LESONA 9


ILAY FIFANANDRINAN-KERY LEHIBE SY NY FIANGONANA VOALOHANY

 

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa. 1:6-8; Asa. 2:5-12; Gen. 11:1-9; Asa. 4:1-30; Asa. 7:54; Asa. 10:12-29.

Tsianjery: Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.” – Asa. 4:13

 

Ny olana lehibe indrindra natrehan’i Jesôsy teo amin’ireo mpanara-dia Azy dia ny hevitra mibahana mialoha tao an-tsain’izy ireo. Tsy dia nampiraika loatra ireo mpianatra izay nolazain’i Jesôsy rehefa tsy nifanaraka tamin’izay noheverin’ izy ireo ho maha-Izy Azy izany. Hatramin’ny fotoana niakarany ho any an-danitra dia mbola nanontany Azy hatrany mikasika ny fanafahana ny Isiraely amin’ny ziogan’ny Rômanina ireo mpianany.

   Taorian’ny folo androm-bavaka sy ny firaisam-po teo amin’izy ireo teo ambany fanatrehan’Andriamanitra vao nosoloin’ny fahamarinana ny hevitra mibahana mialoha tao amin’izy ireo. Izay vao vonona ny hihaino izay holazain’Andriamanitra aminy ireo mpianatra, izany toe-javatra izany no nanokatra lalana ho an’ny zavatra nampitolagaga izay niseho tamin’ny Pentekôsta voalohany, taorian’ny nahafatesan’i Jesôsy.

    Tsy isalasalana fa niatrika fihaikana marobe tokoa ny fiangonana, indrindra fa maro ireo mpitarika ara-pivavahana teo an-toerana no tsy nitovy fomba fijery tamin’izy ireo.

    Araka izany, mandritra ny lesona amin’ity herinandro ity dia ho hitantsika amin’ny endrika samy hafa ny fifanandrinan-kery lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Ho hitantsika fa aseho miharihary izany, satria mahazo saina avy amin’i Satana ireo manam-pahefana mba hanakanana ny fahamarinana tsy hiely. Ho hitantsika ihany koa ny fifanandrinan-kery lehibe izay miseho any amin’ny toerana miafinafina kokoa, nefa manan-danja: ny fon’olombelona izany.

 

ALAHADY

NY FIANTOMBOHAN’NY FIAINGANA VAOVAO (Asa. 1:6-8)

    Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty dia mbola niseho tamin’ny mpianany nandritra ny efapolo andro i Jesôsy, mba ho vavolombelon’ny fitsanganany tamin’ny maty sy hanampy azy ireo hahazo tsara ny momba ny fanjakan’Andriamanitra (Asa. 1:3; 1 Kôr. 15:4-7). Na dia nahita an’i Jesôsy aza anefa ireto mpianatra ireto, mialoha ny hiakaran’i Jesôsy ho any an-danitra, dia mbola nanontany ihany raha toa ka amin’izay fotoana izay no handresen’i Jesôsy ny Rômanina (Asa. 1:6).

     Nibahana loatra tao an-tsain’ireo mpianatra ny fiheverany mikasika izay tokony hitranga, hany ka tsy nihaino izay nolazain’i Jesôsy taminy izy ireo. Mbola nanana fiheveran-diso tokony hialana ihany izy ireo na dia efa niaraka tamin’Ilay mpampianatra tsara indrindra teto amin’izao tontolo izao, nandritra ny telo taona sy tapany aza.

 

  Vakio ny Asa. 1:6-8. Nanao ahoana ny famalian’i Jesôsy teo anatrehan’izany fiheverana raiki-tapisaka izany?

