LESONA 9

21 - 27 MAY

SAMPIN'NY FANAHY (SY NY LESONA HAFA NAMPIANARIN'I JESOSY)

LESONA 9
SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Filentehan’ny masoandro: 5.21

Tsianjery: “Tamin'izany ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: ‘Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?’.” – Mat. 18:1.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mpitt. 9:10; Mat. 18:1–4; Mat. 18:21–35; Mat. 19:16–30; Gal. 3:21, 22; Mat. 19:27.

 

Fiambenana maraina: Rehefa lavo ianao - Sal. 51:1-4,10.

 

Amin’ny maha-olombelona antsika, dia vokatry ny rivo-piainana misy antsika sy ny kolontsaintsika isika. Mamolavola betsaka ny maha-isika antsika sy ny finoantsika ary ny fihetsitsika ireny. Na nobeazina tany an-tanàn-dehibe ianao na tany ambanivohitra tsy misy rano fisotro madio, dia tsy mampiova zavatra izany: ny kolontsaina sy ny rivo-piainana niainanao sy nitomboanao no nanamboatra betsaka anao ho tahaka izao. Ary na dia afaka miditra ao amin’ny tontolo vaovao aza ianao, dia hametraka marika eo aminao mandra-pahafatinao ilay tontolo izay nanabeazana anao.

Mampalahelo anefa fa ny ankamaroan’ireo tontolo manodidina antsika sy ny kolontsaintsika dia miasa hanohitra ny foto-kevitry ny fanjakan’Andriamanitra. Tontolo lavo tokoa mantsy ity tontolontsika ity, ka matetika no maneho io toetrany io ireo soatoaviny sy ireo fitsipi-pitondran-tenany ary ireo fomba fanaony. Inona indray moa no azony haseho? Sarotra ho antsika ny mahita ireo foto-kevitry ny fanjakan’Andriamanitra satria seriny sy tafaroboka lalina ao anatin’ny kolontsaintsika sy ny tontolo misy antsika isika.

Ny asan’Andriamanitra ao am-pontsika, ankoatra ny zavatra hafa rehetra, dia ny hanondro antsika ny soatovina, ny fitsipi-pitondran-tena, ary ny foto-kevitry ny fanjakan’Andriamanitra. Araka izay ho hitantsika mandritra ity herinandro ity, ireo soatovina sy fitsipi-pitondran-tena, ary foto-kevitra ireo dia matetika no hafa tanteraka amin’izay nitaizana sy nanabeazina antsika. Tsy maintsy nianatra ireo lesona ireo ny mpianatra; toy izany koa isika.


Pejy ambony
 

ALAHADY: NY FAHALEHIBEAZAN’NY FANETREN-TENA (Mat. 18:1–4).

Fiambenana maraina: Vonjy azo andrandraina isan’andro - Sal. 34:7.

Iza no tsy maniry ho lehibe? Iza no tsy te hanao zavatra goavana? Tsy mipoitra mandrakariva avy amin’ny fitiavan-tena na ny avonavona tsy akory io faniriana io. Mety ho fanaovana ny tsara indrindra azonao atao amin’izay rehetra ataonao fotsiny izany, ao anatin’ny fanantenana angamba fa hitondra fitahiana ho an’ny hafa mihitsy aza ny zavatra ataonao (jereo koa ny Mpitt. 9:10.)

Ny olana anefa dia avy amin’ny famaritana ny teny hoe: “fahalehibiazana.” Mora tokoa ho an’ny saintsika olombelona lavo ny mahatakatra io foto-kevitra io amin’ny fomba izay tena mifanohitra amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra.

Vakio ny Mat. 18:1–4. Araka ny hevitr’i Jesôsy, inona no atao hoe tena fahalehibiazana? Ary ahoana no tokony hahatakarantsika izany amin’ny fomba ahafahantsika mampihatra azy eo amin’ny fiainantsika manokana?

Mba hamaritana ny tena fahalehibiazana, dia niantso ankizy kely hitsangana eo anoloany i Jesôsy ka niteny hoe: “‘Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka itỳ zazakely itỳ, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra.’” - and. 4. Tsy ny maha-mpitoriteny kalaza, na ny maha-mpandraharaha mahomby, na ny maha-mpitia ny mpiara-belona mafatra-po koa aza no noresahin’i Jesôsy. Eo imason’Andriamanitra, ny fahalehibiazana dia ny toetsika ao anaty, fa tsy izay ataontsika etỳ ivelany, na dia tsy isalasalana aza fa hisy fiantraikany amin’izay ataontsika etỳ ivelany ny toetsika ao anaty.

