LESONA 8

12 - 18 NOVAMBRA

RA MARINA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jôba 10; Isa. 53:6; Rôm. 3:10-20; Jôba 15:14-16; Jôba 1:18-20; Mat. 6:34.


Tsianjery:
“Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” – Heb. 11:1


I Albert Camus, mpanoratra teratany Alzerianina dia niady mafy tamin’ny resaka momba ny fahorian’ny olombelona. Tao amin’ny boky nosoratany atao hoe The Plague, dia nampiasa ny pesta izy ho sary an’ohatra maneho ny aretina mitondra fanaintainana sy fahoriana ho an’ny olombelona. Nanoratra tantara izy momba ny zazalahy kely iray izay maty noho ny aretin-dratsy iray. Taorian’izay ny pretra iray, izay nanatri-maso ny fahafatesana mahatsiravin’ity zaza ity, dia nilaza tamin’ny mpitsabo iray izay nanatrika teo ihany koa hoe: “Mahatsiravina ny zavatra toy izao satria mihoatra ny fahatakarantsika olombelona izany, nefa tokony hotiavintsika angamba ny zavatra tsy takatsika.” Namaly tamim-pahatezerana ilay mpitsabo hoe: “Tsia ry Môpera, hafa mihitsy ny fandraisako izany fitiavana izany. Ary mandra-pahafatiko, dia holaviko ny hitia sary iray maneho ankizy ampijaliana.” – nalaina sy nasina fanamboarana avy tamin’ny La Peste, Albert Camus (New York: FirstVintage International Edition, 1991), t. 218.


Io tantara io dia mampiseho izay hitantsika ao amin’ny bokin’i Jôba: valinteny maivamaivana nomen’ny sakaizan’i Jôba ho an’ny olana iray tsy azo tsinontsino     avina. Fantatr’i Jôba, tahaka ny nahafantaran’ilay mpitsabo eto, fa tsy hamaha ireo olana tsy akory ny valinteny “maivana”. Araka izany, dia ity no fihaikana: ahoana no ahitantsika valinteny mahatakatra ny toe-javatra manana ny lanjany? Amin’ity herinandro ity isika dia hanohy ny fitadiavantsika izany.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

NY FITARAINAN’I JOBA (Jôba 10)


Nisy marina izay nolazain’i Elifaza sy i Bildada ary i Zofara, dia ny hoe: manafay ny ratsy fanahy tokoa Andriamanitra, saingy tsy mifandraika amin’ny toe-javatra misy an’i Jôba izany. Tsy vokatry ny famaizan’Andriamanitra ara-drariny tsy akory ny fahorian’i Jôba. Tsy manafay an’i Jôba noho ny fahotany Andriamanitra, tahaka izay nataony tamin’i Kora sy i Datana ary i Abirama. Tsy mijinja izay nafafiny tsy akory i Jôba; tsy izany, fa izy dia lehilahy marina ary Andriamanitra mihitsy no nilaza izany (vakio ny Jôba 1:8). Araka izany, dia tsy mendrika azy ny zavatra nihatra taminy, ary fantany izany. Izany no mahatonga ny fitarainany ho mafy sy mangidy.


Vakio ny Jôba 10. Inona no lazain’i Jôba amin’Andriamanitra? Nahoana izany no mitombina tokoa rehefa eritreretina izay nanjò an’i Jôba?


Amin’ny fotoana isian’ny fahoriana lehibe, moa tsy efa nametraka fanontaniana toy ireo ve ny olona izay mino  an’Andriamanitra? Andriamanitra ô, nahoana re Ianao no nisahirana namorona ahy? Na koa hoe: Nahoana no manao izao amiko Ianao? Na hoe: Tsy ho tsaratsara kokoa ve raha toa aho tsy teraka akory toy izay nohariana ka miatrika izao?


Vao mainka sarotra amin’i Jôba ny mahatakatra ny anton’izao rehetra izao noho ny fahafantarany fa nahatoky tamin’Andriamanitra izy. Nitomany mafy Taminy izy hoe: “Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ny tananao” – Jôba 10:7.


Misy zavatra mahasanganehana tokoa eto: hafa ny lazain’ireo sakaizany, saingy tsy vokatry ny fahotany ny fahoriana mahazo an’i Jôba. Ny boky aza dia mampianatra ny mifanohitra amin’izay: azom-pahoriana i Jôba noho ny fahatokiany. Manamafy ny maha-marina izany ireo toko roa voalohany ao amin’ny boky. Tsy fantatr’i Jôba mihitsy ny anton’ny fijaliany, ary raha toa ka fantany aza izany, dia azo antoka fa hahalehibe kokoa ny fangidiana sy ny fahadisoam-panantenany.