 

     Nifantoka kokoa tamin’ny zavatra tokony horesahina i Jesôsy fa tsy nandany andro tamin’ny fiezahana hanitsy ny hevi-dison’ireo mpianatra. Zava-dehibe lavitra noho ny fifanakalozan-kevitra ara-pôlitika ny fanomezan’Andriamanitra hery ny olony amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

     Rehefa avy nijery an’i Jesôsy niakatra ho any amin’ny rahona ary tsy hitan’izy ireo intsony ireo mpianatra, dia nahita roa lahy nijoro teo anilan’izy ireo, nilaza taminy fa ho avy indray i Jesôsy. Tahaka ny nandraisana Azy tany an-danitra amin’ny maha-Mpanjaka nandresy Azy no hiverenany indray, toy ny Mpanjaka. Saingy mihoatra lavitra noho izay nofinofisin’izy ireo izany andro izany- satria ho avy amin’ny maha-mpanjakan’ny voary rehetra Azy Izy, fa tsy mpanjakan’ny ampahan-tany any amin’ny faritra Moyen-Orient ihany tsy akory.

    Niverina tany Jerosalema ireo mpianatra iraika ambin’ny folo lahy avy tany an-tendrombohitra Oliva. Fahatsiarovana maro no nameno ny sain’izy ireo, ary feno ny fahamarinana nampianarin’i Jesôsy ny fony (farafahakeliny ireo izay azony tsara). Tsy ampy azy ireo anefa izany. Nilaza tamin’izy ireo i Jesôsy hiandry andro vitsivitsy mandrapanaon’ny Fanahy Masina batisa azy ireo (Asa. 1:4,5). Efa resy ilay fahavalo (i Satana), saingy mbola tsy vita hatreo ny ady, ary mila hery avy any ambony ireo mpianatra hahafahany manatanteraka izay nasain’i Jesôsy ataon’izy ireo.

 

  Vakio ny Asa. 1:14. Inona ny fahasamihafana lehibe misy eo amin’ny fifandraisan’ny mpianatra eto, raha ampitahaina amin’ny fotoana lasa, izay hita ao amin’ny Mat. 20:20-24? Inona ny hafatra ho antsika ao amin’izany fiovan-toetra izany? Amin’ny fomba ahoana no hahaizanao mamela ny “izaho” mba ho fiomanana amin’ny filatsahan’ny Fanahy Masina?

   

ALATSINAINY

NY PENTEKOSTA (Asa. 2:2,3)

   Nandritra ny folo andro dia (1) nivavaka ireo mpanara-dia an’i Jesôsy, (2) nianatra ny Soratra Masina sy nitadidy ireo fanandramana niainany niaraka tamin’i Jesôsy, (3) naneho fanekena ny hafa, ary (4) namela ny Fanahy Masina hampahafantatra azy ireo ny fahamarinana. Tamin’ny fiantombohan’ny famoronana dia tambonin’ny lalina ny Fanahin’Andriamanitra, tahaka izany koa no nitoeran’ny Fanahin’Andriamanitra tamin’ireo mpianatra tsirairay avy, izay niseho tamin’ny lela mitarehin’afo nizarazara nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona (Asa. 2:2,3). Fiaingana vaovao izany, famoronana vaovao.

    Vakio ny Asa. 2:5-12. Inona no maha-zava-dehibe ny toe-javatra nitranga ao amin’ireo andininy ireo? Ampitahao amin’izay hita ao amin’ny Gen. 11:1-9 ny toe-javatra niainan’izy ireo.

 

    Fotoavana fohy taorian’ny safo-drano, nanapa-kevitra ny hanangana tilikambo izay hahatakatra ny lanitra ny olona teto an-tany (Gen. 11:1-9), saingy nosakanan’Andriamanitra tsy hahatontosa izany fikasana tsy misy heviny sy feno fireharehana izany izy ireo (Gen. 11:5,6). Tamin’ny alalan’ny fikororohana ny fitenin’izy ireo sy ny fampielezana azy “ho eny ambonin’ny tany rehetra” (Gen. 11:7-9) no nanaovan’ Andriamanitra izany.

   Zavatra nifanohitra tamin’izay no nataon’Andriamanitra tamin’ny Pentekôsta. Tsy nanorina ny tilikambo vaovaon’i Babela mantsy ny olona teto, fa kosa nivonona hitory ny vaovao mahafaly fa indray andro any dia hofoanana mandrakizay ny devoly.

