LESONA 8

13 - 19 AOGOSITRA

NANEHO FIRAISAM-PO JESOSY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Fivavahana ankasitrahana indrindra - Isa. 58:6-12.

Filentehan’ny masoandro: 5.38

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Mpanj. 13:23; Eks. 2:23-25; Lio. 7:11-16; 1 Jao. 3:17; Jao. 11:35; Rôm. 12:15; 2 Kôr. 1:3,4.

Tsianjery: “Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.” – Mat. 14:14.

 

Hanao ahoana ny halalin’ny alahelo manoloana ity tantara ity? Tovovavy iray fito ambin’ny folo taona, no nitolona tamin’ny ady mafy atrehin’ny ankamaroan’ny tovovavy mitovy taona aminy, saingy mihoatra noho izany, dia namoy ny ainy mihitsy izy. Iza no hahazo an-tsaina ny zavatra tsapan’ny ray aman-dreniny?

Tonga tao an-tranon’izy ireo ny pasitorany. Nipetraka tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy, niaraka tamin’izy ireo, ary tsy niteny na inona na inona nandritra ny fotoana maharitra. Tamim-pahanginana ihany no nifampizaràny ny alahelony tamin’izy ireo. Avy eo dia nanomboka nitomany ilay pasitora, nitomany izy mandra-paharitra ny ranomasony. Rehefa izay, dia tsy niteny na inona na inona izy, fa nitsangana ary lasa nandeha.

Taoriana kelin’izay, dia nilaza tamin’ilay pasitora ny rain’ilay tovovavy fa nankasitrahany tanteraka izay nataon’ilay pasitora. Tamin’izay fotoana izay, dia tsy nila teny maro ireo ray sy reny ireo, tsy nila toky izy ireo, tsy nila torohevitra. Ny hany nilain’izy ireo, tamin’izay fotoana izay indrindra, dia firaisam-po marina.

“Tsy haiko ny hilaza aminao,” hoy ilay raim-pianakaviana tamin’ilay mpitandrina, “ny halehiben’ny firaisam-po nasehonao taminay.”

Ny firaisam-po dia midika hoe “manana pathos”. Ny “pathos” dia mifandraika amin’ny fitserana, fahamoram-po, na alahelo. Izany dia midika hoe “miray fo” amin’ny olona iray saingy amin’ny fomba tena lalim-paka tokoa. Ny fanehoana fangorahana manoloana ny alahelon’ny hafa dia misy ifandraisana amin’ny “fifangaroana” amin’ny hafa ho amina sehatra vaovao iray.

Ny fanehoana fangorahana koa dia fomba iray manan-danja nentin’i Jesôsy nanatrarana ny olona.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Fiambenana maraina: Miantso ny mpandresy Izy - Apôk. 21:7.

 

MAHARE NY FITARAINANA (Mpits. 2:16-18)

Toa toerana mampatahotra izany no fahitana izao tontolo izao: midadasika tokoa, mangatsiaka, ary lehibe ka mahatonga antsika hahatsapa ho tsy ilaina sy tsy misy dikany ao anatiny. Nihaniely kokoa izany tahotra izany nony nisy ny siansa môderina. Ny masolavitra lehibe fitazanana ny kintana amam-bolana dia maneho tontolo lehibe kokoa sy midadasika noho izay azontsika takarina tokoa. Ho fanampin’izany, ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana dia mandiso ny fiheverana momba ny Mpamorona. Ary ny olona dia mitolona amin’ny fahadisoam-panantenana ao anatin’ny zavaboary izay toa tsy miraharaha akory ny momba antsika.

Mazava loatra fa ny Baiboly dia maneho amintsika fomba fijery hafa mikasika ny toerantsika ao amin’ny famoronana.

Inona no ampianarin’ny Mpits. 2:16-18; 2 Mpanj. 13:23; ary ny Isa. 54:7,8,10 momba ny fangorahan’Andriamanitra ny voariny lavo sy simba eto an-tany?