Mariho fa faritan’i Jesôsy amin’ny fomba tsy hamaritan’ny ankamaroan’ny olona eto amin’izao tontolo izao azy ny fahalehibiazana.  Iza tokoa moa no hifoha indray andro any ka hanapa-kevitra fa ny fahalehibiazana tiany eo amin’ny fiainany dia ny hanetry tena tahaka ny zazakely? Toa hafahafa amintsika ny hikatsaka zavatra tahaka izany, noho isika voapentin’ny foto-kevitr’izao tontolo izao sy ny heviny ary ny fisainany.

Inona no hevitr’izany hoe manetry tena tahaka ny zazakely izany? Iray amin’ireo famantarana ny fanetren-tena ny fankatoavana, mametraka ny Tenin’Andriamanitra ho eo alohan’ny sitrapontsika. Raha toa ka mandeha eo amin’ny lalan-diso ianao eo amin’ny fiainanao, dia satria mandeha amin’ny lalanao manokana ianao. Tsotra ny vahaolana: manetre tena ary miverena eo amin’ny lalana voasoritr’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Teniny. Raha nanetry tena foana i Adama sy i Eva, dia tsy ho nanota. Mahaliana tokoa ny mandinika fa samy nitoetra teo afovoan’ny saha ny hazon’aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Matetika no tsy mifanalavitra ny fiainana sy ny fandringanana. Ny fanetren-tena no mitondra fahasamihafana eo amin’izay hazo hofidintsika.

Inona ireo fihetsika sy hevitra hafa izay hazonintsika noho ny fifampikasohantsika amin’izao tontolo izao fotsiny, fihetsika sy hevitra izay tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra? Ento eo amin’ny kilasy ny valinteninao amin’ny Sabata.


Pejy ambony

ALATSINAINY: NY FAHALEHIBIAZAN’NY FAMELAN-KELOKA (Mat. 18:15-35).

Fiambenana maraina: Hery azonao ampiasaina - 2 Mpanj. 6:15-17.

Hita eo amin’ny fifandraisan’ny samy olombelona ny iray amin’ireo vokatra ratsy indrindra nateraky ny Fahalavoana. Nanomboka tamin’ny fotoana niezahan’i Adama hanome tsiny an’i Eva noho ny fahotany (Gen. 3:12) ka hatramin’izao fotoana ankehitriny izao, dia simba sy mikorosy fahana noho ny fifandirana eo amin’ny samy olombelona ny taranaka misy antsika. Mampalahelo anefa fa tsy mitranga eo amin’izao tontolo izao fotsiny ny fifandirana, fa ao am-piangonana ihany koa.

Vakio ny Mat. 18:15–35. Inona no ambaran’i Jesôsy amintsika eto? Nahoana anefa isika no matetika tsy manaraka ny teny ataony amintsika?

Andao hatrehintsika izy ity: mora kokoa ny mankao an-damosin’ny olona iray ka mitaraina noho ny aminy, toy izay manatona an’io olona io mivantana ka miresaka momba ny olana. Ary izany indrindra no antony tsy itiavantsika manao izany, na dia asain’ny Tompo manao izany aza isika. Na izany aza, dia mampianatra antsika i Jesôsy mba hanatona mivantana ny olona izay nandratra antsika ka hiezaka hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisana. Raha tsy mety alamina ilay olona, dia manana toromarika fanampiny isika.

“‘Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.’” - Mat. 18:20. Jereo ny tontolon-kevitra eto. Mahakasika ny fanitsiana sy ny famerenana ny olona iray hafa ho eo amin’Andriamanitra izany. (Mirona amin’ny fampiharana io andininy io amin’ny sehatra mivelatra kokoa isika.)

