Izy ary nandray fanapahan-kevitra samirery raha tiany tokoa ny handalo amin’ny fahafatesana amin’ny hazo fijaliana mba hamonjena ny mpanota. Noho ny maha-Andriamanitra Azy sy noho ny fahamasinan’ny lalàna, dia ny fahafatesany ihany no hany fomba hanafaka ny olona amin’ny sazy vokatry ny ota sy ny fandikan-dalàna.

Amin’ity herinandro ity isika dia hijery tantara maromaro kokoa momba an’i Jesôsy. Handinika ny amin’i Petera ihany koa isika sy izay nataony teo amin’ny asan’i Jesôsy raha nizotra ho amin’ny fahafatesana izay efa voaomana “hatry ny fahagola” Izy.


Pejy ambony
 

ALAHADY: “HIANAO NO KRISTY”  (Mat. 16:13-17)


Fiambenana maraina
: Manamasina Andriamanitra - 1 Tes. 5:23.


Alaivo sary an-tsaina izay niainan’i Petera, raha nanaraka an’i Jesôsy hatramin’ny fiantombohan’ny asany izy. Inona no nety ho nandalo tao an-tsainy rehefa nanatri-maso toe-javatra mahatalanjona nifanesy izy? Ahoana no nety ho fihetseham-pony raha nahita ny fanasitranana, ny famoahana ireo demonia, ny famahanana ny vahoaka marobe, ireo fampianarana nahafinaritra, ny fibaikoana ny zavaboary, ny fananganana ny maty, ary ny fandehanana teo ambony rano niaraka tamin’i Jesôsy? Inona ny fanontaniana nety ho niserana tao an-tsainy? Nety ho anisan’izany ity: nahoana i Jesôsy no namela an’i Jaona Mpanao batisa ho faty tamin’ny fomba nahatsiravina sy nampalahelo? Nahoana Izy no namela izany zavatra mahatsiravina izany hitranga, kanefa nanao zavatra mahatalanjona marobe? Zavatra izay tsy mbola nisy nahita teo amin’ny tantara hatrizay. Andriamanitra nitafy nofo rahateo i Jesôsy, ka nonina sy niasa teo amin’ny olombelona (Gal. 4:4,5; Heb. 7:26; Isa. 9:6; Lio. 2:10,11); noho izany, ireo niara-nonina taminy sy ireo nanodidina Azy, indrindra ireo mpianany dia niaina fanandramana marobe izay manokana tokoa.

Vakio ny Mat. 16:13-17. Inona ny fanontaniana napetrak’i Jesôsy tamin’ireo mpianany? Midika inona ny hoe i Petera ihany no hany namaly io fanontaniana io? Ahoana no hilazana fa zava-dehibe tokoa ny valinteny nataon’i Jesôsy?

Mahatalanjona ny fihetseham-po sy ny fihetsik’i Petera. Mampahatsiahy antsika an’i Jakôba fony izy nitolona tamin’ny anjely i Petera amin’io lafiny io. Samy niaiky ireo lehilahy roa ireo fa momba azy Andriamanitra. Samy nanana fahatsiarovan-tena ho tsy mendrika nitambesatra taminy ihany koa izy ireo (Gen. 32:24–30). Misy zavatra hita miharihary iray eto: niaiky ny maha-mpanota azy i Petera satria fantany fa teo ny Tompo. Mifanohitra amin’izay tsapan’ny sasany tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana ny fiaiken’i Petera miharihary ny maha-mpanota azy. Ireo mpitarika ara-pivavahana ireo indray aza no nanondro an’i Jesôsy ho toy ny mpanota (Vakio ny Jao. 9:24). Tsy nety niaiky ny maha-mpanota azy anefa izy ireo.

Manao fanambarana feno fahasahiana i Petera fa i Jesôsy no “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Mat. 16:16). Io fanambarana io dia iray amin’ireo teboka manan-danja indrindra ao amin’ny Baiboly iray manontolo. Niantso Azy i Petera hoe “Kristy”, Ilay Voahosotra. Ary niaraka tamin’izay fanambarana izay dia nilaza i Petera (araka ny fahamarinan’izany) fa i Jesôsy no Mesia, ilay Iray izay tonga mba hahatanteraka ny teny fikasana nomena an’i Abrahàma sy i Isiraely (vakio ny Gal. 3:16).