    Tao Jerosalema ny olona “avy tamin’ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ny lanitra” tamin’izay andro izay (Asa. 2:5, ampitahao amin’ny fampielezana ny olona tamin’ny andron’ny tilikambon’i Babela). Talanjona izy ireo noho ny fandrenesany ny fiteniny nitenenan’ireo mpianatra (Asa. 2:6-11).

     Nampiasain’i Petera nitoriana teny tamin’izy ireo izany toe-javatra izany. Niresaka momba ny filatsahan’ny Fanahy Masina izay manomana ny olona hihaona amin’Andriamanitra izy (Asa. 2:17-21). Naneho ny iraka marina nampanaovina ny Mesia izy, ary niteny mafy azy ireo noho ny nanomboany Azy tamin’ny hazo fijaliana (Asa. 2:23). “Voatsindrona tam-pony” izy ireo (Asa. 2:37), telo arivo no natao batisa ka nanampy isa ny Apôstôly (Asa. 2:41).

      Navelan’ny olona sasany, teo ambany fitarihan’i Satana, hitranga ny fahafatesan’i Jesôsy. Izao kosa anefa dia manjary mpanara-dia an’i Jesôsy izy ireo, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Inona no ambaran’izany amintsika mikasika ny herin’Andriamanitra, izay namela ny fahotana ratsy indrindra ary nanova ny fo vato?

TALATA

TEO ANATREHAN’NY SADOSEO (Asa. 4:1-30)

    Vakio ny Asa. 4:1-30. Ahoana no fisehon’ny foto-kevitra momba ny fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy eto? Ahoana no ilazana fa ohatra iray amin’izay efa nitranga teo amin’ny tantara izany? Ahoana no fahitantsika ny fiasan’i Satana eto, sy ny fiasan’Andriamanitra ihany koa?

    Hitan’ny mpisorona sy ny mpanapaka fa nasandratra amboniny Kristy. Romotra ny Sadoseo izay tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty, raha nandre ny Apostoly nanambara fa efa nitsangana tamin’ny maty Kisty; tsapan’izy ireo fa     raha havela hitory ny amin’ny Mpamonjy natsangana tamin’ny maty ny Apostoly, ka hanao fahagagana amin’ny Anarany, dia hotsipahin’ny rehetra ny foto-pinoana milaza fa tsy miy ny fitsanganana amin’ny maty, ka vetivety dia ho faty ny antokon’ny Sadoseo.” – VM, t. 72.

    Ny fanasitranana nataon’ny Tompo tamin’ny alalan’i Petera no nahatezitra ireto mpitarika ireto (vakio ny Asa. 3:1-10). Saingy tsy nihemotra ireo mpianatra na dia nandrahona azy tsy hitory intsony aza ireo mpitarika ara-pivavahana ireo. Tsy nanampo zavatra toy izany avy tamin’ny lehilahy “tsy mpahay lalàna na nampianarina” (Asa. 4:13) ny mpisorona. Rehefa nasainy nivoaka ny efitrano ireo mpianatra dia niara-nisaina ny amin’izay hatao izy ireo. Nihevitra izy fa raha handrara ireto lehilahy ireto tsy hampianatra amin’ny anaran’i Jesôsy intsony dia hanao araka izany izy ireo (Asa. 4:18), diso hevitra anefa ireto mpitarika ara-pivavahana ireto.

     Tsy izay no nitranga fa niverina tany amin’ny namany ireo mpianatra, ka niara-nidera an’Andriamanitra izy rehetra (Asa. 4:24), ary nangataka fahasahiana bebe kokoa sy nangataka ny mba haninjiran’Andriamanitra ny tanany hahasitrana (Asa. 4:29, 30). Tsy niandry valim-bavaka ela be izy ireo. Noho ny fitomboan’ny lazan’ireo Apôstôly, dia nentin’ny olona teny an-dalam-be ny marary mba ho azon’ny tandindon’i Petera raha mandalo izy (Asa. 5:15). Olona marobe avy any amin’ny vohitra manodidina no tonga tao an-tanàna, ary sitrana avokoa ny marary nentin’izy ireo (Asa. 5:16).