Somary miavaka ny toe-javatra manjò an’i Jôba, tsy vaovao amin’ny olon-drehetra ihany anefa izany satria miresaka momba ny fahoriana, fahoriana izay toa hita ho lehibe lavitra noho ny zavatra azon’ny olona ratsy fanahy iray atao.


Inona no azonao lazaina amin’ny olona iray izay mieritreritra fa mijaly tsy ara-drariny?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

RA MARINA HOE? (1 Mpanj. 8:46)


Matetika no ahenoantsika olona miresaka momba ny “olona tsy manan-tsiny” mijaly. Ny Baiboly aza dia mampiasa mihitsy ny teny hoe “ra marina” (Isa. 59:7; Jer. 22:17; Joe. 3:19). Ampiasain’ny Baiboly ireo teny enti-milaza ny fikapohana, na ny famonoana mihitsy aza, rehefa misy olona iharan’ny zavatra tsy tokony hanjò azy. Ny fahatakarana ny hevitry ny hoe “ra marina” dia midika ho fahatakarana fa ny tontolo misy antsika dia feno ohatra ny amin’izany.


Ny Baiboly anefa dia tsy miresaka momba ny maha-be fahotana ny olombelona, fa kosa miresaka momba ny hevitry ny hoe “tsy misy tsiny”. Raha toa ny olona rehetra efa nanota, efa nandika ny didin’Andriamanitra, dia iza àry no tena marina? Nisy olona iray izay nilaza hoe: “Ny taratasy fanamarinana ny nahaterahanao dia porofo maha-meloka anao.”


Nandritra ny taonjato maro ireo mpandinika ny Baiboly no niady hevitra momba ny tena toetry ny fifandraisan’ny olombelona sy ny fahotana. Mazava anefa ny ambaran’ny Baiboly fa nahakasika ny fiainan’ny olombelona rehetra eto an-tany ny fahotana. Tsy ao amin’ny TV ihany no ahitana ny hevitra mikasika ny maha-mpanota ny olombelona, manampy izay voasoratra ao amin’ny TT aza ny TV.


Vakio ny 1 Mpanj. 8:46; Sal. 51:5; Ohab. 20:9, Isa. 53:6, ary ny Rôm. 3:10-20. Inona no ampianarin’ireo toko sy andininy ireo mikasika ny ota?


Mazava ny ambaran’ny Baiboly momba io resaka io. Na iza na iza koa anefa no mahafantatra fa tsara sady masina Andriamanitra, dia mahafantatra ny maha-mpanota ny olombelona. Amin’izay heviny izay, iza amintsika (tsy tafiditra ao ny zazakely sy ny zaza mbola kely) no tena “marina”?


Tsy izay anefa no tena tiana horesahina. Mpanota i Jôba, izany hoe tsy marina izy, mainka moa fa ireo zanany. Na izany aza anefa, inona no nataony, na nataon’izy ireo ka mahatonga azy ireo ianjadian’izao loza izao? Moa tsy izany ve no fanontaniana apetraky ny olon-drehetra mikasika ny fijaliana? Mety niresaka momba ny “manda fotaka” (Jôba 13:12) ireo sakaizan’i Jôba, saingy i Jôba kosa dia nahalala fa tsy mendrika azy ny zavatra nitranga taminy.


Ahoana no hahatonga ny fanandramana ny amin’ny fahafantarana an’Andriamanitra sy ny fahamasinany hanampy antsika hahatakatra ny filàntsika ny Hazo Fijaliana? (Marina izany rehefa mahatsapa ny maha-mpanota antsika isika).



 Pejy ambony

TALATA

 

FAHAFATESANA TSY ARA-DRARINY (Jôba 15:14-16)


Vakio ny Jôba 15:14-16. Inona ny fahamarinana resahin’i Elifaza amin’i Jôba?


Eto dia mbola milaza fahamarinana hatrany i Elifaza (tahaka ireo hafa). Amin’ity dia miresaka momba ny maha-mpanota ny olombelona rehetra izy. Toe-javatra iray tsy azo ovaina ny fahotana raha eto an-tany, tahaka izany ihany koa ny fahoriana. Fantantsika ihany koa anefa fa ny fahoriana rehetra mahazo ny olombelona dia avy amin’ny fahotana. Tsy isalasalana ny fahafahan’Andriamanitra mampiasa ny fahoriana mba hampianarana antsika lesona manan-danja. “Hatrany hatrany, dia nampandalovin’Andriamanitra tao amin’ny memy fahoriana ny olony. Izany no fomba isarahan’ny loto sy ny tena volamena eo amin’ny toetra kristianina.” – PM, t. 118.


