LESONA 9

19 - 25 NOVAMBRA

SORITRA FANANTENANA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Ohab. 17:28; Jôba 13:1–15; Jak. 2:20–22; 1 Kôr. 15:11–20; 1 Pet. 1:18–20; Gen. 22:8.

 

Izao no nosoratan’ny mpanoratra britanika William Hazlitt indray mandeha: “Ny olona no hany biby mihomehy sy mitomany. Ny antony dia satria izy irery ihany no biby mora tohina eo anatrehan’ny fiovaovan’ny fandehan-javatra sy ny tokony ho fizotrany”.

Tsy misy isalasalana ny milaza fa tsy araka ny tokony ho izy izao fandehan-javatra hitantsika izao. Ho an’ny Kristianina izay mivelona amin’ny teny fikasan’ny fiavian’i Kristy fanindroany anefa, dia misy ny fanantenana. Manana fanantenana ny amin’izay hihafaran’ny zavatra rehetra isika (2 Pet. 3:13). Ho tonga zava-mahatalanjona indrindra izany, izay tsy azon’ny saintsika nohamaizinin’ny ota eritreretina amin’izao fotoana izao (1 Kôr. 13:12). Efa tsy tao anatin’ny saina tery sy donton’izao tontolo izao hatry ny ela izany fanantenana izany.

Amin’ity herinandro ity isika dia hanohy handinika ny olana momba ny fahoriana ao amin’ny bokin’i Jôba. Toe-javatra mampalahelo sy tsy ara-drariny no nihatra tamin’i Jôba. Ho hitantsika anefa fa mbola nahalaza teny feno fanantenana ihany izy.

Inona izany fanantenana izany, ary inona no ambaran'izany amintsika ka azontsika antenaina?


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Mpamoron-dainga (Jôba 13:1-14)

 

“Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina” – Ohab. 17:28.


Na inona na inona tian’ny olona iray hambara mikasika an’i Jôba, dia tsy afaka ny hilaza izy fa nandeha nipetraka sy nangina fotsiny i Jôba teo anatrehan’ireo teny mahery nataon’ny sakaizany taminy. Andalan-teny maro ao amin’ny bokin’i Jôba mantsy no mampiseho azy manohitra ny zavatra izay heveriny ho fifangaroan’ny marina sy ny diso. Araka ny fantatsika dia tsy naneho halemem-panahy sy fangorahana firy tamin’i Jôba ireo lehilahy ireo. Milaza izy ireo fa mitondra teny araka an’Andriamanitra rehefa niezaka hanazava ny toe-javatra nanjo an’i Jôba. Milaza izy araka izany fa mendrika an’i Jôba ny zavatra mihatra aminy. Samy ratsy avokoa ireo eritreritra ireo saingy vao mainka ratsy lavitra izy telo mitambatra ka dia namaly izany i Jôba.


Vakio ny Jôba 13:1-14. Ahoana no namalian’i Jôba izay nolazaina taminy?


Ao amin’ny toko faharoa, rehefa tonga hamangy an’i Jôba ireo lehilahy ireo dia tsy nilaza na inona na inona taminy nandritra ny hafitoana. Rehefa avy nandre izay tokony hambarany tamin’i Jôba anefa izy ireo dia tokony ho nihazona ny fahanginany ihany. Azo antoka fa izay mihitsy no tao an-tsain’i Jôba.


Mariho ihany koa ity: nilaza i Jôba fa namoron-dainga ireo lehilahy ireo. Ary lainga momba an’Andriamanitra no nambarany. (Mahaliana izany raha jerena araka izay mitranga any amin’ny faran’ny boky [vakio ny Jôba 42:7]). Tsara indrindra ny tsy miteny toy izay hilaza zavatra diso. (Iza amintsika no tsy efa nahatsapa ny fahamarinan’izany?) Ary vao mainka ratsy lavitra aza ny milaza zavatra diso mikasika an’Andriamanitra. Ny tena hafahafa dia ny fatokian-tenan’ireto lehilahy ireto fa nanohana an’Andriamanitra sy ny toetrany teo anatrehan’ny fanaintainana mangidy nihatra tamin’i Jôba. Tsy mbola takatr’i Jôba aloha hatreo ny anton’ny zavatra rehetra nihatra taminy, saingy resy lahatra kosa izy fa milaza zavatra izay mahatonga azy ho “mpamoron-dainga” ireo lehilahy ireo (Jôba 13:4).