Nilaza an’i Jesôsy ho Kristy ihany koa i Petera, ary tany amin’ny faritanin’i Kaisaria Filipia izay firenena jentilisa no nanaovany izany. Tamin’ny lasa i Petera dia nahita fa nikarakara ny Jiosy sy ireo Jentilisa i Jesôsy, ary niaraka tamin’ny fanampian’ny Fanahy Masina dia nahatsapa izy fa mihoatra noho ny mpaminany jiosy, araka izay niheveran’ny hafa Azy, i Jesôsy. Mihoatra lavitra noho ny asa nataon’i Jaona mpanao batisa, Elia, na i Jeremia ny asa nataon’i Jesôsy. Natao hahafaoka ny karazan’olona rehetra izany. Niantso ny tenany hoe “Zanak’olona” i Jesôsy mba hanehoana fa mandray ny tenany ho Iray amin’ny olombelona Izy. Araka izay nasehon’ny Baiboly tatỳ aoriana, dia mbola maro ny zavatra nilain’i Petera nianarana momba an’i Jesôsy sy ny asany manerana izao tontolo izao.

Inona avy ireo zavatra nataon’i Jesôsy teo amin’ny fiainanao izay azonao hijoroana ho vavolombelona amin’ny hafa? Inona no mahatsara ny ahatsiarovana mandrakariva ireny zavatra ireny sy hizaràna azy amin’ny hafa?


Pejy ambony
 

ALATSINAINY: AMBONIN’ITY VATOLAMPY ITY (Mat. 16:17-20)


Fiambenana maraina
: Nanomboka Izy ary hanatanteraka - Fil. 1:6.


Taorian’ilay fanambarana feno fahasahiana nataon’i Petera mikasika ny finoany fa i Jesôsy no “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona”, dia nisy teny nataon’i Jesôsy ho setrin’izany.

Vakio ny Mat. 16:17-20. Inona ny teny nolazain’i Jesôsy tamin’i Petera? Ahoana no fahatakarantsika ny tian’i Jesôsy hambara?

Nahatonga fifandirana teo amin’ny fiangonana kristianina ny hoe “ambonin’itỳ vatolampy itỳ”. Ny Katôlika dia mandika fa i Petera no “vatolampy” voalaza eto, milaza izy ireo fa i Petera no Papa voalohany. Ireo Prôtestanta kosa anefa tsy manaiky izany hevitra izany.

Ny Baiboly dia manohana mazava ny hevitra milaza fa i Kristy io vatolampy io fa tsy i Petera.

Voalohany dia niresaka momba an’i Jesôsy tamin’ny fampiasana ny fanoharana Azy amin’ny vatolampy i Petera tamin’ny toerana sasantsasany (vakio ny Asa. 4:8-12; 1 Pet. 2:4-8).

Manaraka izany, dia hita manerana ny Baiboly iray manontolo ny sary milaza an’Andriamanitra na i Kristy ho vatolampy. Ny olombelona kosa dia malemy sy tsy mendri-pitokisana. “Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” - Sal. 103:14. “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy” - Sal. 146:3. Raha nanoratra momba an’i Jesôsy ihany koa i Jaona, dia hoy izy hoe: “ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona” - Jao. 2:25, ary fantany ihany koa izay tao am-pon’i Petera (Mat. 26:34).

Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo amintsika mikasika ny hoe iza marina ilay Vatolampy ary eo ambonin’iza no miorina ny fiangonana? (1 Kôr. 10:4; Mat. 7:24,25; Efes. 2:20).

“Toa mbola narefo ny fiangonana raha nanambara ireo teny ireo Kristy. Tsy misy afa-tsy mpino isaina amin’ny rantsan-tanana no niforetan’ny herin’ny demonia rehetra sy ny herin’ny olona ratsy fanahy rehetra; tsy tokony hatahotra anefa ny mpanaraka an’i Kristy. Miorina eo amin’Ilay Vatolampin’ny heriny izy ka tsy ho resy.” – IFM, t. 443.

Inona ny fanandramana manokana niainanao mahakasika ny fahalemen’ny olombelona? Ahoana no hahafahanao mampiasa ireny fanandramana ireny mba hiankinanao amin’ilay Vatolampy irery ihany?


Pejy ambony
 

TALATA: I SATANA TAO AMBADIK’I PETERA (Mat. 16:21-23)


Fiambenana maraina
: Ny fiainan’i Kristy ao anatinao - Gal. 2:20.


Vakio ny Mat. 16:21-23. Nahoana i Jesôsy no nanao teny mahery tamina nahazo an’i Petera tampoka teo?

