LESONA 9

20 - 26 AOGOSITRA

NANOME IZAY NILAIN'IZY IREO JESOSY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Fiambenana maraina: Mpandova an’Andriamanitra - Rôm. 8:14-17.


Filentehan’ny masoandro: 5.40


Hodinihina mandritra ny herinandro:
Mar. 5:22–43; Mar. 10:46–52; Jao. 5:1–9; Sal. 139:1–13; Mar. 2:1–12; Asa. 9:36–42.

Tsianjery: “Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synogoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra” – Mat. 9:35.

Na dia efa nisotro ronono aza ity vehivavy advantista iray tany amin’ny firenen’i Afrika dia tsy naniry ny hijanona amin’ny fanampiana olona. Nila fitsaboana ny tanàna nisy azy vokatry ny fahapotehana nentin’ny tsimok’aretina VIH/SIDA. Ny tena maika indrindra tamin’izay dia ny fanomezana sakafo mahasalama ho an’ireo zaza kamboty navelan’ny ray aman-dreny voan’ny SIDA. Tamin’ny taona 2002 izy sy ny fiangonany dia nanomboka nanome ventin-kanina ho an’ireo zaza teo an-toerana nandritra ny enina andro isan-kerinandro. Ankizy 50 aloha no nanombohany izany. Tamin’ny 2012 indray dia ankizy 300 isan’andro. Nitarika azy ireo hanorina sekoly ho an’ny garabola izany. Amin’izao fotoana izao dia 45 amin’ireo ankizy ireo no beazina ao. Hetsika hafa ao anatin’izany ny fanomezana fitafiana avy amin’ny ADRA, ny fizaràna legioma sy katsaka avy eo an-tambolin’izy ireo, ary koa ny fikarakarana ny marary. Nanangana tetik’asa fampitomboan-talenta ho an’ny vehivavy izy ireo, izay hifampianarany asa tanana ho fanampiana amin’ny fitadiavam-bola. Nahafahany nanangana fiangonana anankiray vaovao io ohatry ny fitiavan’i Jesôsy io. Mambra dimy izy ireo tamin’ny voalohany. Tamin’ny taona 2012 dia nahatratra 160 ny isany. Nanome ny vola ilaina Andriamanitra hananganana akany fitaizana zaza kamboty sy trano fiangonana iray vaovao tamin’io taona io ihany.

Ohatra mahery vaika sy azo tsapain-tanana tokoa izany, ary tena ilain’ny Kristianina mikasika ny fomba fanomezana izay ilain’ny fiaraha-monina misy azy.


 Pejy ambony
 

ALAHADY

 

Fiambenana maraina: Voninahitra tsy manan-tsahala - Rôm. 8:18.

 

SAKANA MISEHO TAMPOKA EO AMIN’NY ASAN’ANDRIAMANITRA (Mar. 5:22-43)

Niala avy tao an-tsambokely ho eo amoron’ny rano teo akaikin’i Kapernaomy i Jesôsy. (Vakio ny Mar. 5). Tsy mbola niala tao an-tsain’ny mpianany ny fanandramana vao avy nampivarahontsana azy momba ilay lehilahy demôniaka tao Dekapôlisy. Toy ny mahazatra dia nisy vahoaka betsaka tonga tao mba hihaona amin’i Jesôsy. Samy nanao izay hanakaikezana an’i Jesôsy ny olona satria tsy andrin’izy ireo izay hisarihana ny sainy ho eny aminy. Indro tsy niandriandry ny mpanapaka iray tao amin’ny sinagôga fa niangavy ny fanampian’i Jesôsy.

Vakio ny Mar. 5:22-43. Raha teny an-dalana hanome izay nilain’io mpanapaka ny sinagôga io i Jesôsy, dia inona no nampiato Azy? Inona no nataony teo anatrehan’izany fampiatoana izany? Zava-dehibe kokoa noho izany, inona no lesona tokony hianarantsika avy amin’io tantara io mikasika ny tokony ho fihetsitsika rehefa misy misakana tampoka ny asan’Andriamanitra ataontsika?