Misy olana goavana kokoa anefa amin’ny fahoriana, ahoana ny amin’ireo fotoana izay tsy ahazoana soa avy amin’izany? Ahoana ny amin’ny fahorian’ireo manana loto tsy voasaraka  amin’ny tena volamena amin’ny toetrany, satria maty tampoka? Ahoana ny amin’ireo mijaly, kanefa tsy mahalala akory ilay Andriamanitra marina ary tsy mahafantatra na inona na inona momba Azy? Ahoana ny amin’ireo tezitra sy voaratra mafy ary feno fankahalana an’Andriamanitra noho ireo fahoriana mihatra aminy? Tsy azontsika odian-tsy hita ireo ohatra ireo, tsy azontsika atao ny manatsoa-kevitra amin’ny valinteny tsotsotra manoloana toe-javatra sarotra toy izany. Ny fanaovana izany dia mety hahatonga antsika hanao ny fahadisoana nataon’ireo sakaizan’i Jôba rehefa nanome tsiny azy noho ny fahoriany.


Inona ihany koa ny soa avy amin’ny fiafaran’ny fiainan’ny biby maro noho ny fahamaizan’ny ala, dia ireo biby izay voadotra velona ka maty amin’ny fomba mampihoron-koditra? Ahoana ny amin’ireo olona an’arivony maro maty noho ny loza ara-boajanahary (horohoron-tany; rivo-doza)? Ahoana ny amin’ireo olona maty any an’ady? Inona ny lesona azon’izy ireo notsoahina, na ny fianakaviany, rehefa nindaosan’ny fahafatesana niaraka taminy ny fianakaviany? Mampametra-panontaniana ny amin’ireo zanak’i Jôba miisa folo izay maty, toy izany koa ny amin’ireo mpanompony izay novonoina tamin’ny “lelan-tsambatra” (Jôba 1:15), na ireo izay voadotra velona tamin’ny “afon’Andriamanitra” (Jôba 1:16), na ireo mpanompo hafa koa izay nasiana “tamin’ny lelan-tsabatra” (Jôba 1:17).


Inona ny lesona mety ho nianaran’i Jôba sy ireo sakaizany? Inona ny faharesena natrehin’i Satana tamin’ny alalan’ny fahatokian’i Jôba? Tsy rariny tokoa ny fiafaran’ny fiainan’ireo olona miaritra fahoriana. Raha ny marina dia tsy rariny ireo zavatra ireo, ary tsy tokony ho izay no mitranga.


Miatrika ny ankamaroan’ireo fihaikana ireo isika amin’izao fotoana izao. Zaza vao enin-taona matin’ny aretina homamiadana, rariny ve izany? Nosintonina nivoaka ny fiarany ny tovovavy mpianatry ny oniversite vao roapolo taona, ary naolana, rariny ve izany? Renim-pianakaviana 35 taona manan-janaka telo, maty tanaty lozam-piarakodia, rariny ve izany? Ahoana ny amin’ireo teratany Japôney 19.000 maty tamin’ny horohoron-tany tany Tohoku tamin’ny taona 2011? Nanao heloka izay nahatonga ny fahafatesany ho sazy sahaza ve ireo 19.000 ireo? Raha tsy izany, dia tsy rariny ihany koa ny fahafatesan’izy ireo. Fanontaniana saro-baliana ireo.


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

AMPY HO AN’NY ANDRO… (Gen. 4:8)


Vakio ny Jôba 1:18-20; Gen. 4:8; Eks. 12:29,30; 2 Sam. 11:17; Jer. 38:6; Mat. 14:10; ary ny Heb. 11:35-38. Eritrereto ny momba ny fahafatesana tampok’ireo olona ao amin’ireo toko sy andininy ireo. Anontanio ny tenanao avy eo hoe: nanao ahoana ny nahazo azy ireo, rariny ve?