Milaza i Jesôsy fa manatrika eo ny Fanahy Masina rehefa misy vondrona kely iray miara-miezaka hamerina mpino iray amin’Andriamanitra. Izany no asam-panavotana mahatalanjona. Ary izany dia manomboka amin’ny fanaovana amim-panetren-tena ny zavatra tokony hatao sy ny firesahana mivantana amin’ny olona izay nandratra anao. Ohatra iray hafa maneho fahalehibiazana eo amin’ireo izay manao izany ihany koa io.

Vakio indray ny Mat. 18:21–35. Inona no teboka tena manan-danja tian’i Jesôsy hasongadina eto?

Rehefa miteny i Jesôsy hoe: “mamelà heloka im-pitopolo im-pito”, ny tena tiany holazaina dia hoe: tsy tokony hitsahatra hamela heloka mandrakariva isika. Hentitra amin’ny ilana ny famelan-keloka i Jesôsy, tsy ho an’ny tombontsoan’ny hafa ihany, fa ho antsika ihany koa. Diniho ny hamafin’ny fanoharana nolazainy mba hanehoany ny heviny. Mety hahazo famelan-keloka noho ny zavatra maro isika. Izany no votoatin’ny filazantsara: famelan-keloka (jereo ny Eks. 32:32; Asa. 5:31; Kôl. 1:14). Raha tsy mamela ny hafa tahaka ny fomba namelan’Andriamanitra ny fahotantsika anefa isika, dia mety hiatrika vokany mahatsiravina.

Nahoana no manan-danja tokoa, noho izany, ny mibanjina ny Hazo Fijaliana sy ny famelan-keloka izay nomena antsika noho io Hazo Fijaliana io? Maty ho anao i Kristy, ary izany no saran’ny famelana anao. Koa ahoana no ahafahanao mianatra ny mamela ny hafa, na dia toa tsy ho vita aza ny fahitana an’izany famelan-keloka izany ankehitriny?

Pejy ambony

TALATA: NY SAMPIN’NY FANAHY (Mat. 19:16–30).

Fiambenana maraina: Ny tarigetry ny Kristianina - Fil. 3:10.

Vakio ny Mat. 19:16–30. Amin’ny maha-Kristianin’ny TV antsika, dia ahoana no tokony ho fahitantsika an’io tantara io ankehitriny? Inona no lesona azontsika tsoahina ho antsika avy amin’izany?

Tsy dia betsaka ny zavatra lazaina mazava amintsika mahakasika io lehilahy io, saingy afaka manatsoaka hevitra manan-danja vitsivitsy avy aminy isika. Mpanan-karena izy, mpanapaka (jereo ny Lio. 18:18), ary toa mpankatò amim-pahamalinana fatratra ny lalàn’Andriamanitra. Hitantsika ihany koa fa nahatsapa fahabangana izy teo amin’ny fiainany. Mampahatsiahy antsika ny ampahany kely amin’ny tantaran’i Martin Luther izany.  Pretra mpivavaka be raha ny fahitana azy etỳ ivelany, saingy ny tao anatiny dia tsy afa-po tamin’ny fiainany ara-panahy ary nitolona tamin’ny fahazoana antoka ny famonjena. Amin’ireo tranga roa ireo, dia tsapan’ireo lehilahy ireo fa ny antsana lehibe manelanelana azy sy Andriamanitra dia tsy ho fenon’ny asa tsara ataony.

“Nanombana ambony dia ambony ny fahamarinan’ny tenany ity mpanapaka ity. Tsy nihevitra marina tokoa izy fa nisy banga teo aminy na tamin’ny lafiny inona, na tamin’ny lafiny inona, nefa mbola tsy afa-po koa izy. Tsapany fa misy zavatra tsy ananany izay iriny. Moa ve tsy afaka hitahy azy Jesosy, tahaka ny nitahiany ny zaza madinika, ka hanome fahafaham-po izay irin’ny fanahiny?” – IFM, tt. 553,554.