Aoka isika hitsotra ny marina. Tsy misy amintsika, tia fampiatoana tampoka amin’ny zavatra ataontsika, sa ahoana? Maro ireo zavatra sahanintsika. Manan-javatra hatao isika, toerana haleha ary asa tokony hovitaina. Mametraka tanjona isika ary tiantsika ny hanatratra ara-potoana izany zava-kendrena rehetra izany. Mety handrodana ny drafitra efa napetratsika anefa ny fiovaovan-javatra miseho eny an-dalana.

Izany no mahatonga ny hoe rehefa misy olona mangata-bonjy amintsika dia mety ho tonga fanelingelenana izany amin’ny fotoana tsy tiantsika hitrangany. Indraindray dia tsy misy azonao avela ny zavatra rehetra raha mbola eo am-panaovana izany ianao. Impiry impiry tokoa moa isika no afaka mampiato ny zavatra ataontsika mba hahazoana manampy ny hafa kanefa tsy ataontsika izany satria tsy te hanao ilay fanampiana isika?

Matetika ireo tombontsoa lehibe indrindra hanomezana izay ilain’ny olona dia miseho tampoka eny an-dalana eny. Ny ankamaroantsika dia miezaka ny tsy ho tratry ny fiovaovana toy izany. Sorena isika rehefa simba ny lamin’asa napetratsika. Rehefa dinihina anefa ny asan’i Jesôsy dia hita fa toe-javatra tonga tampoka teny an-tsefatsefany teny ny sasany tamin’ireo asa fanompoana nataony. Tamim-paharetana no niasany ho an’izay rehetra tonga nangata-bonjy Taminy. Raha mandinika isika, dia tombontsoa maro hahazoantsika miasa ho an’Andriamanitra no miseho amin’ny endrik’ireny toe-javatra heverintsika ho fanelingelenana ireny. Efa hitantsika ny tantaran’ilay Samaritana tsara fanahy. Iza moa no mahalala ny toerana halehany sy ny anton-diany rehefa tonga any izy? Nijanona ihany anefa izy mba hamonjy ilay tra-doza.

Toe-javatra tsy nampoizina tokoa izany ka nanova ny fandaharam-potoana rehetra!

Oviana ny fotoana farany nampiatoan’ny olona iray anao ka nangatahiny fanampiana taminao? Ahoana no navalinao?


 Pejy ambony
 

ALATSINAINY

 

Fiambenana maraina: Fanantenana voatahy - Rôm. 8:19-25.

 

INONA NO TIANAO HATAOKO AMINAO? (Mar. 10:46-52)

Vakio ny Mar. 10:46-52 sy ny Jao. 5:1-9. Ao amin’ireo tranga roa ireo, dia nametraka fanontaniana i Jesôsy. Inona no antony nanaovany izany?

Mariho fa ao amin’ireo toe-javatra roa ireo dia nanontany izay nilain’izy ireo i Jesôsy, na dia mazava aza ny zavatra notadiaviny. Na tsy mazava aza anefa izany dia tsy maintsy efa fantatr’i Jesôsy ihany ny zava-nanahirana azy.

Raha nametra-panontaniana taminy anefa i Jesôsy dia ny mba hanehoana fanajana azy. Nasehony fa nihaino azy Izy. Tamin’ny nihainoany azy no nampisehoany fa tena noheveriny tokoa ny zavatra nitolomany. Impiry tokoa moa ny olona no mila olona iray hafa hiresahana sy hihaino azy? Matetika dia manampy ny olona iray hahatsiaro ho metimety kokoa ny fahazoany mamboraka ny olana manjo azy.