Ny hevitra novoizin’ny olona dia hoe: hentitra, masiaka, tsy azo ifonana, ary lozabe ny Andriamanitry ny TT. Ao amin’ny TV kosa, dia aseho ho tsara fanahy sy be indrafo i Jesôsy. Ny toko sy andininy izay vao avy novakintsika anefa dia ampahany ihany amin’ireo ao amin’ny TT izay maneho ny fangorahan’Andriamanitra ny olona.

Inona no ampianarin’ny Eks. 2:23-25 antsika mikasika ny fihetsik’Andriamanitra manoloana ny fahoriana?

Tena mihevitra lalina ny olona Andriamanitra (vakio ny Jak. 5:11). Hita manerana ny Baiboly iray manontolo izany foto-kevitra izany.

Ny fony feno fitiavana dia mangoraka noho ny fahoriantsika, eny, na dia noho ny fitantarantsika an’ireny aza (…) Tsy misy na inona na inona izay momba ny fiadanantsika no azo atao hoe kely loatra ka tsy ho hitany (...) Tsy misy loza mahazo mihatra na dia amin’izay kely indrindra amin’ny zanany aza, tsy misy tebiteby mampijaly ny fanahy, (…), izay tsy voadiniky ny Raintsika Izay any an-danitra, na tsy nanaitra Azy niaraka tamin’izay.” – TH, t. 118.

Inona ny fitarainana miakatra any an-danitra eo amin’ny fiarahamonina misy anao? Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’Andriamanitra mampiasa anao hanehoana famindrampo amin’ireo ao anaty fijaliana sy hanampiana azy ireo?


 Pejy ambony
 

ALATSINAINY

 

Fiambenana maraina: Fanorenana iray ihany - 1 Kôr. 3:11.

 

ILAY MPAMONJINTSIKA BE INDRAFO (Mat. 9:35,36)

Nifangaro tamin’ny olona maro i Jesôsy nandritra ny asany teto an-tany. Niatrika toe-javatra maro Izy, izay nanehoany firaisam-po sy fangorahana ny hafa. “Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.” – Mat. 14:14.

 

Vakio ny Mat. 9:35,36 sy ny Lio. 7:11-16. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny firaisam-po marina sy ny fangorahana izay aseho eto?

Ny teny hoe firaisam-po dia mampieritreritra teny hafa, toy ny fitserana sy indrafo. Araka ny hita amin’ireo rakibolana samihafa, ny fangorahana dia indrafo, firaisam-po ary fitserana. Ny indrafo dia alahelo feno firaisam-po amin’ny fahorian’ny hafa. Ny fitserana dia ny fipetrahana eo amin’ny toeran’ny hafa mba hahatsapana na hizaràna ny fihetseham-po tsapany.

Ny fangorahana sy ny firaisam-po dia maneho fa tsapantsika ny fahoriana lalovan’ny hafa ary maniry hanampy hanamaivana ny fahoriany isika.

Andeha hatao hoe nahare ny toe-javatra mampalahelo nitranga tamin’ny olona ao amin’ny fiarahamonina misy anao ianao, tahaka ny haintrano ohatra, na fahafatesana nidona tamin’ny fianakaviana iray. Inona no hataonao? Hiteny fotsiny ve ianao hoe: “mampalahelo tokoa izany!”, ary avy eo dia ny ataonao ihany no ataonao? Izany mantsy no zavatra tsotra indrindra. Sa misy kosa firaisam-po ampy hanehoana fangorahana ho azy ireo ao aminao? Ny fangorahana marina dia hitarika anao ho amin’ny fampaherezana sy fanampiana amim-pahavitrihana ny namana sy ny olon-kafa, amin’ny fomba mahomby. Azonao atao ny maneho fangorahana amin’ny fandefasana karatra kely enti-maneho izany, na amin’ny fanehoana fiaraha-miory lalina kokoa amin’ny alalan’ny famangiana ny olona sy ny fanampiana azy amin’izay manahirana azy. Ny asa feno fitiavana no vokatra mihariharin’ny tena firaisam-po marina.

Soa ihany fa manome fanampiana amin’ny hetsika goavana ataony ny olona maro sy ny fikambanana mpanao asa soa. Saingy indraindray isika dia tsy miraika loatra amin’ny toe-javatra “madinika kokoa” izay maharary tokoa ny olona iray.