Ny Baiboly dia maneho tranga mahakasika ny fiainana ao anatin’ny tontolo feno fahotana izay misy antsika. Tena misy tokoa ny fahoriana sy ny devoly. Ny famakiana maimaika ny Tenin’Andriamanitra dia hahatonga fiheveran-diso fa ny fiainana eto dia tsara sy tsy miangatra. Mety hahatonga fiheveran-diso ihany koa izany, hoe raha mitoetra ho mahatoky amin’Andriamanitra isika, dia tsy ho azon’ny fahoriana. Azo antoka fa ahazoana valisoa lehibe tokoa ny fahatokiana amin’izao fotoana izao, saingy tsy midika izany fa mamefy na manakana ny fahoriana sy ny fangirifiriana izany. Anontanio fotsiny i Jôba.


Nandritra ilay Toriteny Teo an-tendrombohitra, i Jesôsy dia nanome toriteny miezinezina mikasika ny antony ilantsika ny fitokiana amin’Andriamanitra sy ny tsy tokony hanahiana ny amin’izay hohanina sy hosotroina ary hotafiantsika. Nampiasa ny ohatra avy amin’ny zava-boary i Jesôsy ho lesona mazava mikasika ny antony tokony hitokiantsika amin’ny fahatsaran’Andriamanitra fa Izy no hanome izay ilaintsika. Avy eo dia niteny ireto teny efa maro mpahalala ireto izy: “Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy.” – Mat. 6:34.


Mariho ny hoe “Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy (Mat. 6:34). Tsy mandà ny fisian’ny devoly eo amin’ny fiainantsika i Jesôsy, na ny fisiany isan’andro (ny devoly dia avy amin’ny teny Grika izay midika hoe “faharatsiana”). Ny mifanohitra amin’izay aza no ataony, mampitandrina antsika amin’ny fisian’ny devoly eo amin’ny fianantsika andavanandro Izy. Ahoana moa no tsy hanaovany izany? Amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia mahafantatra zavatra betsaka lavitra momba ny devoly noho isika Izy, ary azo antoka fa ny ankamaroantsika dia efa mahalala betsaka momba izany.


Iza moa no mbola tsy nahatsapa kely (na be) ny maha-tsy ara-drariny sy mangidy ny fiainana? Ahoana no hahatonga ny fihainoana ny fampitandreman’i Jesôsy momba ny fisian’ny ratsy eo amin’ny fiainantsika andavanandro hanome fampaherezana sy hery antsika?



 Pejy ambony

ALAKAMISY

IREO ZAVATRA TSY HITA (Jôba 3:5)


Vakio ny Ohab. 3:5. Toko sy andininy mahazatra io ohabolana io, inona anefa ny hafatra manan-danja entiny ho antsika, indrindra eo am-pieritreretana ny zavatra izay vao avy nianarantsika?


Ohatra iray mafy tokoa amin’ny fahoriana ny nahazo an’i Jôba, saingy maneho izany fa tena misy tokoa ny fijalian’ny olombelona, ary mampivarahontsana izany eto amin’ity tontolo feno fahotana izay misy antsika ity. Tsy mila ny tantaran’i Jôba na ireo tantara hafa hitantsika ao amin’ny Baiboly isika vao hahafantatra fa tena misy izany. Hitantsika manodidina antsika izany, ary raha ny marina aza dia iainantsika rehetra izany.


“Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.” – Jôba 14:1,2.


Ny fanontaniana mbola hiadiantsika mafy eto indray dia ny hoe: ahoana no hanazavantsika ny amin’ny fahoriana? Ny karazana fahoriana izay tsy takatsika, ny fahoriana izay isian’ny ra marina latsaka.


Araka izay nasehon’ireo toko voalohany amin’ny bokin’i Jôba, sy izay nasehon’ny Baiboly ihany koa, dia tena misy i Satana ary izy no anton’ny fahoriana marobe. Araka izay hitantsika tamin’ny fiandohan’ity telovolana ity (vakio ny lesona 2), ny foto-kevitry ny ady lehibe ifanandrinan’i Kristy sy i Satana ihany koa dia manampy antsika hahita fa tena misy eto amin’ity tontolontsika ity ny devoly.


Na izany aza anefa, dia sarotra ihany ny mahatakatra indraindray hoe nahoana no mitranga ny toe-javatra sasany. Indraindray dia tsy hay hazavaina ny zavatra iray. Tahaka izany mandrakariva, rehefa misy zavatra mitranga ka tsy takatsika no ilantsika mianatra ny mitoky amin’ny fahatsaran’Andriamanitra. Ilaintsika ny mianatra mitoky amin’Andriamanitra na dia tsy mazava loatra aza ny valinteny ka tsy mahita zava-tsoa avy amin’ny zavatra ratsy sy ny fahoriana manodidina antsika isika.