Saintsaino kely anie ity e. Ahoana hoy ianao raha miditra ao amin’ny efitra fitsaboana iray, manopy maso kely anao fotsiny ny mpitsabo dia avy eo manoratra ny taratasim-panafody ary mandefa anao mody avy hatrany? Azo antoka fa hisalasala ianao hoe tena fantatr’io olona io tokoa ve ny zavatra ilainao sa tsia. Mety hilaza ianao hoe: “Tsy mba nanontany ny fahasalamako akory ny mpitsabo, na nihaino ny fitempon’ny foko, na nitsapa ny tosi-drako, na ...” Anisan’ny fitsipika lehiben’ny fitsaboana mantsy ny hoe: “Mizaha aloha vao mitsabo”.

Toy izany koa ny amin’ny asan’ny dokotera misiônera. Ny tanjon’izany asa izany dia ny fiadanan’ny olona sy ny fanomezana izay ilainy ankapobeny. Fiangonana maro dia maro no mihevitra fa efa mahafantatra, na efa mamantatra izay tokony hatao ho fanampiana ny hafa eo amin’ny fiaraha-monina misy azy. Rehefa manao ezaka isika amin’ny firesahana amin’ny olona momba ny zavatra ilainy na ny zava-manahirana eo amin’ny toerana misy azy, dia manjary fantany fa mikarakara azy isika. Amin’ny alalan’izany fomba izany koa no hahafahantsika mamonjy ny olona araka izay ilainy. Ankoatra izany dia hahazo namana vaovao koa isika.

“‘Tsarovy fa afaka mandrodana ny fanoherana masiaka indrindra isika amin’ny alalan’ny fanehoana fiheverana manokana ny olona izay mifanena amintsika. Naneho fahalianana manokana tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy i Jesôsy raha niaina teto amin’ity tany ity. Na taiza na taiza nalehany dia dokotera misiônera hatrany Izy. Natao handehandeha hanao soa tahaka izay nataony isika. Nirahina isika mba hanome hanina ny noana sy hanafy ny mitanjaka ary hampahery ny ory.’” – WM, t. 162.

Tsy mba manana olana amin’ny fanehoan-kevitra ny ankamaroantsika. Ahoana kosa no hahatonga antsika ho mpihaino mazoto kokoa?


 Pejy ambony

TALATA

 

Fiambenana maraina: Ataony miara-miasa avokoa - Rôm. 8:28.

 

IREO ZAVATRA ILAINA LALINDALINA KOKOA (Sal. 139:1-13)

I Jesôsy, amin’ny maha-Tompo Azy, dia nahafantatra bebe kokoa ny olona mihoatra noho ny fahafantaran’izy ireo ny tenany. Misy tantara maro ao amin’ny Filazantsara izay nanehoan’i Jesôsy fa nahafantatra ny eritreritry ny olona Izy tamin’ny fotoana nihaonany taminy (vakio ny Mar. 2:8). Asehon’ireo tantara ireo koa fa fantatr’i Jesôsy ny tantaran’izy ireo (Jao. 4:18).

Vakio ny Sal. 139:1-13. Inona no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra amintsika eto?

Araka ny nianarantsika tao amin’ny lesona omaly dia fantatr’i Jesôsy ny zavatra ilain’ny olona. Niasa tamin’ny fanomezana izany koa Izy. Na dia ireo zava-manahirana lalindalina kokoa aza dia fantany. Hita ao amin’ny tantaran’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa izany toe-javatra izany. Hita mazava fa nila fanasitranana ara-batana ity lehilahy ity. Nisy banga lalindalina kokoa izay nilaina fenoina anefa tao aminy. Izany dia ilay antony nilazan’i Jesôsy taminy hoe: “Anaka, voavela ny helokao” (Mar. 2:5), talohan’ny nandidiany azy hitsangana sy hibata ny fandriany.

“Nefa tsy ny famerenana ny fahasalamana ara-nofo no niriny mihoatra noho ny fanamaivanana azy tamin’ny enta-mavesatry ny fahotana. Raha mba mahita an’i Jesosy izy ka mandray ny toky fa ho voavela heloka, sy ho vita fihavanana amin’Andriamanitra dia hahafaly azy izany, na ho velona izy na ho faty araka ny sitrapon’Andriamanitra” – IFM, tt. 273-274.