Ny olan’i Petera dia tsy ny fiezahany hiaro an’i Jesôsy tsy akory, fa ny fisainany te hibaiko an’i Jesôsy. Tsy manaraka an’i Jesôsy intsony izy fa izy indray no milaza an’i Jesôsy hanaraka azy.

Hoy i Jesôsy hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana” (Mat. 16:23) satria sahala ny tamin’ny tany an’efitra dia nanjary nanambana tsy hahatontosa ny iraka nampanaovina an’i Kristy i Petera.

Ny Mar. 8:33 dia manamarika fa nijery ny mpianany i Jesôsy raha niteny io teny io. Tonga mba hamonjy azy ireo Izy, ka tsy ho azon’ny fakam-panahy hanaraka lalana hafa, ary tsy ho izay lazain’ny mpianany mihitsy izany, na toy ny ahoana aza soa nokendren’ity mpianatra ity ho Azy.

Arakaraka ny nirosoan’i Petera tamin’ny dia nataony no  mbola niezahany hatrany nibaiko ny toe-javatra, anisan’izany ihany koa aza i Jesôsy. Amin’izay lafiny izay dia tsy samy hafa tamin’ilay mpianatra hafa iray i Petera, dia i Jodasy izany. I Jodasy dia niezaka nibaiko an’i Jesôsy ary nanao ny drafitry ny asa hataon’ny Mesia araka izay niheverany azy. Saingy tsy toa an’i Jodasy kosa, i Petera dia nalahelo indrindra ary nanaiky ny hahitsy sy havela heloka noho izay nataony.

Vakio ny Mat. 16:24-27. Inona no tian’i Jesôsy hambara raha niteny Izy hoe: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.” - Mat. 16:25?

Miaina anaty kolontsaina izay milaza amintsika hanaraka ny nofinofintsika isika ary hamoy ny zava-drehetra hahazoana izay irina, saingy ny mifanohitra amin’izany no asain’i Jesôsy hataontsika. Manasa antsika Izy hamoy ny nofinofintsika ka hametraka izany eo Aminy. Nianatra tsikelikely ny atao hoe finoana marina i Petera sy ny mpianatra. Ny finoana marina dia tsy ny fahazoana izay zavatra tianao indrindra, fa ny fanandramana maharary amin’ny famoizana izany kosa. Rehefa mamoy ny nofinofinao ianao, dia “mahavery ny ainao”, nefa miaraka amin’izay dia mahazo izany ianao.

Inona avy ireo zavatra tsy maintsy nafoinao mba hanarahanao an’i Jesôsy? Nety ho nanan-danja tokoa izany tamin’izany fotoana izany, saingy raha itodihana kosa dia manao ahoana ny fahitanao izany amin’izao?

 
Pejy ambony

ALAROBIA: FAMPAHEREZANA AVY ANY AN-DANITRA (Mat. 17:1-9)


Fiambenana maraina
: Olombelona ihany isika – Rôm. 7:14-21.


Vakio ny Mat. 17:1-9. Inona no nitranga teo, ary nahoana izany no manan-danja tokoa tamin’i Jesôsy sy ny mpianatra?

I Jesôsy dia “nitoetra teo anivon’ny fitiavana sy ny firaisankinan’ny lanitra Izy; nefa teo amin’izao tontolo izao izay nohariany, dia irery Izy. Nandefa ny irany ho eo amin’i Jesosy ankehitriny ny lanitra; tsy anjely, fa olona izay efa niaritra fahoriana sy alahelo, ka afaka miray fo amin’ny Mpamonjy eo amin’ny fitsapan’ny fiainana eto an-tany. Efa mpiara-miasa tamin’i Kristy i Mosesy sy Elia. Efa nandray anjara tamin’ny faniriany mafy hamonjy ny olona izy ireo (...) Ireo olona ireo, izay naleo [izy ireo no nofidina] noho ireo anjely manodidina ny seza fiandrianana, dia tonga niray fo tamin’i Jesosy momba ireo toe-javatra hisehoan’ny fahoriany, ka hampahery Azy amin’ny fanomezan-toky fa mankasitraka Azy ny lanitra. Ny fanantenan’izao tontolo izao, ny famonjena ny olombelona rehetra, no votoatin’ny resaka nifanaovany.” – IFM, tt. 454-455.