Tsy hoe naneho firaisam-po fotsiny ihany i Jesôsy. Nampiakariny ho dingana ambonimbony kokoa izany hanjary asa fangorahana. Mazava loatra fa nantsoina hanao toy izany koa isika. Na iza na iza dia afaka mahatsapa alahelo na fangorahana ho an’olona iray rehefa misy zavatra ratsy mitranga, saingy ny fanontaniana mipetraka dia hoe: inona ny asa azo atao ho fanehoana ny firaisam-pontsika amin’izany?

Teo am-pihinanana ny sakafo marainany ny lehilahy iray no nihaino ny vadiny namaky gazety mitantara loza niseho tany amin’ny firenena iray, izay nahafatesana olona an’arivony. Rehefa avy niresaka nandritra ny fotoana fohy mikasika izany zavatra mahatsiravina izany izy, dia nanova resaka ka nanontany raha toa ka naharesy ny ekipa mpilalao baolina kitra teo an-toerana ny alin’io. Mety ho meloka noho ny toe-javatra toy izany koa isika, amin’ny fomba ahoana? Inona no azontsika atao amin’izany, raha misy?


 Pejy ambony

TALATA

 

Fiambenana maraina: Mifankazara amin’ny Tsitoha! - Jôba 22:21.

 

MIPETRAKA AMIN’NY TOERAN’IZY IREO (Kôl. 3:12)

Vakio ny Kôl. 3:12; 1 Pet. 3:8; ary ny 1 Jao. 3:17. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo amintsika? Ahoana no ahafahantsika maneho izany fangorahana izany eo amin’ny fiainantsika?

Ny fangorahana dia avy amin’ny teny latinina “compati”, izay midika hoe “miaraka ory”. Koa satria efa nahita fahoriana isika, dia mahatsapa ny fahoriana mihatra amin’ny hafa. Tsy isalasalana fa matetika isika no mitady fangorahana sy firaisam-po amin’ny fahoriana mahazo antsika. Araka izany, dia tokony hanome an-tsitrapo ny toy izany amin’ny hafa isika amin’ny fotoana ilany izany.

Nianatra momba ny tantaran’ilay Samaritana tsara fanahy isika tamin’ny lesona tany aloha. Hoy i Jesôsy, “Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.” – Lio. 10:33. Izany fitserana na fangorahana izany no nahatonga ilay Samaritana hanao zavatra iray ho an’ilay lehilahy naratra. Nety ho nanontany tena ilay mpisorona sy ilay Levita hoe: “Raha manampy ity lehilahy ity aho, dia inona no mety hahazo ahy?” Saingy ilay Samaritana kosa nety ho nanontany tena hoe: “Raha tsy manampy ity lehilahy ity aho, dia inona no hahazo azy?” Ao amin’ity tantara ity, dia nipetraka, tsy nisy fiheverana ny tenany, teo amin’ny toeran’ilay lehilahy naratra ilay Samaritana, ka nanao asa. Nahafoy ny fiadanany sy ny hareny ho an’ny vahiny iray izy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tafiditra ao amin’ny maha-Kristianina indraindray ny loza mety hitranga sy ny fandaniana.

Jereo koa ny tantaran’ilay zanaka adala (Lio. 15:20-32). Ny fihina feno famindrampo, ilay akanjo maneho ny maha-zanaka, ilay peratry ny fitokiana, ilay kiraron’ny fahafahana, ary ny fiantsoana firavoravoana dia samy maneho ny hafaliana tsy nisy fitiavan-tena tao amin’ny Ray izay vonona hanolotra ny zava-drehetra ho fanarenana indray ilay zanany nania. Ny atao hoe mpandanilany foana dia mpanao fandaniana tsy ilaina, tsy mihevitra momba ny hoavy, mandany vola mihoatra ny antonony, ary tsy mahafehy tena. Azo antoka fa izany no mahalaza tsara ny lalana nolalovan’ity zanaka ity ao amin’io tantara io. Miatoa iray minitra anefa, ka saino fa ilay raim-pianakaviana eto amin’ity tantara ity dia nahafoy ny haja amam-boninahiny mba hanomezana izay ananany rehetra ho an’ilay zanany niverina tao an-tranony. Teo imason’ilay zanany lahimatoa, dia nanao fandaniam-poana ny rainy, nandany mihoatra ny antonony, ary tsy nahafehy tena. Nanjary mpandanilany foana ilay raim-pianakaviana araka ny fijerin’ilay zanany feno alahelo. Ny fon’ilay ray feno fitiavana sy indrafo no nitarika azy handany izay nananany rehetra mba hanarenana indray ny zanany.