Mivaky toy izao ny Heb. 11:1: “Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” Avy amin’ny zavatra hita, ahoana no ahafahantsika mianatra mitoky amin’Andriamanitra mikasika ireo zavatra tsy hitantsika? Raha mijery ireo zavatra novakiantsika tao amin’ny bokin’i Jôba, inona no nianarany? Ahoana no hianarantsika hanao toy izany koa?


 Pejy ambony

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: Ny teny fampidirana tamin’ny Sabata dia niresahana momba an’i Albert Camus, izay nanoratra momba ny tolona nataony mba hahitam-baliny. Niady mafy ho an’ny resaka momba ny fijaliana sy ny dikan’ny fiainana amin’ny kapobeny izy. Tahaka ny ankamaroan’ireo olona tsy mpino an’Andriamanitra, dia tsy nahita valiny mahafatra-po izy. Ny teny nataony malaza indrindra dia maneho fa kely ihany ny zavatra hainy: “Iray ihany no olana ara-pilôzôfia tena sarotra, dia ny famonoan-tena izany. Ny fitsarana raha toa mendrika ny hiainana ny fiainana na tsia dia manampy amin’ny famaliana ny fanontaniana fototry ny filôzôfia.” – nalaina sy nasiana fanamboarana avy tamin’ny The Myth of Sisyphus and Other Essays (New York: Vintage Books, 1995), t. 3. Azo antoka fa ny lohahevitra momba ny fahorian’ny olombelona dia fanontaniana saro-baliana. Ny bokin’i Jôba dia manala sarona ka maneho antsika sary lehibe kokoa momba izany noho izay mety hitantsika any amin’ireo boky hafa. Na dia mamaky io boky io iray manontolo aza anefa isika, dia mbola maro ihany ireo fanontaniana tsy voavaly.


Misy anefa ny fahasamihafana manan-danja eo amin’ireo izay miady mafy hahita valinteny amin’ny resaka fahoriana, ka manao izany tsy misy an’Andriamanitra sy ireo izay manao izany miaraka amin’Andriamanitra. Eny tokoa, miha-sarotra ny olana momba ny fahoriana sy ny fijaliana rehefa mino ianao fa eo Andriamanitra, saingy manana ny zavatra tsy ananan’ny olona tsy mpino an’Andriamanitra tahaka an’Andriamatoa Camus isika: dia ny fahafantarana ny valin’izany avy amin’ny Baiboly. (Misy ny porofo fa taty aoriana dia naniry ny hatao batisa Andriamatoa Camus, saingy voan’ny lozam-piarakodia izy ka maty tamin’izay). Manana fanantenana isika fa “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha” – Apôk. 21:4. Na dia tsy nino izany teny fikasana izany aza ny olona iray na ny maro amin’ireo ao amin’ny Baiboly, dia tsy maintsy hiaiky izy fa ho tsara kokoa ny fiainana rehefa manana izany fanantenana izany fara-fahakeliny. Tsy maintsy hiaiky izy fa tsara lavitra ny fananana izany fanantenana izany noho ny miaina ny fiainana eto miaraka amin’ny asa mafy sy ireo tolona marobe, ary ny fahafatesana mandrakizay, izay tsy misy heviny fa poaka aty.


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:


Ny fanohanan-kevitra entin’ny olona rehefa miresaka momba ny devoly dia ny hoe: eny e, misy eto an-tany ny faharatsiana, saingy ny tsara no betsaka mihoatra ny ratsy. Ny fanontaniana voalohany tonga ao an-tsaina ho setrin’izany fonjan-kevitra izany dia ny hoe: ahoana no hahafantarana fa mandresy ny ratsy ny tsara? Ilay filôzôfa Alemanina antsoina hoe Arthur Schopenhauer dia nampiasa ohatra iray miezinezina hamotehina ny fisainana momba ny fifandanjan’ny ratsy sy ny tsara eto amin’ity tontolo ity. Nanoratra toy izao i Schopenhauer: “Andeha atao hoe mihoatra ny fangirifiriana ny fahafinaretana eto amin’izao tontolo izao, na koa hoe misy ny fifandanjana eo amin’ireo roa ireo. Raha tian’ny mpamaky ny hanamarina izany dia asaivo mampitaha ny fahatsapan’ny biby anankiroa izy, izay mifampihinana.” Ahoana no havalinao ny fisainana mivoy fa mifandanja amin’ny ratsy ny tsara?


 Pejy ambony