Mahaliana tokoa ny hoe: Jesôsy ilay Zanak’Andriamanitra, tamin’ny maha-olombelona Azy dia nila fampaherezana sy fanohanana avy tamin’ireo lehilahy ireo, satria izy ireo efa niaina fahoriana sy fahakiviana. I Lioka dia nanoratra fa niresaka taminy mikasika ny “fialany, izay efa hefainy any Jerosalema” (Lio. 9:31) izy ireo. Mariho ilay teny hoe hefainy izay midika hoe: “hotanterahiny”. Araka izany, dia mahita porofo hafa isika mampiseho fa nilaina ho an’ny fanavotana ny taranak’olombelona ny fahafatesan’i Jesôsy. Tena zava-dehibe tokoa ny fihaonan’i Jesôsy tamin’i Mosesy sy Elia. Hitan’ny lanitra fa nilaina ny fandefasana azy ireo mba hampahery an’i Jesôsy.

Na inona na inona efa hitan’izy ireo sy efa reny, dia nahazo antony hafa hinoana i Petera sy Jakôba ary i Jaona. Nampahery azy ireo ihany koa ny feo avy tao amin’ny rahona, rehefa lasa ny tahotr’izy ireo. Mahaliana ihany koa izay nambaran’i Matio hoe “ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa aza matahotra” - Mat. 17:7. Na dia eo aza ny fahoriana hatrehiny tsy ho ela, dia nampahery indrindra ny mpianany Izy.

Na iza isika na iza, na matanjaka toy inona aza ny finoana sy ny andraikitsika, dia misy fotoana indraindray ilantsika fampaherezana. Mety hisy olona fantatrao ihany koa mila fampaherezana. Iza no azonao omena izany amin’izao fotoana izao?


Pejy ambony
 

ALAKAMISY: JESOSY SY NY VOLA HETRAN’NY TEMPOLY (Mat. 17:24-27).


Fiambenana maraina
: Azon’Andriamanitra ampiasaina - Rôm. 6:11-14; 17-19.


Vakio ny Mat. 17:24-27. Inona ny zava-mitranga eto, ary inona no ambaran’izany amintsika momba an’i Jesôsy?

Ny Jiosy rehetra dia tsy maintsy nandoa ny vola hetran’ny Tempoly, ankoatra ny mpisorona sy ny levita ary ny raby. Araka izany, ny resaka mikasika ny fandoavan’i Jesôsy izany hetra izany dia fihaikana ho an’ny asany.

I Ellen White dia nanoratra fa nisy fotoana tsy nohararaotin’i Petera hanaovana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahefana feno ananan’i Kristy. “Ny valinteniny tamin’ilay mpanangona hetra izay milaza fa mandoa ihany Jesosy, dia manamafy sahady ny hevi-diso momba Azy, izay niezahan’ny mpisorona sy ny mpanapaka naparitaka (...) Raha afaka ny mpisorona sy ny Levita noho ny fifandraisany tamin’ny tempoly, manao ahoana kosa no tokony hahafaka Ilay nanana ny tempoly ho tranon’ny Rainy?” – IFM, tt. 464-465

Afaka mandray lesona lehibe avy amin’ny valinteny feno halemem-panahy nataon’i Jesôsy tamin’i Petera isika. Tsy nanao izay hahasanganehana an’i Petera Izy, fa nanazava tamim-pitenenana malefaka ny fahadisoany. Nampiasainy tamin’ny fomba miavaka kokoa ny fihetsika izay nataon’i Petera. Tsy hoe nandoa ilay hetra fotsiny i Jesôsy, fihetsika izay midika fa tsy maintsy nanao izany Izy, fa tany amin’ny toerana hafa mihitsy no namoahany ilay vola, dia avy tao am-bavan’ny trondro iray izany.

Tsy mahazatra ity fahagagana ity. Tamin’io fotoana io ihany i Jesôsy no nanao fahagagana ho an’ny tombontsoany manokana, saingy tsy izany no tena tanjon’ity fahagagana ity, fa natao ho ohatra hanehoana amin’ny olon-drehetra ny fahefana ananan’i Jesôsy eo amin’ny tempoly sy ny voary rehetra. Amin’ny maha-olombelona, ahoana moa no hahatakarantsika ny fomba nahafahan’i Jesôsy nanao izany fahagagana izany? Tamin’ireo zavatra rehetra hitan’i Petera, dia azonao an-tsaina ve ny eritreritra tao an-tsainy raha nanipy ny tadim-pitany ka nahazo izay trondro voalohany teo, ary nahita ilay vola tokony hefainy indrindra ho an’ny hetran’ny tempoly? (vakio ny Isa. 40:13-17)

Tsy tokony handoa ny hetran’ny tempoly i Jesôsy sy ny mpianany, saingy nasainy nanao izany ihany izy ireo mba hisorohana ny olana mety hitranga. Inona avy ireo fomba azontsika hianarana mba hisorohana ny fifandirana tsy ilaina, indrindra mikasika ireo zavatra tsy voafaritra mazava?