Mazava loatra fa tsy ho vitantsika ny tena hahafantatra lalindalina kokoa ny hafa tahaka izay nataon’i Jesôsy. Afaka matoky anefa isika fa na iza na iza no iasantsika, dia olona efa simban’ny ota tahaka antsika ihany izy ireny. Mila ny fahasoavana sy ny teny fikasana ary ny fahafantarana izy ireny fa ao Ilay Andriamanitra tia azy, maty ho azy ary tsy maniry afa-tsy izay tsara indrindra ho azy.

Saintsaino ny fanirianao fatratra ny teny fikasan’ny famonjena sy ny fahafantarana ny fitiavan’Andriamanitra anao. Ahoana no hanampianao ny hafa hanandrana izany teny fikasana sy fitiavana izany?


 Pejy ambony
 

ALAROBIA

 

Fiambenana maraina: Tsy hisy hahasaraka antsika - Rôm. 8:31-39.

 

I DORKASY TANY JOPA (Asa. 9:36-42)

Vakio ny Asa. 9:36-42. Inona no nataon’i Dôrkasy tany Jôpa rehefa fantany ny fahasahiranana manodidina azy? Ao amin’ny Asa. 9:41, midika inona ireo teny hoe: “ny olona masina sy ny mpitondratena”?

I Dôrkasy dia mpianatra mavitrika. “Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita” - Asa. 9:36. Azo atao ve ny milaza izao: “Ary ao [ny anaran’ny tanànanao] dia misy mpianatra atao hoe [anaran’ny fiangonanao]” ary “be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataony” (Asa. 9:36)?

Ny “olona masina” dia ireo Kristianina mambran’ny fiangonana. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo atao hoe “mpitondratena” ny mambran’ny fiangonana sy ny tsy mambran’ny fiangonana. Samy nokarakarain’i Dôrkasy avokoa ireo. Ny “Jôpa”-nao dia tokony ho any ivelany sy ao anatin’ny fiangonana. Ny fiahiana ireo ao anatin’ny fiangonanao koa dia drafitra fitoriana ny filazantsara mahery vaika (vakio ny Asa. 2:42-47). Amin’izay fotoana izay dia afaka hilaza ireo olona any ivelan’ny fiangonanao hoe: “Jereo ny fifankatiavana sy ny fifampiahian-dry zareo Advantista mitandrina ny andro fahafito!”

Vakio ny Jao. 13:34,35 sy ny Jao. 15:12. Inona no hafatra hita manerana ireo andalan-teny telo ireo? Ary nahoana no tena ilaintsika fiangonana tokoa ny manaraka azy? Nahoana anefa no sarotra ihany ny manaraka azy io indraindray?

Rehefa mikasa ny hikarakara ny olona ivelan’ny fiangonanao ianao, dia tokony handinika tsara ny fomba fiasa harahinao.

Araka ny namaritan’i Amy Sherman azy dia misy fomba telo ireto izay azon’ny fiangonana ampiasaina hanompoana ny fiaraha-monina misy azy:

1. Ny fomban’ny mpamaky lay dia mifantoka amin’ny fanomezana izay ilain’ny mponina manodidina ny fiangonanao. Ilay vehivavy niasa ho an’ireo lasibatry ny tsimok’aretina VIH/SIDA dia nifidy ny tanàna akaiky azy ho “Jôpa”-ny.

2. Ny fomban’ny mpanao zaridaina dia mikendry ny hampisy rohim-pifandraisana amin’ireo toerana ivelan’ny faritra misy ny fiangonanao. Toy izany koa, ny mpanao zaridaina dia mihevitra ny zaridainany ho anisan’ny faritra ao an-tokantranony mihitsy. Indraindray dia fiangonana maromaro no miara-miasa hitantana ivon-toerana fiasana ho an’ny fiaraha-monina any ivelan’ny faritra misy azy ireo tsirairay avy. Any amin’ny faritra iray, dia fiangonana maro no mitantana ny toeram-pivarotana sakafo mahasalama iray. Tsy ela dia tafatsangana avy tamin’io tetik’asa io ny fiangonana iray.