Oviana no fotoana farany nilazanao zavatra diso izay tsy tokony ho voambara velively? Inona no azonao ianarana avy amin’izany fanandramana izany ka tsy hamerenanao ny fahadisoana toy izany intsony?


 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Na dia hamono ahy aza Izy (Jôba 13:15)


Rehefa nanomboka ity telovolana ity isika, dia nijery avy hatrany ny fihafaran’ny boky. Hitantsika ihany koa avy eo ny fivadihan’ny toe-javatra ho tsara fihafara ho an’i Jôba. Novakintsika fa na dia nijaly mafy aza i Jôba, dia nanan-kantenaina tokoa izy. Eo anatrehan’izao fiainantsika izao mantsy, miaraka amin’ny fahafantarantsika ny Baiboly, dia tsapantsika fa nanan-javatra hantenaina be lavitra mihoatra noho izay heverintsika fa azony nantenaina tamin’izany andro izany i Jôba.

Rehefa maty anefa ny zanak’i Jôba, nisy nandroba ny taniny ary fongana ny hareny, dia tsy hain’i Jôba ny ho fivadiky ny toe-javatra. Ny hany fantany dia ny fiharatsian’ny fiainana tampoka teo.

Nitaraina fatratra i Jôba ary nilaza fa naleony tsy ary ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana. Mbola nahitana soritra fanantenana ihany anefa i Jôba. Ary izany fanantenana izany dia avy any amin’ilay Andriamanitra izay heveriny fa mitondra azy tsy araka ny rariny velively.


Vakio ny Jôba 13:15. Inona no fanantenana voaseho ato amin’ity andininy ity? Inona no ambaran’i Jôba?


“Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho
”. Fanambaràna finoana miezinezina manao ahoana re izany! Eo anatrehan’ny zavatra rehetra efa nihatra taminy, dia fantatr’i Jôba fa azo antoka tokoa ny hisehoan’ilay zavatra ho avy farany, dia ny fahafatesana. Andriamanitra rahateo afaka mahatonga izany koa. Raha izay no mitranga, dia ho faty ao anatin’ny fitokisana amin’Andriamanitra i Jôba.

“Ilaina indrindra ny mahatsiaro mandrakariva ny haren’ny fahasoavan’i Kristy. Tehirizo ireo lesona ampianarin’ny fitiavany. Aoka ho tahaka ny an’i Jôba ny finoanao ka afaka hilaza ianao hoe: ‘Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho’ (Jôba 13:15). Takio ireo teny fikasana atolotr’Ilay Rainao any an-danitra, ka tsarovy ireo fomba nitondrany anao sy ireo mpanompony tany amin’ny lasa, satria fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra’ (Rôm. 8:28)” - The Advent Review and Sabbath Herald, Ellen G. White, 20 Oktôbra, 1910.

Raha amin’ny fahatakarantsika olombelona ny toe-javatra nisy an’i Jôba, dia tsy tokony ho nanana fanantenana intsony izy. Raha ny marina mantsy dia hafa amin’izay fomba handraisan’ny ankamaroany amintsika azy tokoa ny fandraisan’i Jôba ny olana nanjo azy. Raha tahaka ny antsika ny fisainany, dia inona intsony ny fanantenana hananany? Fanehoana mahatalanjona ny finoany sy ny fanantenany anefa nataony vokatry ny fitokisany an’Andriamanitra.


Izao no fanontaniana tokony hipetraka: Fomba ahoana no mbola nananan’i Jôba finoana an’Andriamanitra ihany teo anatrehan’ny zavatra rehetra nanjo azy? Vakio ny Jôba 1:1 sy ny Jak. 2:20-22. Ahoana no anampian’ireo amin’ny famaliana izany fanontaniana izany? Tokony hilaza inona amintsika ihany koa ny valiny momba ny maha-zava-dehibe ny fahatokiana sy ny fankatoavana eo amin’ny fiainantsika kristianina? (Vakio ny lesona faha-13).



 Pejy ambony

TALATA

 

Soritra fanantenana (1 Kôr. 15 :11-20)


"Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany"
– Jôba 13:16. Manarakaraka ilay andininy novakintsika omaly io andalan-teny io. Amin’ny fomba ahoana no vao mainka anohanan’io ny fananan’i Jôba fanantenana, sady fanantenana ao amin’Andriamanitra?