Mety hiady hevitra ny olona sasany fa, ao amin’ity tantara ity, dia ampianarin’i Jesôsy fa miankina amin’ny asa tsara ataontsika ny fahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Milaza izao tokoa mantsy i Jesôsy ao amin’ny Mat. 19:17 hoe: “Raha te-hiditra any amin'ny fiainana hianao, tandremo ny didy.” Raha toa ka io irery ihany no andininy mahakasika io lohahevitra io, dia ho afaka nisintona porofo ny olona iray eto. Misy andininy marobe hafa anefa, indrindra ao amin’ny asasoratr’i Paoly, izay mampianatra fa tsy mamonjy ny lalàna, fa mampitodika antsika hitady famonjena (jereo ny Rôm. 3:28; Gal. 3:21,22; Rôm. 7:7). Raha ny marina kokoa, dia tsy maintsy nitarika an’ity lehilahy ity i Jesôsy mba hahita ny filany lehibe, mihoatra lavitra noho izay ataony. Raha ny fitandremana ny lalàna fotsiny ihany tokoa mantsy dia ampy, dia efa ho nahazo famonjena io lehilahy io, satria tamim-pahamalinana fatratra no nitandremany izany. Mila manohina ny fo ny filazantsara ka hanindrona mivantana ireo sampin’ny fanahy. Ka na inona na inona no fikirintsika nefa manakana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra dia mila esorina. Teto amin’ity tranga ity dia ny volan’ilay rangahy izany. Marihin’i Jesôsy fa tena sarotra ho an’ny lehilahy mpanan-karena ny ho voavonjy. Vetivety foana taorian’io fifampiresahana io anefa, dia mitatitra tantara mahafinaritra i Lioka, tantara izay nitranga araka izany mihitsy (jereo ny Lio. 19:1–10).

Raha ianao no teo amin’ny toeran’ilay lehilahy mpanan-karena, ka nametraka io fanontaniana io tamin’i Jesôsy, dia inona no ho nambarany taminao, araka ny hevitrao? Diniho lalina izay ambaran’ny valinteninao.


Pejy ambony

ALAROBIA: INONA NO HO AZONAY AMIN’IZANY? (Mat. 19:27).

Fiambenana maraina: Karazam-pahamarinana tsy izy - Rôm. 9:31-33.

Inona no nitranga taorian’ny zavatra niseho tamin’ilay mpanapaka mpanan-karena?

“Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: ‘Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?’” - Mat. 19:27. 

Tsy misy zavatra ao amin’io andininy io milaza ny antony nahatonga io fanontaniana io, saingy mora foana ny mahita fa vokany mifandraika mivantana amin’ny fialan’ilay lehilahy mpanan-karena teo amin’i Jesôsy izany. Toa te hilaza i Petera fa ity lehilahy ity sy ny sasany dia nandà an’i Jesôsy, na nitoetra teo Aminy nandritra ny fotoana fohy dia nandao Azy avy eo. Izy sy ireo mpianatra hafa kosa nahafoy ny zavatra rehetra ho Azy. Nitoetra ho mahatoky Taminy izy ireo, na dia tamin’ny sarany lafo dia lafo aza. Koa nipetraka ny fanontaniana hoe: Inona no ho azonay amin’izany?

Amin’ny fomba fijerintsika ankehitriny dia mety hahita an’io fanontaniana io ho toy ny fambara iray momba ny hamafin’ny fon’ny mpianatra sy ny fahafatesany ara-panahy isika (ary, amin’ny lafiny iray, marina izany). Amin’ny lafiny iray anefa, nahoana moa no tsy hametraka fanontaniana tahaka ny an’i Petera? Nahoana no tsy hanontany tena hoe inona no ho azo amin’ny fanarahana an’i Jesôsy?

Sarotra tokoa mantsy ny fiainana eto an-tany, na dia ho an’ireo olona izay manana ny tsara indrindra atolotr’izao tontolo izao aza. Samy iharan’ny ratra sy ny fahadisoam-panantenana ary ny fanaintainana vokatry ny fiaintsika feno fahotana avokoa isika rehetra. Tany ho any amin’ny taona 1800 tany dia nisy Italianina manam-pahaizana iray antsoina hoe Giacomo Leopardi nanoratra momba ny alahelo tsy hay zakaina mianjady amin’ny olombelona, nanao hoe: “Raha mbola mahatsapa aina ao anatiny ny olona, dia mahatsapa fahasorenana sy fanaintainana ihany koa izy.”

Matetika no tolona ny fiainana, ary tsy mitoetra mandrakariva ny zavatra tsara eto amin’izao tontolo izao, mifangaro amin’ny ratsy aza. Koa tena mitombina tsara ny fanontanian’i Petera. Satria sarotra ny fiainana, inona no tombontsoa azontsika amin’ny fanarahana an’i Jesôsy? Inona no tokony handrandraintsika avy amin’ny fanaovana ny fanoloran-tena izay nangatahin’i Jesôsy amintsika?