Tafiditra ao anatin’io dingan’ny firaisam-po sy fangorahana io ny fanilihana ny maha-izy ny tena. Mety hampahalemy antsika eo anatrehan’ny zava-misy izany, satria miaraka ory amin’ny hafa isika ary miezaka manosika azy ho any amin’ny fanavaozana sy famerenana amin’ny laoniny indray. Raha fintinina, ny tena fangorahana marina sy ny firaisam-po dia mety misy vidiny.


 Pejy ambony
 

ALAROBIA

 

Fiambenana maraina: Lalàn’ny Fanahy: manafaka - Rôm. 8:2-8.

 

JESOSY NITOMANY (Jao. 11:35)

“Jesosy nitomany” – Jao. 11:35. Inona no ambaran’io andininy io amintsika momba an’i Jesôsy amin’ny maha-Olona Azy? Inona no ambaran’izany amintsika momba ny fahatsapany ny fahorian’ny hafa amin’ny maha-Olona Azy? Vakio koa ny Rôm. 12:15.

Ao amin’ny Jao. 11:35, dia naneho fiaraha-miory sy fitserana ary indrafo avy tamin’ny fony tokoa i Jesôsy. Efa hanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Izy, saingy nikasika ny fony lalina tokoa ny fahoriana tao amin’ity fianakaviana nifankazarany indrindra ity.

Tsy hoe nitomany noho ny fahafatesan’ny sakaiza tiany fotsiny ihany i Jesôsy, fa nijery ny toe-javatra iray manontolo mihitsy. Hitany ny fahorian’ny olombelona rehetra nandritra ny taona nifandimby vokatry ny fahotana.

Teo Aminy ny vesatry ny fahorian’ny taonjato nifandimby. Hitany ny vokatra mahatsiravin’ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra. Hitany fa eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao nanomboka teo amin’ny nahafatesan’i Abela, dia tsy nitsahatra ny adin’ny tsara sy ny ratsy. Nibanjina ny taona ho avy Izy, dia hitany ny fahoriana sy ny alahelo, ny ranomaso sy ny fahafatesana, izay ho anjaran’ny olombelona. Voatsindrona ny fony noho ny fahorian’ny fianakavian’ny olombelona amin’ny taonjato rehetra sy eo amin’ny tany rehetra. Navesatra teo amin’ny fanahiny ny fahorian’ny taranaka mpanota, ka vaky ny loharanon’ny ranomasony raha naniry ny hanamaivana ny fijaliany rehetra Izy.” – IFM, t. 569.

Eritrereto ny teny nosoratan’i Ellen G. White: Tamin’ny fomba izay tsy ho azon’iza na iza atao, i Jesôsy dia nahita ny “fahorian’ny fianakavian’ny olombelona amin’ny taonjato rehetra sy eo amin’ny tany rehetra”.

Na isika aza dia mahita fa sarotra ny mieritreritra momba ny fahorian’ireo olona fantantsika na ireo akaiky antsika. Dia anampio izany ny alahelon’ny hafa izay vakintsika amin’ny vaovao. Nefa eto, dia hitantsika ny Tompo, izay mahalala ny zava-drehetra amin’ny fomba tsy haintsika, izay afaka manao ny zava-drehetra, no mitomany noho ny fahoriana rehetra mahazo ny olombelona. Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny fatra fenon’ny alahelo sy fahorian’ny olombelona. Tokony ho velom-pisaorana tokoa isika fa ny fahoriana izay fantatsika na iainantsika dia tsy mitovy na manakaiky akory ny fahoriana hitany. Ary ny ampaham-pahoriana kely ao amintsika indraindray dia efa be loatra ho antsika, alaivo sary an-tsaina anefa ny alahelo nampangorakoraka ny fon’i Jesôsy tamin’izany fotoana izany.