Mahaliana tokoa ny fifanjohian’ireo andininy ireo. Na dia ho faty aza i Jôba, na koa na dia Andriamanitra mihitsy aza no hamono azy, dia mbola matoky ihany izy fa Andriamanitra no hamonjy azy. Amin’ny heviny iray dia hafahafa ihany izany, saingy amin’ny anankiray kosa dia tena mitombina mihitsy. Famonjena inona rahateo no misy ankoatra ny hoe afaka amin’ny fahafatesana? Ary inona moa ny fahafatesana? Ho an’ny voavonjy dia fotoana vetivety ahazoana mitsahatra na matory izany. Avy eo dia manaraka azy ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy io fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay io ve no fanantenana lehibe ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra nanerana ny taona arivo maromaro? Izany fanantenana izany koa no fanantenan’i Jôba.


Vakio 1 Kôr. 15:11-20. Inona no fanantenana omena antsika ao amin’ireo andalan-teny ireo. Raha tsy misy io fanantenana io, nahoana no tsy misy tokony hantenaintsika intsony?


Taorian’ny nanehoany an’io finoana mahery vaika ny famonjena io ihany koa dia nilaza i Jôba fa ny “hanef tsy sahy mankeo anatrehany”. Ny foto-teny niavian’ny hoe hanef dia midika hoe “tsy masina” na “tsy tia izay momba an’Andriamanitra”. Voambolana manana heviny ratsy dia ratsy tokoa io amin’ny teny hebreo. Fantatr’i Jôba fa ao amin’Andriamanitra irery ihany no misy ny famonjena azy. Ao amin’ny fiainana voatolotra tanteraka ho Azy amin’ny alalan’ny fankatoavana irery ihany no ahitana izany. Izany no mahatonga ny hanef tsy afaka ny hanana izany fanantenana izany. Miresaka ny amin’ny fahatakarany ny “fatokiany ny amin’ny famonjena azy” i Jôba. Nanolotra tamim-pahatokiana ny biby atao fanatitra noho ny ota izy, saingy tsy fantatsika ny tena fahatakarany ny hevitr’izany. Talohan’ny hazo fijaliana dia azo inoana fa tsy nanana ny fahatakarana feno ny amin’ny famonjena tahaka antsika taty aoriana ny ankamaroan’ny mpanara-dia an’ny Tompo tahaka an’i Jôba. Fantatr’i Jôba tsara tokoa anefa fa ao amin’Andriamanitra irery ihany no misy ny fanantenana izany famonjena izany. Fantany ihany koa fa ny fanatitra natolony ho an’Andriamanitra dia fanehoana ny fomba hananana izany fanantenana izany.


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Fanantenana mialoha ny fiandohan’izao tontolo izao (2 Tim. 1:8,9)


Mba firy amintsika no efa nandalo ny toe-javatra nahazo an’i Jôba kanefa mbola nahalaza teny mitory fanantenana toy izany ihany? Ny tenin’i Jôba dia fanambaràna maharitra mandrakizay ny amin’ny atao hoe tena fiainam-pinoana sy fankatoavana marina.

Nanana fanantenana i Jôba satria nanompo Andriamanitry ny fanantenana. Ny Baiboly dia henika izay mety ho tantaram-pahotan’olombelona maharikoriko rehetra, nanomboka tany amin’ny fahalavoan’i Adama sy i Eva tany Edena (Gen. 3) ka hatrany amin’ny faharavan’i Babilôna amin’ny andro farany (Apôk. 14:8). Boky mirakitra fanantenana tsy hita velively ihany koa anefa ny izy. Hita betsaka ao aminy ny fahitana sahady ny zavatra izay tsy azon’izao tontolo izao atolotra.

“Nankinina tamin’i Kristy izao tontolo izao, ary avy Aminy no nahatongavan’ny fitahiana rehetra avy amin’Andriamanitra ho an’ny taranaka lavo. Izy no Mpanavotra taloha ny naha-nofo Azy sy tao aorian’izany. Raha vao nisy ny fahotana dia nisy ny Mpamonjy” – IFM, tt. 210-211. Ary iza moa no Mpanavotra ankoatra an’i Jesôsy, ilay tena Mpanome fanantenana antsika?


Vakio ny Efes. 1:4; Tit. 1:2; 2 Tim. 1:8; ary ny Pet. 1:18-20. Ahoana no fomba hanantitranteran’ireo andininy ireo ny fanantenana lehibe hita ao amin’io tenin’i Ellen G. White io?