Ahoana no namalian’i Jesôsy an’ilay fanontaniana? (Vakio ny Mat. 19:28 sy ny 20:16.)

Mariho fa tsy nananatra an’i Petera noho ny fitiavan-tena na ny tahaka izany i Jesôsy. Nomeny valinteny mahitsy sy mivantana aloha izy voalohany indrindra, dia avy eo ny fanoharana mahakasika ny mpiasa sy ny karamany. Nandritra ny taonjato maro dia nisy adihevitra lehibe niseho momba ny hevitr’io fanoharana io. Mazava anefa ny teboka fototra eto: horaisintsika avy amin’i Jesôsy izay nampanantenainy antsika.

Raha misy olona manontany anao hoe: “Inona no ho azoko amin’ny fanompoana an’i Jesôsy?” dia inona no havalinao?


Pejy ambony

ALAKAMISY: “HAINAY IHANY” (Mat. 20:20-27).

Fiambenana maraina: Ny Kristianina manetry tena ihany - 1 Kôr. 1:23-29.

Mba hahatakarana amin’ny fahafenoany ny tantara anio, momba an’i Jakôba sy i Jaona (ary ny reniny) ao amin’ny Mat. 20:20–27, dia vakio aloha ny Lio. 9:51–56. Ity trangan-javatra ity dia niseho rehefa nizotra nankany Jerosalema i Jesôsy sy ny mpianany, andro vitsivitsy monja talohan’ny nanontanian’i Jakôba sy i Jaona raha toa ka afaka hipetraka eo ankavia sy eo ankavanan’i Jesôsy izy ireo ao amin’ny fanjakany.

Vakio ny Mat. 20:20–27. Inona no ambaran’ny Lio. 9:51–56 amintsika momba ny fahavononan’i Jakôba sy i Jaona hipetraka eo an-kavia sy eo an-kavanan’i Jesôsy ao amin’ny fanjakany?

I Jakôba sy i Jaona, ireo Zana-baratra, dia mbola miahiahy ny amin’ny hoaviny kokoa noho ny amin’ny famonjena ireo manodidina azy, na dia taorian’ny nanirahana azy ireo hitory ny filazantsara tany amin’ireo faritra manodidina aza. Amin’ny heviny manokana, ity tantara ity dia toa mitovy amin’izay hitantsika omaly, amin’ny fanontanian’i Petera mahakasika ny zavatra mety ho azony amin’ny fanarahana an’i Jesôsy.

Diniho tsara ny valintenin’i Jesôsy eto: “‘Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako?’” - Mat. 20:22. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: ny voninahitr’i Kristy ho avy dia midika, voalohany indrindra, ho ny fijaliany sy ny fahafatesany. Zavatra tsy noeritreretin’ny mpianatra mialoha sy tsy nivononany io. Ny famaliany avy hatrany hoe: “‘Hainay ihany’” - Mat. 20:22 - dia maneho fa tsy fantany akory izay nampitandreman’i Jesôsy azy ireo. Ho fantany ihany izany ao aoriana kely.

Araka ny hitantsika tamin’ny fianarana omaly, dia nampanantenaina zavatra mahatalanjona marobe isika, ny “fiainana mandrakizay” (Mat. 19:29) mihitsy aza, raha manaraka an’i Jesôsy. Etsy an-kilan’izany ihany koa anefa, ahariharin’ny Baiboly mazava tsara fa eto amin’izao tontolo izao, ny fanarahana an’i Jesôsy dia mitaky sarany, ary indraindray sarany lafo dia lafo tokoa. I Jesôsy mihitsy aza no nilaza tamin’i Petera tatỳ aoriana fa ho faty maritiora izy (jereo ny Jao. 21:18,19). Mpino maro nandritra ny tantara nifandimby, ary na dia ankehitriny koa aza, no nandoa sarany lafo tamin’ny fanarahana an’i Jesôsy. Mety ho fahendrena koa aza ny manontany ny tenantsika raha toa ka misy zavatra tsy mety eo amin’ny diantsika, raha toa ka tsy nandoa sarany ambony tamin’ny fanarahana ny Tompo isika. Na manao ahoana na manao ahoana anefa ny sarany aloantsika, dia tena mora tokoa izany.