Hoy ny Jeneraly William Booth, mpanorina ny Armée du Salut: “Raha tsy afaka hitomany ho an’ny tanàna ianareo, dia tsy afaka hampiasa anareo izahay.” – MNF, t. 246. Inona no ambaran’ireo teny ireo amin’ny tsirairay amintsika?


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

Fiambenana maraina: Ny herin’ny Fanahy ao anaty - Rôm. 8:9-11.

 

MPAMPIONONA IRAY HAFA (2 Kôr. 1:3,4)

“Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra anay.” – 2 Kôr. 1:3,4. Inona no ambaran’i Paoly momba ny fahafahantsika maneho fiaraha-miory sy fangorahana ho an’ireo manodidina antsika noho ny fahoriana efa hitantsika? Efa niainanao ve ny fahamarinan’ireo teny ireo teo amin’ny fiainanao? Raha eny, tamin’ny fomba ahoana?

Ny teny hoe fampaherezana dia avy amin’ny teny latinina hoe “com” (miaraka amin’ny) sy hoe “fortis” (mahery). Satria mampahery antsika i Kristy amin’ny fijaliantsika, dia afaka mizara izany hery izany amin’ny hafa isika. Ary satria nandray lesona avy tamin’ny fahoriana nihatra tamintsika isika, dia afaka hanampy bebe kokoa ny hafa amin’ny fahoriany.

Mahazatra ao amin’ny fiangonana ny fisian’ny mambra mandalo fahoriana sy ny mambra izay mampahery. Izany fikambanana izany dia afaka hanova ny fiangonanao ho “trano fialofana” - ho “tanàna fandosirana” (vakio ny Nom. 35) sy ho reniranon’ny fanasitranana (vakio ny Ezek. 47:1-12) izay mikoriana any amin’ny fiarahamonina.

Ny fanehoana firaisam-po sy fangorahana dia haikanto. Indreto misy sosokevitra:

  • Aoka ho marina. Ataovy betsaka ny fihainoana mihoatra ny fitenenana. Ataovy azo antoka fa maneho firaisam-po sy fampaherezana koa ny fihetsikao.
  • Manehoa firaisam-po amin’ny fomba miavaka. Ny olona sasany dia maneho fiaraha-miory amin’ny fitomaniana moramora miaraka amin’ilay olona manana olana. Ny hafa indray kosa tsy mitomany fa maneho firaisam-po amin’ny fitondrana na fanaovana zavatra mampahery ilay olona mandalo fahoriana.
  • Matetika, ny fanatrehana dia zava-dehibe noho ny fitenenana na fanaovana zavatra.
  • Avelao haneho ny alahelony araka ny fombany ny olona.
  • Fantaro ireo dingana lalovan’ny olona matetika amin’ny fahoriana.
  • Tandremo tsara ny fitenenana hoe: “Fantatro izay tsapanao.” Mety tsy ho fantatrao mihitsy izany.
  • Misy ny toerana manokana ho an’ireo matihanina amin’ny  fanoroana hevitra sy fitsaboana manokana ny olana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po.
  • Aza miteny hoe “hivavaka ho anao aho” raha tsy misaina ny hanao izany akory ianao. Isaky ny afaka manao izany ianao, dia mivavaha, manokàna fotoana, ary mizarà teny fikasana mampahery avy ao amin’ny Baiboly amin’ireo olona ao anatin’ny fahoriana.
  • Manangàna tarika manao asa fampaherezana ao amin’ny fiangonana misy anao na eo amin’ny fiarahamonina.


 Pejy ambony

ZOMA

 

Fiambenana maraina: Velona tsy araka ny nofo - Rôm. 8:12,13.

 

Filentehan’ny Masoandro: 5.40

 

FIANARANA FANAMPINY: Vakio ny Deo. 24:10-22; Jôna 3; Mal. 3:17; Mat. 15:32-38; Mar. 6:34-44; Gal. 6:2; Heb. 10:32-34; vakio ny asa soratr’i EGW, “Be Sympathetic to All Men,” t. 189, sy ny “Thoughtful of others,” t. 193, ao amin’ny MLT; “Fivavahana sy Fiderana”, toko 11, ao amin’ny TH; “This Is Pure Religion” and “The Parable, WM.