Ireo andalan-teny ireo dia mampianatra ilay fahamarinana mahatalanjona efa fantatr’Andriamanitra talohan’ny namoronana an’izao tontolo izao, dia ny hahalavo ny olona amin’ny fahotana. Ny hevitry ny 2 Tim. 1:9 amin’ny teny grika dia milaza fa nantsoina tamin’ny alalan’ny fahasoavana izay nomena antsika tao amin’i Kristy Jesôsy “hatry ny fony fahagola” isika. Fahasoavana nomena antsika “tsy araka ny asantsika” izany. (Ahoana moa no hahatonga izany ho “asantsika” raha tsy mbola velona akory isika tamin’izany?) Tamin’ny alalan’i Jesôsy Kristy irery ihany no nahatanteraka izany. Fony tsy mbola ary akory isika dia efa nametraka drafitra Andriamanitra mba hanolorana ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ho an’ny taranak’olombelona. Ny fanantenana dia tsy hoe tamin’ny fotoana nilantsika azy vao tonga fa efa teo, vonona ny horaisintsika tamin’ny fotoana tena nilantsika azy indrindra.

Isika Kristianina dia manana fanantenana sy manan-kantenaina be tokoa. Ao anatina tontolo noharian’Andriamanitra izay tia antsika isika (Jao. 3:16, Andriamanitra mpanavotra antsika tamin’ny ainy (Tit. 2:14), Andriamanitra izay mandre ny vavaka ataontsika (Mat. 6:6), Andriamanitra izay mamonjy antsika (Heb. 7:25), Andriamanitra izay manome toky ny tsy handao antsika na oviana na oviana (Heb. 13:5), Andriamanitra izay mampanantena fa hanangana antsika amin’ny maty (Isa. 26:19), ary hanome antsika ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy (Jao. 14:2,3).


“Inona àry no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”
– Rôm. 8:31. Ahoana no hanaovanao izany fanantenana izany ho anao manokana na dia eo anivon’izay mety ho tolona hatrehinao amin’izao fotoana izao aza ianao?



 Pejy ambony

ALAKAMISY

Sary maneho fanantenana

Vakio ireto andininy manaraka ireto. Ahoana no anehoan’izy tsirairay avy fanantenana?


Gen. 3:15

 

Gen. 22:8

 

Lev. 17:11

 

Jao. 1:29

 

Gal. 2:16

 

Fil. 1:6

 

1 Kôr. 10:13

 

Dan. 7:22

 

Dan. 12:1, 2

 

Mat. 24:27

 

Dan. 2:44

 

Araho ny laharan-kevitra asehon’ireo andininy ireo. Inona no ambaran’izy ireo miaraka mikasika ny fanantenana ananantsika Kristianina ao amin’i Jesôsy?


 Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: Manomboka any amin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany ny Baiboly dia henika teny mitory fanantenana. “Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atý amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. – Jao. 16:33. “Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy” – Gal. 3:13. “Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika” – Sal. 103:12. “Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika" – Rôm. 8:38,39.


“Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany” – Gen. 9:16. “ENDREY! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy” – 1 Jao. 3:1. “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny” – Sal. 100:3.

Ireo andininy ireo dia santionany ihany ny amin’izay aseho antsika ao amin’ny Baiboly momba ny toetr’Ilay Andriamanitsika sy izay atolony antsika. Manana antony tokony hananantsika fanantenana ve isika raha tsy eo ireo zavatra ambara amintsika ao amin’ny Baiboly?


FANONTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA


1. Inona ihany koa ireo andininy hafa ao amin’ny Baiboly izay miresaka momba ny fanantenana? Iza amin’izy ireo no tena manan-danja aminao, nahoana?

2. Amin’ireo foto-pampianaran’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito rehetra, iza no hitanao fa maha-velom-panantenana indrindra?

3. Rehefa eo anivon’ireo olana sy fahasarotam-piainana atrehintsika manokana, dia ahoana no hianarantsika mifaly amin’ny fanantenana izay nomena antsika ao amin’ny Baiboly. Nahoana no mora dia mora tokoa ny tojo fahakiviana amin’ireo toe-javatra ireny, na dia be tokoa aza ny fanantenana efa nomena antsika? Inona no azontsika atao, araka izay vitantsika, hahatsiarovana mandrakariva izany fanantenana izany sy hifaliana aminy?

4. “Miresaha fanantenana sy finoana ary fisaorana an’Andriamanitra. Aoka ho falifaly sy velom-panantenana ao amin’i Kristy. Tezao hidera Azy ny tenanao. Izany no fitsaboana lehibe ho an’ny aretin’ny fanahy sy ny vatana” – Mind, Character, and Personality, Ellen G. White, b. 2, t. 492. Nahoana ny fiderana no tena ilaina tokoa eo amin’ny fanampiana antsika hanana fanantenana mandrakariva ao amin’ny Tompo?

 Pejy ambony