3. Ny fomban’ny mpiandry ondry dia mikendry ny hanompoana ny mponina ao anatin’ny faritra iray mivelatra kokoa fa tsy tanàna iray monja. - Ronald J. Sider et al., Churches That Make a Difference: Reaching Your Community with Good News and Good Works (Grand Rapids, Michigan: Baker Books, 2002), t. 146.


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

Fiambenana maraina: Izy no tena voaloboka - Jao. 15:1,2.

 

NY FIANGONANA MIASA (Ohab. 16:3)

“Ankino amin'i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao” (Ohab. 16:3)

Andeha atao hoe manana vina mazava mikasika ny fomba hahazoany miasa ho an’ny fiaraha-monina ny fiangonanao. Tena zava-dehibe tokoa ny hanaovany drafitra izay hahazoan’ny sampana rehetra ao amin’ny fiangonana miara-miasa mba hahatanteraka izany vina izany. Mety tsy hanao ny tenanao ho “mpitarika” ianao ao am-piangonana saingy afaka handray anjara kosa. Tena ilain’ny mambra rehetra ny mahatakatra tsara ny fandehan’ilay drafitr’asa. Miankina amin’izany ny fahombiazan’ny asa ataon’ny fiangonanao ho an’ny fiaraha-monina.

Tena tsara indrindra ny drafitra ataon’ny fiangonana raha miorina eo amin’ny foto-kevitra izay fara-fahakeliny miainga avy amin’ireto telo manaraka ireto: voalohany, ireo fitsipika avy ao amin’ny Baiboly sy ny Fanahin’ny Faminaniana; faharoa, ny fahafantarana ny zavatra ilain’ny fiaraha-monina, ary fahatelo, ireo toro hevitra sy hevitra avy amin’ny mambran’ny fiangonana. Ny fiangonana sasany dia manangona hevitra avy amin’ny mambra ao aminy amin’ny alalan’ny fanaovana fivoriana, ka mandritra izany ny mambra rehetra dia asaina hizara ny heviny sy ny nofinofiny mikasika ny fiasana ho an’ny hafa eny ivelany sy ho fampandrosoana ny fiangonany.

Vakio ny Lio. 14:25-35. Inona no ifandraisan’ireo andininy ireo amin’ny fanapahan-kevitra sy ny drafitra ilaina mba hanatanterahana ny asa nanirahana ny fiangonanao?

Eo am-pisaintsainana ny fomba fiasa ilaina hanamaivanana araka ny tokony ho izy ny fahasahiranan’ny fiaraha-monina misy anao, dia mety hihevitra ianao hoe: be loatra ny volavolan’asa sy ny fotoana takin’izany. Indraindray dia aleontsika mitady ny fomba tsotra sy haingana indrindra. Mampitandrina antsika anefa ireo fanoharana roa ireo mikasika ny fiheverana fa tsy dia zava-dehibe loatra ny andraikitra eo amin’ny fitaomana ny hafa ho mpianatra. Ampahatsiahivin’izy ireo antsika àry fa ny fandinihana lalina sy ny fametrahana drafitra ho an’ny asantsika dia tena manan-danja tokoa. Resaka fahaiza-mitantana mahomby izany. Ny tsiron’ny sira voalaza ao amin’ny Lio. 14:34 dia mampiseho fahatokiana. Raha tsy eo izany dia ho zava-poana ihany ary tsy hisy lanjany ny asa fanompoantsika sy ny fitaomantsika ny hafa ho mpianatra. Mila fanoloran-tena matotra sy mahatoky amin’ny Tompontsika isika. Raha ananantsika izany dia hiseho ho azy io karazana fanoloran-tena ho amin’ny asan’Andriamanitra io.