    Hitantsika fa mitohy hatrany ny fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy eto. Nanao izay hanafenana ny fahamarinana ireo mpitarika ara-pivavahana tsy mahatoky ireo, namaky ny tenin’Andriamanitra kosa ireo olona mahatoky ary nangataka ny heriny tamin’ny alalan’ny vavaka. Sitrana ny marary, ary fanahy maro no babo. Mety tsy mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny toe-javatra ho antsika tahaka ny niainan’ireo mpianatra, saingy tokony hotsarovantsika mandrakariva fa hifarana ilay fifanandrinan-kery lehibe, ary  azo antoka fa ho azontsika ny fandresena farany noho ny amin’izay nataon’i Jesôsy ho an’ny olona rehetra.

ALAROBIA

NY FITORAHAM-BATO AN’I STEFANA (Asa. 7:2-53)

    Tsy ireo Apôstôly ihany tsy akory no niharan’ny fanenjehan’ireo mpitarika ara-pivavahana tamin’ny andro niantombohan’ny fiangonana voalohany. Nentina teo anatrehan’izy ireo i Stefana, izay feno “fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.” – Asa. 6:8. Nahery tokoa ny fijoroana ho vavolombelona nataony ka nampiely lainga momba azy ny fahavalony, ireo fiampangana diso ireo no nitondrana an’i Stefana teo amin’ny Synedriona (Asa. 6:9-14).

    

     Nanome hafatra mahery vaika ho an’ireo izay niampanga azy i Stefana ao amin’ny Asa. 7:2-53. Ny Asa. 7:54 dia milaza fa “lotika ny fony”, izay midika fa voakasika ny fony ary nahatsiaro ho meloka izy ireo raha nandre ny tenin’i Stefana. Ao amin’ny Asa. 2:37-41 indray anefa, rehefa nandre an’i Petera nilaza fiampangana marobe toy izay nataon’i Stefana, dia telo arivo no voakasika tam-pony ary natao batisa. Inona no fahasamihafana teo amin’ireo izay nandre an’i Stefana sy ireo nandre ny tenin’i Petera? Inona no ambaran’izany momba ny maha-zava-dehibe ny fanolorana tanteraka ny fo ho an’Andriamanitra?

 

     Hatrizay dia tsy nisy ny fifanandrinana teo amin’ireo mpitarika ara-panahy sy ny Apôstôly, saingy rehefa nanao toy izay nataon’izy ireo i Stefana dia novonoin’ny vahoaka feno fahatezerana. Ny fahafatesan’i Stefana no nampiseho ny fiantombohan’ny ezaka voalamin’i Satana entina hanimbana tanteraka ilay fihetsehana ara-pivavahana vaovao. Hatreo amin’io fotoana io dia voampanga sy norahonana ireo mpanara-dia an’i Kristy, saingy i Stefana kosa no niharan’ny famonoana voalohany.

   Inona moa no nandrasan’izy ireo? Raha nahavita nampirisika ireo mpitarika sasany hamono an’i Jesôsy i Satana, dia tokony hisaina ny mpanara-dia Azy fa hiharan’ny toe-javatra mitovy amin’izany koa izy ireo.

    Nandritra ny fifanandrinan-kery lehibe dia mitondra fandresena hatrany Andriamanitra eo amin’ny toe-javatra izay toa heverina ho faharesena, izany no niseho teto.

    “Rehefa maty i Stefana, dia voafidy ho anisan’ny Synedriona i Saoly ho fankasitrahana ny anjara noraisiny tamin’izany. Nisy fotoana izay nahatonga azy ho fiasana mahery vaika teo am-pelatanan’i Satana hanatanteraka ny fikomiany amin’ny zanak’Andriamanitra. Nefa tsy ela dia nampiasaina hanorina ny fiangonana izay norotidrotehiny ilay mpanenjika tsy nety sasatra. Nisy mahery noho i Satana efa nifidy an’i Saoly handray ny toeran’i Stefana novonoina ho maritiora, hitory sy hijaly noho ny anarany, ary hanaparitaka lavitra sy hatraiza hatraiza ny vaovao mahafalin’ny famonjena amin’ny alalan’ny rany.” – VM, t. 91.