Fianakaviana vitsivitsy no tafaraka nandritra ny fialan-tsasatra. Niaraka tamin’ny ankizy madinika izy ireo, nanao am-ponosana sakafo sy fitaovam-pidiovana homena ireo tsy manan-kialofana teo amin’ny tanàna misy azy ireo. Rehefa avy niasa tao anatin’ny ora vitsivitsy izy ireo, dia niditra tany anaty fiara ary nandeha tany amin’ny toeram-pivarotana lehibe teo an-tanàna. Afaka antsasak’adiny teo, dia nizara ireo fanomezana izy ireo. Nandeha tany amin’ny tranom-bakoka izy ireo avy eo, ary nandeha nisakafo hariva. Raha nandeha hamonjy ny fiarany izy ireo, dia hoy ny anankiray: “Faly aho fa nanao ireny isika, saingy azonareo an-tsaina ve fa ny ankamaroan’ireo nomentsika sakafo ireo dia mbola noana ihany?”

Tsy misy isalasalana fa maro loatra ireo olona any ivelany izay mila fanohanana sy firaisam-po ary fanampiana, ka toy ny hoe tsy mampisy fahasamihafana manao ahoana loatra izay ataontsika! Mety hisy hisaina hoe: midika inona moa ny fanaovana zavatra? Tsy afaka hitondra fahasamihafana amin’ny toe-javatra isika! Maro ny olana aterak’izany fomba fisainana izany. Voalohany, raha toa hisaina toy izany avokoa ny olon-drehetra, dia tsy hisy olona hanampy ny hafa mihitsy. Ary ny fahasahiranana, izay efa mahonena rahateo, dia hiharatsy kokoa aza. Saingy raha manampy ny hafa izay afaka manao izany, dia tsy ho ratsy loatra ny fahasahiranana. Faharoa, tsy nolazaina tamintsika mihitsy tao amin’ny Baiboly fa hofoanana eto an-tany ny fahoriana sy ny fijalian’ny olombelona, ary ny ratsy. Raha ny marina aza, dia ny mifanohitra amin’izay no nolazaina tamintsika. Na i Jesôsy aza, fony teto, dia tsy nanafoana ny fahoriana rehetra nahazo ny olombelona. Nanao izay azony natao anefa Izy, tokony hanao toy izany koa isika: mitondra fampaherezana sy fiaraha-miory, ary fanampiana ho an’ireo azontsika hanaovana izany.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  • Ahoana no hahatonga ny fiangonana misy anao ho toerana fialofana sy fanasitranana ho an’ireo manana fo maratra?
  • Ifanakalozy hevitra ao amin’ny kilasinao ity: “Marobe no manontany tena hoe nahoana Andriamanitra no tsy manao na inona na inona. Saingy Andriamanitra kosa manontany tena hoe nahoana ny ankamaroan’ny vahoakany no tsy miraika.” – Dwight Nelson, Pursuing [Chasing; Following] the Passion of Jesus (Nampa, Idaho: Pacific Press ® Publishing Association, 2005). Mitovy hevitra amin’izay ambaran’io tenin’i Dwight Nelson io ve ianao? Raha eny, inona no azontsika atao hanovana izany?

Vakio izay nambaran’i Ellen G. White: “Ny teny malefaka tenenina amin’ny fomba tsotra, ny fiheverana aseho amin’ny fomba tsotra, dia handroaka ny rahon’ny fakam-panahy sy ny ahiahy izay manodidina ny fanahy. Ny ohatra tsotra sy tena vokatry ny fo amin’ny firaisam-po nananan’i Kristy dia manana hery hamoha ny varavaran’ny fo maro. Ireo fo izay mila ny fikasihana tsotra sy manohina ataon’ny Fanahin’i Kristy.” – TFC, b. 9, t. 30. Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny fahefana mahatalanjona hanaovana ny tsara izay hita ao amin’ny fahatsaram-panahy sy ny firaisam-po rehefa manatratra ny hafa mandalo fahoriana isika?


 Pejy ambony