Inona avy ireo fomba hahazoanao miasa bebe kokoa miaraka amin’ny fiangonanao eo amin’ny lafiny fandaminana sy famolavolana drafitra, mialohan’ny hiasana ho an’ny fiaraha-monina misy anao?


 Pejy ambony

ZOMA

 

Fiambenana maraina: Tsy mpanompo intsony fa sakaiza - Jao. 15:11-15.

 

Filentehan’ny masoandro: 5.41

 

Fianarana fanampiny: Vakio ny Deo. 15:11; Jôba 29:11–17; Ohab. 14:31; Ohab. 19:17; Asa. 3:6; Jak. 1:27–2:5; “Pioneering in Australia,” tt. 327–338, ao amin’ny WM.

I Paoly, tahaka an’i Jesôsy, dia nirotsaka koa tamin’ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny olona. Azontsika vakina izany, ohatra, ao amin’ilay tantara malazan’i Paoly tao amin’i Areopago, tany Atena. Ao amin’ny Asa. 17:23 i Paoly dia voasarika tamin’ireo sampy hitany teo an-toerana. Nanjary afaka nifanakalo hevitra tamin’ny olona manam-pahalalana sy izay rehetra teo an-tsena ka tafaresaka taminy izy. Hitany fa nisy banga izay novolavolain’Andriamanitra tsy fantatra ny fiainan’izy ireo. Voamariny koa fa nilain’izy ireo ny nahafantatra ilay tena Andriamanitra ka hijanona tsy hivavaka amin’ny sampy intsony. Teo no nanombohan’i Paoly nitory tao amin’ny sinagôga izay samy niangonan’ny Jiosy sy ny “proselyta” (tsy Jiosy) (Asa. 17:17).

Raha ambara amin’ny teny hafa dia izao: nohararaotin’i Paoly hiasana hitoriana ny filazantsara ny tombontsoa nananany. Niezaka ny hifanerasera tamin’ny olona teny amin’ny toerana nisy azy ireo i Paoly. Niresaka tamin’ireo olona tao amin’ny sinagôga sy teo an-tsena izy. Andriamanitra izay tsy fantany akory no ninoan’ny olona satria efa nanangana alitara ho an’”izay Andriamanitra tsy fantatra” izy. Izany finoan’izy ireo izany no niaingan’ny asan’i Paoly ka niezahany nisarika azy ireo ho eo amin’Andriamanitra “izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo” (Asa. 17:23). Avy teo amin’ny toerana nisy azy ireo no nirin’i Paoly hitaomana ny olona hiala amin’ny sampiny ka hivavahany amin’Andriamanitra velona sy i Jesôsy izay efa nitsangana tamin’ny maty. Ny fomba fiasan’i Paoly, araka izany, dia ny mamantatra ny zavatra ilain’ny olona sy ny manampy mba hanomezana izany zavatra izany.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

  • “Ilay nampianatra ny olona ny lalana ahazoana antoka ny fiadanana sy ny fahasambarana dia sady nihevitra izay nilaina eo amin’ny ara-nofo tahaka izay ilaina koa eo amin’ny ara-panahy.” (IFM, t. 387). Inona no hafatra lehibe omena antsika eto mikasika ny antony tokony hiasantsika ho fanomezana izay zavatra ilain’ny hafa?
  • Rehefa mieritreritra asa fitaomana ny hafa ho eo amin’Andriamanitra isika, nahoana no ilaintsika ny mitandrina sao ny zava-kendrena lehibe indrindra indray no hadino? Inona izany zava-kendrena lehibe indrindra izany? Nahoana?

Ahoana no hianarantsika mihevitra fa ny toe-javatra miseho tampoka ka mampiato ny asantsika dia tsy vato misakana mahatafintohina tsy akory fa tombontsoa hahazoana miasa ho an’Andriamanitra ihany? Ahoana no hanampian’ny Gal. 2:20 antsika eo amin’io lafiny io?


 Pejy ambony