 

    Indraindray isika dia mahita zavatra tsara avy amin’ny toe-javatra iray hita ho ratsy. Zava-dehibe izany. Inona no ataontsika rehefa tsy misy tsara avy amin’ny toe-javatra ratsy fa vao mainka aza ratsy kokoa no hita?

 

ALAKAMISY

MANOVA NY TOE-TSAINA (Asa. 10:12-29)

    Niady mafy tamin’ny fiheverana maro izay nanakana azy ireo tsy hahatakatra izay nampianarin’i Jesôsy ireo mpianatra. Nanana hevitra mibahana mialoha mikasika ny firenen-kafa ihany koa izy ireo, ohatra tamin’izany ny tantaran’ilay vehivavy Samaritana izay nangatahin’i Jesôsy rano hosotroina. Gaga ity vehivavy ity satria “ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana” (Jao. 4:9).

   Mbola ahitana fomba fihevitra toy izany koa ao amin’ny tantaran’i Kôrnelio, ilay Kapiteny Rômanina tany Kaisaria. I Kôrnelio dia “mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra” (Asa. 10:2), olona najain’ny mpiara-monina taminy fatratra ihay koa izy (and. 22), ary anjely no nilaza taminy mba hampaka an’i Petera tany Jôpa (and. 22, vakio ihany koa ny and. 3-8).

    Tamin’izay fotoana izay kosa tany Jôpa dia niakatra teo ambonin’ny tampon-trano i Petera hivavaka (and. 9). Naka aina izy, rehefa nahazo alokaloka sy notsofin’ny rivo-dranomasina mangatsiatsiaka, ary nanomboka nahatsiaro noana. Raha mbola niandry ny sakafo izay nokarakarain’ny mpampiantrano azy i Petera dia nahita fahitana hafahafa: nisokatra ny lanitra, ary nisy zavatra nidina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany. Nisy zava-manana aina marobe izay heverin’i Petera ho “tsy madio” tao anatin’izany, saingy nilaza taminy Andriamanitra ny hamonoany sy hihinanany izany (and. 11-14).

 

    Vakio ny Asa. 10:12-29. Inona no tao an-tsain’i Petera rehefa nasaina nihinana hanina “tsy madio” izy? Inona ny hevitry ny tsindrimandry?

 

    Mampianatra lesona manan-danja an’i Petera Andriamanitra ao amin’io fahitana io. Maro ny olona amin’izao fotoana izao no mihevitra fa tamin’io fotoana io no nanovan’Andriamanitra ny sakafon’ny olombelona ka namelany ny olona hihinana izay tiany. Tsy izany anefa no azon’i Petera tamin’ilay fahitana. Voalohany dia nieritreritra tao am-pony ny hevitr’izany izy, satria tsy nazava taminy izany (Asa. 10:17). Rehefa tonga kosa anefa ireo irak’i Kôrnelio ka nanazava mikasika ny iraka nampanaovina azy, dia nandeha niaraka taminy i Petera (Asa. 10:22,23). Rehefa nahita an’i Kôrnelio i Petera dia hainy ny nilaza taminy ny hevitry ny tsindrimandry. Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao, ary ny Jentilisa koa dia fanahy manan-danja nanolorany ny ainy (Asa. 10:34-48).

      Nianatra lesona iray izay ilaintsika hianarana ihany koa i Petera: rava avokoa ny sakantsakana rehetra ao amin’i kristy, ary tsy misy intsony ny fahasamihafana eo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa ary ny olon-drehetra. “Fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany” – Asa. 10:35.

 

   Mahafinaritra ny finoana fa iray ihany isika rehetra ao amin’i Kristy, izany no ampianarin’ny Baiboly. Mampalahelo anefa fa na any am-piangonana aza dia tsy izany mandrakariva no tsapatsika ao am-pontsika, sa tsy izany? Ahoana no hahafantarantsika ny fitsaratsarana mialoha izay ao amintsika? Ahoana no hahafahantsika miala amin’izany hevitra mibahana mialoha momba ny hafa izany, ao amin’ny herin’Andriamanitra?