Inona no sarany naloanao noho ny fanarahana an’i Kristy? Eritrereto lalina izay ho valinteninao.


Pejy ambony

ZOMA: FIANARANA FANAMPINY

Fiambenana maraina: Ny antony hahatongavan’ny Fanahy - Jao. 15:26.

Filentehan’ny masoandro: 5.20

Nandritra ny taonjato maro nifandimby dia nisy olona niady hevitra momba izay antsoina matetika hoe: “lalàna ara-boajanahary.” Nanana endrika sy fiseho maro izany, ny hevitra fototra avy amin’izany anefa dia izay azontsika raisina avy amin’ny foto-kevitra ara-pitondran-tena voaafina ao anatin’ny natiora, izay afaka manampy amin’ny fitantanana ny fihetsitsika. Amin’ny heviny iray, amin’ny maha-Kristiana antsika mino fa ny zavaboary dia “Boky Faharoa” an’Andriamanitra, dia azontsika ekena fa misy fahamarinana amin’io. Jereo, ohatra, ny lahatenin’i Paoly ao amin’ny Rôm. 1:18–32 momba izay tokony ho nianaran’ny olona momba an’Andriamanitra avy amin’ny zavaboary.

Etsy an-danin’izany ihany koa, tsy azontsika hadinoina fa tontolo lavo ity, ary mijery izany amin’ny saina feno fahotana sy simba isika. Koa tsy tokony hahagaga izany raha mety manatsoaka lesona ara-panahy diso avy amin’ny zavaboary isika. Ohatra, nisy filôzôfa grika fanta-daza iray, i Aristote, nanohana fa miankina amin’ny fahatakarany ny zavaboary ny fanandevozana. Ho azy, ny natiora dia nirakitra sarangan’olona roa, ka ny iray amin’ireo dia “ambany noho ny hafa, tahaka ny maha-ambany ny biby raha mitaha amin’ny olona.” Koa ho an’io saranga io, dia “tombontsoa ny fiainam-panandevozana.” Io dia iray fotsiny amin’ireo ohatra maro ahitantsika fa ireo foto-kevitra sy soatoavina ary hevitr’izao tontolo izao dia tsy mifanaraka amin’ny an’ny fanjakan’Andriamanitra. Izany no antony ilantsika ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra, na taiza na taiza isika no teraka sy nobeazina. Avy amin’io Tenin’Andriamanitra io no hisintonantsika ny fitsipi-pitondran-tena sy ny soatoavina ary ny foto-kevitra tokony hifehy ny fiainantsika. Tsy misy loharanom-pahalalana hafa, ankoatra an’io, azo itokiana.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  • Miantso antsika mba hamela ny helok’izay rehetra nandratra antsika i Jesôsy. Ao anatin’izany ny fianakaviantsika. Eritrereto ny olona izay akaiky anao nefa nandratra anao. Na dia mety mbola eo mandrakariva aza ireo olatra naterak’izany, dia ahoana no hanatrarana teboka iray hahafahanao mamela heloka?
  • Ifanakalozy hevitra ao amin’ny kilasy ny valinteninareo tamin’ny fanontanian’ny lesona Alahady mahakasika ny tsy fifanarahana eo amin’ny soatoavin’ny fiarahamoninareo sy ny an’ny Baiboly. Amin’ny maha-Kristianina antsika, ahoana no tokony hiatrehantsika ireo fahasamihafana ireo?
  • Diniho lalindalina kokoa ny hevitra momba ny fahalehibiazana amin’ny alalan’ny fananana ny fanetren-tenan’ny zaza. Inona no hevitr’izany ho antsika amin’ny maha-Kristianina antsika?

Amin’ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika dia mino ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, ny Didy Folo, isika. Inona anefa no tokony hambaran’ny tantaran’ilay mpanapaka mpanan-karena amintsika mahakasika ny antony tsy maha-ampy ny fankatoavana etỳ ivelany ny lalàn’Andrimanitra, na dia manan-danja aza izany? Ary nahoana ny fivavahana kristianina marina, izay misy fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, no tokony hisy zavatra mihoatra noho izany?

Pejy ambony