Pejy ambony 


ZOMA: FIANARANA FANAMPINY


Fiambenana maraina
: Tsy misy toerana ho an’ny avonavona - Lio. 18:13


Filentehan’ny masoandro: 5.21


Tsy tantara mahazatra ny nanirahan’i Jesôsy an’i Petera haka ny vola avy tao am-bavan’izay trondro voalohany azony. Tsy dia fahita loatra izany ka nahatonga ny manam-pahaizana sasany hanao izay hanilihana izany. Amin’izy ireo dia “anganongano” ihany izany, tantara iray mahafinaritra mba hanamarihana ny lanjan’ny zavatra iray, dia izay ihany. Mazava loatra fa vahaolana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy izany (tsy vahaolana mihitsy aza). Azo antoka fa samy hafa tanteraka tamin’ireo karazana fahagagana hafa nataon’i Jesôsy toy ny fanasitranana ny marary, ny fampahiratana ny jamba, ny fananganana ny maty ary ny famahanana ireo noana ity anankiray ity. Tao amin’ny Baiboly ihany koa no nahalalantsika momba ilay lela-famaky nitsingevana (2 Mpanj. 6:2-7) sy ilay volon’ondry lenan’ny ando teo amin’ny tany maina ary ilay volon’ondry maina teo amin’ny tany lenan’ny ando (Mpits. 6:36-40). Tsy hoe zava-baovao ao amin’ny Baiboly tsy akory ny trangan-javatra tsy fahita matetika toy izao, saingy inona ny antony nahatonga an’i Jesôsy tsy nanolotra fotsiny ny vola an’i Petera ary nilaza taminy mba handoa ny hetra, fa nanao io fihetsika mahagaga io mba hamahana ny olana izay hita fa madinika ihany?

Tsy milaza izany ny toko sy andininy ao amin’ny Baiboly, saingy araka ny ambaran’ny lesona dia mampiseho ny fahefana lehibe ananan’Andriamanitra izany. Tsy tokony hahagaga antsika izany, mahita porofo maneho ny heriny mahatalanjona rahateo isika amin’ny fotoana rehetra. Ny fisiantsika sy ny voary manontolo dia ohatra iray mahatalanjona amin’ny herin’ilay Andriamanitsika. Raha nahavita namorona izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy Andriamanitra, dia bitika sy tsy misy lanjany akory ny vola ao am-bavan’ny trondro iray. Teboka iray manan-danja tokoa no nasongadin’i Paoly raha nanoratra mikasika ny toe-javatra samy hafa amin’izay hita ao amin’ny bokin’i Matio, manampy antsika izany hahatakatra tsara ny tantara momba ity trondro ity: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” - Rôm. 11:33. Ohatra iray manamafy izany fahamarinana izany ity tantara tao amin’ny bokin’i Matio ity.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Mitovy amin’ny tolona natrehin’i Petera mba hametraka ny sitrapony teo ambany fifehezan’Andriamanitra ny tolona atrehintsika. Ohatra iray mahery vaika amin’io tolona io no hita ao amin’ny Mal. 1. Eto Andriamanitra dia milaza amin’ny Jiosy mba hitondra ny biby tsara indrindra ao amin’izy ireo hatao fanatitra. “Entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ny tànanareo va Aho? Hoy Jehovah” - Mal. 1:13. Nahoana moa Andriamanitra no sarotiny tamin’ny karazana fanatitra entina ho Azy? Satria tiany raha atolotsika Azy izay tiantsika hofikirina indrindra. Inona ireo zavatra fikirinao mafy eo amin’ny fiainanao? Ahoana no ahazoanao manolotra ireny ho an’Andriamanitra?

Eritrereto ny fomba niatrehan’i Jesôsy ny toe-javatra mikasika ny hetran’ny tempoly. Tsy nanao izay hahasarotra kokoa ny toe-javatra Izy fa nandamina izany. Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’izany mikasika ny fifandirana mety ho sendra antsika amin’ny fiainantsika isan’andro? Ahoana no hahafantaranao ny fotoana tokony hitenenana sy ny fotoana hanginanana?


Pejy ambony