 

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: Ilay mpanoratra Rosiana antsoina hoe Fyodor Dostoyevsky dia nanoratra mikasika ny fiverenan’i Jesôsy ety an-tany, saingy tsy mitovy amin’izay ambaran’ny Baiboly ny filazany ny hitrangan’izany. Ao amin’izany tantara noforonina izany dia niverina tamin’ny fotoam-pitsarana (“Inquisition”) (fotoa-pitsarana teo amin’ny fiangonana katôlika natao hahitana ireo izay nanohitra ny fiangonana) i Jesôsy, raha nampiasa ny fahefany ho an’ny ratsy ireo mpitarika ara-pivavahana. I Jesôsy, izay naka endriky ny tantsaha mahantra, no nosamborin’ilay Mpanadina Lehibe ary nampidiriny am-ponja. Namangy an’i Jesôsy tany am-ponja izy nony alina, ka nanome tsiny Azy mafy noho ny nanomezany fahafahana ho an’ny olombelona. “Raha tokony ho nanala ny fahafahana tsy ho eo amin’ny olombelona ianao (Jesôsy)”, hoy izy, “dia nataonao lehibe kokoa aza izany! Adinonao angaha fa mifidy ny fiadanana ny olombelona, eny ny fahafatesana aza, noho ny fahafahana misafidy amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy? Tsy misy mampitsiriritra ny olona mihoatra noho ny fahafahany mieritreritra izay mety na tsy mety, saingy tsy misy miteraka fijaliana lehibe toy izany.” Na dia teo aza ny fahasahisahian’ilay Mpanadina dia zava-dehibe no nambarany. Jereo ny nataon’ny olombelona tamin’ny fahafahana nomena azy.Vokatry ny fahafahana na ny fanararaotana izany ny fahoriana, ny faharatsiana, ny fahotana ary ny fahafatesana; saingy noarin’Andriamanitra ho olona manam-pitiavana isika, ka ny fanomezana fahafahana antsika hatrany amin’ny famoronana ihany no hahafahantsika mitia. Araka izany, misy fiantraikany betsaka eo amin’ny fomba fisehon’ny fifanandrinan-kery lehibe eto amin’izao tontolo izao ny fomba nampiasan’ny olona sy ny mbola ampiasany ilay fanomezana masina sy lafo vidy, dia ny fananana safidy malalaka (ny hazo fijaliana no maneho ny vidin’ny fahafahana). Araka ny hitantsika tamin’ity herinandro ity dia maro no nibebaka, rehefa nandray ny Filazantsara, ka nanolotra ny fony ho an’i Jesôsy. Ny hafa kosa namono ny mpitondra izany hafatra izany. Fanomezana tena manan-danja tokoa ny fahafahana, saingy mila mitandrina tokoa isika ny amin’izay ataontsika amin’izany.

FANONTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA:

- Tsy isalasalana fa manasongadina ny maha-iray antsika ao amin’i Kristy ny TV. Hevitra manan-danja tokoa izany, saingy mampalahelo fa na dia amin’izao taonjato faha iraika amby roapolo izao aza dia mbola anisan’ny zavatra ratsy indrindra hita eny rehetra eny ny fitsaratsarana momba ny faritra niaviana, ny volon-koditra ary ny firenena niaviana. Andriamanitra irery no mahalala ny vokatra naterak’izany faharatsiana izany. Any amin’izao tontolo izao no anampoizantsika izany, saingy manao ahoana ny amin’ny fiangonana, eny na dia ao amin’ny fiangonantsika aza? Ahoana no fisehon’izany? Nahoana ny fomba fisainana toy izany no mifanohitra amin’ny fampianarana fototry ny Filazantsara?

- Misy fotoana hahatsapan’ny tsirairay avy amintsika ho voakasiky ny Fanahy Masina ao am-po. Ahoana no avalinao rehefa mibitsika ao am-ponao ny Fanahy Masina? Ao am-po no tena miseho ny ady lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Ahoana no mahatonga ny safidy ataonao haneho ny lafiny iandanianao?